Fakàna An-Keriny Mpanao Gazety Tany Kyrgyzstan: Sangisangy Ratsy sa Heloka Be Vava?

Nazira Aytbekova, mpanolotra fandaharana malaza amin'ny fahitalavitra any Kyrgyzstan, dia nitory ireo mpanao gazety “mpanàla azy” izay naka an-keriny sy nandrahona ny hamono azy toy ny ‘ sangisangy mahazatra’ ho an'ny gazetiny.

Araka an'i Aytbekova [ru], izay mpanolotra fandaharana fialam-boly ankafizin'ny maro amin'ny fahitalavi-panjakana Kyrgyz, norahonana tamin'ny basy sy notampenana maso ary nalaina an-keriny nentina tany amin'ny tany efitra ivelan'i Bishkek, renivohitry ny firenena izy. Avy eo lehilahy maro no nanery azy hanala ny ampahany amin'ny akanjony, nandrahona ny hanolana sy hamono azy. Ny iray amin'ireo lehilahy ireo dia naka sary ny fihetsika rehetra. Ary afaka fotoana fohy dia nasaina nakimpiny ny mason'i Aytbekova. Rehefa nihiratra izy, dia nahita mpanao gazety tabloida telo avy amin'ny Super-Info any Bishkek izay nilaza taminy fa  sangisangy io natao azy io.

Tsy nankasitrahan'i Aytbekova ilay ‘sangisangy’, izay no azo ilazana azy. Tamin'ny resany tamin'ny haino aman-jery taorian'ny zava-niseho, dia nolazainy fa ‘saika tratry ny aretim-po’ izy nandritra ny fakàna an-keriny azy. Nolazain'ny renin'ilay mpanao gazety fa misohika Aytbekova ary ‘ tsy fantatra izay zavatra mety hitranga aminy’. Nametraka fitarainana tany amin'ny mpitandro ny filaminana ilay mpanao gazety.

Nazira Aytbekova mitomany eo am-pitantarana amin'ny haino aman-jery ny momba ilay ‘sarintsarinà’ fakàna an-keriny natao taminy. Mbola nalaina tamin'ny lahatsary ‘Vazivazy Mainty sa sangisangy ?’ nampakarin'ny KTRKkg tao amin'ny Youtube ny 2 Novambra, 2012.

Ny haratsian'ilay ‘sangisangy’

Ilay ‘sarintsarinà fakàna an-keriny’ dia niteraka fanehoan-kevitra nipatrapatraka feno hatezerana tanatin'ireo seha-piresahana vaovao sy haino aman-jery sosialy.

Alina Alymkulova dia nibitsika [ru]:

@Alisha_A_: Ппц шуточки у “Супер-Инфо”.Всегда говорила,что дурацкая газета.Бедная Назира Айтбекова,могла инфаркт заработать,идиоты.

@Alisha_A_: Tena manana vazivazy [adala] ny ‘Super-Info’. Efa nolazaiko foana fa gazety adaladala io. Nazira Aytbekova mahantra, saika tratran'ny aretim-po. Adala.

Nampian'i Zarema Zhunusova [ru]:

@Zarema1407: И самое абсурдное,что если бы Айтбекова не подняла шумиху,то читатели лишь похихикали бы над этим “розыгрышем”, опубликованном в газете.

@Zarema1407: Ny zavatra tsy ampy kely dia tsy nasehon'i Aytbekova daholo ny tantara [momba ilay zava-niseho], dia ho toran'ny hehy ny mpamaky eo am-pamakiana ny ‘ sangisangy  tsotra’ avoaka ao amin'ny gazety.

Mbola tao amin'ny Twitter ihany no nanoratan'i Sumsarbek  [ru]:

@SumsarbekObbO: Сесуальное насилие – это не шутка!!!

@SumsarbekObbO:Tsy sangisangy ny herisetra mamoafady !!!

Ny mpampiasa  ‘smarty’ ao amin'ny seha-piresahana vaovao knews.kg dia nanana [ru] fomba fijery nitovitovy amin'izany :

…ну извините, иммитировать износилование это уже не есть розыгрыш!!! Правильно, с такими идиотами только судться.

…Mahonena fa [ny famelàna vehivavy iray hahatsiaro ho voaolana ] dia tena lavitry ny atao hoe sangisangy !!! Marina ny azy, tokony halefa any amin'ny fitsarana ireo adala ireo.

Hanasazy ny gazety ?

Ny sasany amin'ny mpiserasera amin'ny aterineto dia mino fa ny gazety izay iasan'ireo mpanao gazety naka an-keriny an'i Aytbekova dia tokony koa ho voasazy. Ohatra, ‘OOK’ dia nanolo-kevitra :

закрыть эту нудную газетёнку за такие розыгрыши…и привлечь к уголовной ответственности этих дебилов за нарушение прав свобод человека и принесения морального и физического вреда…!!

tokony hakatona ny gazety mahasosotra noho ireo vazivazy ireo… ary ireo adala ireo dia tokony hatolotra ny fitsarana heloka be vava noho ny fanosihosena ny zo sy ny fahalalahan'ny olona sy fanaovany herisetra ara-tsaina sy ara-batana…!!

Na dia izany aza, ny gazety Super-Info dia nilaza fa ny mpiasa miandraikitra ny fanoratana dia tsy nanome alàlana amin'ny fampihorohoroana sy ny fampiasan-kery nataon'ireo mpanao gazety izay naka an-keriny an'i  Aytbekova. Mpanao gazety roa izay nandray anjara tamin'iny zava-niseho iny no voaroaka.

Fa maro ireo mpiserasera amin'ny aterineto no tsy resy lahatra. Ny mpampiasa ‘Nazgul’ dia nanoratra  [ru] hoe:

Руководство Супер инфо уже открестилось от этой истории, возложили вину на самих журналистов, но однако никто не задал вопроса о том, как такое может быть, чтобы журналисты все это творили без ведома руководства. В каждой редакции все действия журналистов обсуждаются на планерках утром, каждый день…

Efa nilaza fa tsy nisy fifandraisana tamin'io zava-niseho io ny mpitantana ny Super-Info, manameloka ireo mpanao gazety tamin'izay zava-nitranga. Na dia izany aza, tsy nisy nanontany izay antony nahafahan'ireo mpanao gazety nanao iny zavatra iny [ fakàna an-keriny] nefa tsy fantatry ny mpitantana. Any amin'ny birao fanaovana asa soratra rehetra, ny soritr'asa sy ny asa ataon'ny mpanao gazety isan'andro dia ifanakalozan-kevitra amin'ny fivoriana isa-maraina isan'andro…

Haingana ny fiasan'ny gazety hanamaivanana ny dona vokatry ny zava-niseho.Toy ny filazàna nataon'i Adilet Kasymov tao amin'ny kloop.kg:

Я специально не поленился и посмотрел как они раньше других звезд разыгрывали. Вы удивитесь на сайте все розыгрыши удалили. А также редакция газеты в данное время обзванивают всех звезд которые ранее тоже были разыграны и всех их заставляют подписать что они по собственному желанию были разыграны…

Te-hijery ny sangisangy tsotran-ndry zareo miaraka amin'ny olo-malaza hafa aho. Ho gaga ianareo, fa nofafany tao amin'ny tranonkalany ny rakitsary rehetra misy ireo sangisangy ireo. Ankoatra izany, niantso ireo rehetra izay niharan'io sangisangy io ny mpiasa miandraikitra ny fanoratana, mba hanao sonia ireo taratsy manazava fa nanaiky handray anjara tamin'ilay sangisangy izy ireo…

Lazain'ny vadin'i Nazira Aytbekova fa hanao izay rehetra azony atao izy mba hahazahany antoka fa ho voasazy izay rehetra niray tsikombakomba tamin'ny fakàna an-keriny ny vadiny :

То, что они сделали – это унижение, угроза изнасилования, угроза убийства. Все это будет рассматриваться согласно уголовному кодексу. Эти действия попадают под уголовную ответственность. Назад мы не пойдем. В редакции «Супер Инфо» меня не раз просили простить, но о прощении и речи быть не может.

[Azo sokajiana ho ] fahambaniana ny nataon-dry zareo, ny fandrahonana hanolana, sy ny fandrahonana hamono. Hojerena eo ambanin'ny lalànan'ny heloka be vava ireo fihetsika rehetra ireo. Tafiditra anatin'ny andraikitry ny ady heloka be vava ireo fihetsika rehetra ireo.Tsy hihemotra izahay. Nangataka famelan-keloka im-betsaka tamiko ny trano famoahan-gazetin'ny Super-Info, fa tsy misy resaka ny famelan-keloka.

Ampahany amin'ny Tetikasa Fianaran'asan'ny GV Azia afovoany ao amin'ny Oniversite Amerikana Azia afovoany any Bishkek, Kyrgyzstan, ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.