21 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 21 Novambra 2012

Tetikasa Fandikanteny: Fanambarana Fiarovana Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ankapobeny

GV Mpisolovava  21 Novambra 2012

Nandritra ity herinandro manontolo ity, handika fanangona-tsonia amin'ny aterineto ho fiarovana ny zon'olombelona amin'ny aterineto sy handrisika ireo governemanta mpikambana ao amin'ny Firaisambe Iraisam-pirenena misahana ny Fifandraisan-davitra mba hitandro ny fisokafan'ny aterineto mandritra ny fivoriamben'ny UIT ireo mpilatsaka an-tsitrapo mpandika teny Lingua ato amin'ny Global Voices. Misokatra ho an'ny tsirairay na fikambanana ao amin'ny fiarahamoni-pirenena soniavina ny...

Isiraely: Ny Fiainana Anaty Fidobodoboky ny Balafomanga

Mampiasa ny tambajotra sosialy ny Isiraeliana hanangona-kevitra sy hizara ny fiainany nandritra ny [dimy] andro vitsivitsy nizakana ny daroka balafomangan'ny Hamas niraraka sahala amin'ny orana any amin'ny faritra atsimo sy afovoan'i Isiraely. Raha miezaka misera mavitrika ao amin'ny Twitter ny tafi-piarovana isiraeliana ifehezana ny hafatra sy hahazoana fanohanana an-tserasera, maro...

Anaran-tsehatra: Fanehoan-kevitra Mendrika Ho Arovana

GV Mpisolovava  21 Novambra 2012

Ny Initiative for Freedom of Expression on Internet (iLEI, ho an'ny anarana Espaniola niaviany), fandaharanasa manokana an'ny Foibe Fandinihana ny Fahalalahana Maneho Hevitra sy ny Fidirana Hahazo Vaovao ao amin'ny Anjerimanontolon'i Palermo ao Arzantina, dia manana asa vaovao ibanjinany ny fifandraisana misy eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra, ny anaran-tsehatra, ary ireo karazany maro samihafa noraisin'ny firenen-tsamihafa hitantanana azy ireny.

Mpanakanto Toniziana Roa Niatrika Fitsarana Noho Ny Graffiti Nataony

Tamin'ny 3 Novambra, nosamborin'ny polisy ireo mpanakanto mpanao sariitatra, Oussama Bouagila sy Chahine Berriche satria nanao sarisary tamin'ny rindrina tao Gabes, ao Atsimo-Atsinanan'i Tonizia. Mpikambana ao amin'ny Zwewla [ar] [ “ny mahantra” amin'ny fitenim-paritra Toniziana] i Bouagila sy Berriche, fikambanana haikanto eny an-dalambe izay malaza amin'ny fanaovana sarisary eny amin'ny rindrina...

Voadaroka Ireo Maraokanina Nandritra Ny Hetsi-panoherana ny Tetibolan'ny Mpanjaka

Nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Rabat ny Maraokanina androany ho fanoherana ny tetibolan'ny mpanjaka. Niharan'ny famoretana feno herisetra nataon'ny polisy anefa ny fihetsiketsehana nataon'izy ireo, ka voadaroka ireo mpikatroka, sy mpanao gazety izay tonga saiky hitantara ny fandehan'ny hetsika. Nanambara ny tati-baovao fa vola 700.000 Euro  isan'andro amin'ny tetibolam-panjakana no lany amin'ny...

Palestina: Mifanditra ny Tambajotra Sosialy, Efa-taona Izay

Raha hiverenana ny tamin'ny taona 2008, nandritra ny fanafihan'i Isiraely an'i Gaza izay namoizan'ain'olona mahery ny 1400 (olo-tsotra avokoa ny 700 mahery), nampiasa ny tambajotra sosialy ny olona manerantany mba haneho hevitra mikasika ny fanafihana sy ny politika ambadik'izany.  Twitter, izay mbola sehatra fampiasan'ireo tanora, no toerana niadian-kevitra, raha toa kosa ka...

Fahadisoam-Pamakiana Ny Magnitsky & Kongresy Amerikana Avy Any Rosia

Akon  21 Novambra 2012

Dibo-kafaliana ireo bilaogera mpanohitra Rosiana tamin'ny Asabotsy, taorian'ny fandanian'ny Antenimieram-pirenena Amerikana ilay lalàna antsoina hoe “Lalàna Magnitsky” nahazo fanohanana avy amin'ny Antenimiera roa tonta tamin'ny 16 Novembra 2012. Manilika ny Fanitsian-dalàna Jackson-Vanik ihany koa ny ampahany amin'ny lalàna, ary mandrara tsy hahazo hiditra amin'ny faritr'i Etazonia ireo manampahefana ao amin'ny governemanta...