Dokambarotry Ny Petronas’ Mahatezitra Ireo Maleziana Maro Manampihaviana Indiana

Miaraka amin'ny fankalazana ny fetiben'ny Hazavana, Deepavali, fanaon'ny Hindu, ny orinasa Maleziana Petronas misahana ny solika, dia nandefa dokam-barotra iray nahabe resaka tao amin'ny Youtube izay nahatezitra Maleziana maro manampihaviana Indiana satria maneho ny Indiana amin'ny endrika ratsy ilay izy.

Tany amboalohany dia nandà tsy hanàla an'ilay dokambarotra ‘Do the Dappan’ ny Petronas saingy noho ny fanerena maro nipatrapatraka dia nesorina tao amin'ny fantsony ofisialy Youtuba ihany ilay dokambarotra, na izany aza anefa dia nisy olon-kafa namerina namoaka ilay izy tety anaty aterineto. Azo jerena etsy ambany ilay clip :

Araka ny ambaran'i Aisha:

‘Ny Dappan dia fandihy na endrika hira fanao mandritra ny fandevenana any India mba handrakofana ny hiakam-pisaonana sy koa ho fanambarana amin'ny tany ama-monina fa misy fahoriana… ny Dappan koa dia manana kely na tsy misy mihtsy aza fifandraisany amin'ny fomba fankalazan'ireo Maleziana maro manampihaviana Indiana ny Deepavali!

Hemashree Krishnan,  dia iray amin'ireo nahatsiaro tohina tamin'ilay dokambarotra:

Ilay dokambarotra dia milaza fa ny Dappankuthu dia fandihy mihetsiketsika mirantiranty any anaty sarimihetsika Tamil. Miangavy lazao, moa ve misy amin'ireo sarimihetsika vokarina eto an-toerana ahitana tamingana fandihy dappankuthu ao anatiny? Na ireo tanoranay aza tsy misy fanao io karazana fandihy io anatin'ireny fifaninanana dihy toy ny Aatam 100 Vagai ireny. Hatramin'ny oviana ny dappankuthu no nanjary kolontsain'ireo Maleziana maro manampihaviana Indiana? Ity karazana dappankuthu ity dia fandihy iray noketrehin'ny sarimihetsika Tamil avy any India fotsiny ary raha nihevitra ny tarika mpanao dokambarotry ny Petronas fa ny fandihy dappan dia hipaka tsara amin'ireo Maleziana maro manampihaviana Indiana sy ny Maleziana amin'ny ankapobeny, dia izao, malahelo aho milaza fa diso hevitra ianareo. HALANAY IO!! Izay, ny betsaka aminay……? .

Inona no hafatra tian'ity dokambarotra ity hampitaina ary inona no mampifamatotra azy ity amin'ny Diwali? Ny Diwali dia manamarika, ny fandresen'ny tsara fanahy ny ratsy fanahy, ny hazavana, nandresy ny haizina nefa inona no sary asehon'ity dokambarotra ity fa tsy Indiana mbola mitoetra ao anaty vanim-potoanan'ny haizina sy tsy fahalalàna  hatrany. Ompa ho an'ny kolontsainay sy ny tantaranay izany.

Mba hitsaboana ny hadalana goavana nataony, tokony hanala tsy misy hatak'andro ilay dokambarotra ny Petronas ka hiezaka hamokatra dokambarotra mifototra amin'ny soatoavina sahala amin'izay efa fanaon'ny Petronas fahiny.

Petronas dia nalaza tamin'ny fanaovana ireo dokambarotra mampihetsi-po fanaony rehefa fotoana fankalazana andro malaza eo amin'ny firenena.

Xu Vin, anefa, dia tsy nahalàla akory izay hevitra ara-kolontsaina fonosin'ilay dihy.

Ifonako ny tsy fahalalako. Tamin'ny voalohany nijery azy io aho dia nihevitra hoe tena mba dadany kosa ity, mozika sy loko ary olona mahasarika. Tiako ilay izy ary noheveriko fa fanovàna fotsiny dokambarotra efa nataon'ny Petronas tany aloha tany izay nahavita hatrany nanaitra ny fihetseham-pontsika raha tsy nahalatsa-dranomaso mihitsy aza. Na izaho aza dia mba nizara azy ity tao amin'ny rindriko. Saingy rehefa nodinihana lalina, tsinjoko fa raha ny marina dia nahatezitra olona maro ilay izy, indrindra fa ny Hindus izay nahtsapa hadisoam-pijery amin'ny tena hevitry ny Deepavali.

5 hevitra

  • Melayu

    Tohizo hatrany mandefa vaovao e.
    Mipetraka any Malezia anga ny akama?

  • ZO RAKOTONIRIANA

    miarahaba ; misaotra sy mankasitraka anareo ny tenako aty ambany ravina lavitra aty ; aty andranomavo majunga aho zao fa mahonena ahy ny firenena fa be zavatra mahaliana aty fa mba hevero hoe ahoana?: be vazaha vavy amerikanina sy polonais aty zao mitady bandy gasy ho vadiany fa te-hahazo nationalite malagasy izireo fa hitrandraka harena fa be zavatra maro aty saingy lavitra andriana ; misy volamena maro aty saingy giazan’ny olo-tokana? ny tsenan’omby aty tena mahazo laka ny be-sandry sy ny be vola …misy harena tsy tiako lazaina eto aty zay mampi-faronbaka ny maro ary misy manao sorona ny ainy mihitsy saingy tsy azo fa aza variana @ politiaka ry sakaiza fa miarena sy mitraka fa fotoana zao handraisana anadraikitra . MERCI

    • Fa inona no atahoranao hizara ny momba izay harena izay eto ry namana? Raha tsy tianao ho hitan’ny be sy ny maro ilay hafatra ampitanao azy, dia alefako hafatra manokana aminay fa hotazoninay mba ho tahiry sy fanadihadiana ho anay eto amin’ny tranonkala manokana, raha azo atao. Jereo fa misy fomba azonao andefasana hafatra manokana ho anay eto amin’ny tranonkala
      * Avylavitra*

  • Misaotra indrindra tamin’izay nosoratanao, aza manahy fa voaray tsara ny hafatra avy aminao. Mampalahelo tokoa ny zava-misy ka mahatonga hieritreritra hoe tsy mba misy manana vina hampandrosoana ny Malagasy sy ny tanindrazana ve? Harena mandalo notehirizintsika ity no avoaka hany ka te-hanararaotra avokoa ny hafa hitrandraka. Aiza no tsara atonina ka tsy hanararaotra?

    Fanontaniana avokoa izany rehetra izany… Lasa paiso an-kady i Madagasikara

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Jentilisa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.