Nampidinina ho 16 taona ny taona fahafaha-mifidy tao Arzantina

Ny 1 Novambra,2012, nankatoavin’ ireo Mpanao lalàna arzantina, ny lalàna momba ny taona hahafaha-mifidy ho 16, na dia izany aza anefa ny fifidianana dia tsy maintsy atao ho an'ny olona mihoatra ny 18 taona.

Namoaka ireo fiovàna hita ao amin'ny lalàna 26774 mikasika ny maha-olompirenena arzantina izay manitatra ity fahafaha-mifidy ity ilay bilaogy Juventudes [es] :

Artículo 1º: Son electores los argentinos nativos y por opción, desde los dieciséis (16) años de edad, y los argentinos naturalizados, desde los dieciocho (18) años de edad, que no tengan ninguna de las inhabilitaciones previstas en esta ley.

Andinin-dalàna 1°: Ireo teraka Arzantina dia mpifidy noho ny safidiny, manomboka amin'ny faha-16 taona sy ho an'ireo Arzantina nangataka zom-pirenena, manomboka amin'ny faha-18 taona, ary afa-manolotra atontan-taratasy milaza fa tsy manana antony andraran'ny lalàna azy ho amin'izany.

Namoaka izao vokatra manaraka izao ny gazety Telam [es], raha jerena ny nandrafitra ireo  nanohana sy ny momba ireo nanohitra tao amin'ny Lapan'ny Depiote:

La iniciativa -que había recibido media sanción del Senado una semana antes- fue aprobada con 131 votos a favor, 2 en contra y 1 abstención, ya que la mayoría de las bancadas opositores se retiraron del recinto antes de que se concretara la votación.

Lany Tafatsangana tamin'ny vato 131 nanaiky, 2 nitsipaka ary iray nanao vato fotsy ilay volavola, izay nahazo fankatoavana herinandro mialoha tao amin'ny antenimieran-doholona, niala ny lapa mialoha ny famitana ny fifidianana moa ny ankamaroan'ny mpanohitra.

Momento en que la Presidente Cristina Fernandez entrega los nuevos documentos de identificacion que habilita a las personas de 16 años a votar - Imagen de  www.casarosada.gov.ar bajo Licencia Creative Commons

Ny filoha Cristina Fernandez manolotra ny karatra vaovao mamela ny olom-pirenena 16 taona hifidy. Saripika www.casarosada.gov.ar Creative Commons licence.

Nanazava sy namelabelatra ny antony tsy nandraisany anjara tamin'ny fifidianana ny Depiote ao amin'ny tranonkalany [es]:

El proyecto no forma parte de las prioridades, ni de las metas u objetivos de los jóvenes. Por el contrario siento que el proyecto está más relacionado con inquietudes de los adultos, que con las necesidades, y las motivaciones de los jóvenes. El proyecto propone conceder a los adolescentes el derecho de votar, pero curiosamente es un segmento en el que se comprueba un desgranamiento del 56% en su educación media, si pensamos antes en el voto que en la educación, o antes que tener mayor acceso a políticas deportivas, recreativas, o culturales, estamos alterando las prioridades.

Tsy anisan'ny laharam-pahamehana, na tanjona, na zava-kendren'ny tanora ity tetikasa ity. Mifanohitra amin'izay, tsapako fa mifandraika amin'ny ahiahin'olon-dehibe io fa tsy filàna sy fampazotoana ny tanora. Manome fahafaha-mifidy ho an'ny adolatsento ilay tetikasa, saingy mahavariana fa ao anatin'ny vondron'olona ahitana 56% tsy nahatontosa na niala antenantenany tamin'ny sekoly ambaratonga faharoa izy ireo, raha mieritreritra ny hifidy mialoha ny fampianarana isika, na tafiditra amin'ny sehatra maro mialoha ny fanatanjahatena, ny politika fialam-boly sa kolontsaina, nanova ny lahara-pahamehantsika isika.

Manoratra toy izao i Brillo momba ny fisafidianana hifidy na tsia ho an'ny latsaky ny 18 taona:

Respecto del carácter optativo del voto, quiero marcar también mis diferencias, y planteo esto porque más allá de los gustos, las preferencias y las consideraciones personales, el Art. 37 de la Constitución Nacional establece que el voto en la Argentina es obligatorio y universal.

Eo amin'ny fanajana ny momba ilay hoe hifidy, te-hanoritra ny indrokeliko aho, ary asandratro ity raharaha ity satria ankoatra ny safidy manokana, izay ironana ary ny fomba fijery manokana, voalazan'ny Lalampanorenana andininy faha 37 faataon'ny daholobe sy tsy maintsy tontosaina ny mifidy ao Arzantina.

Ahoana ny eritreritr'ireo mpifidy tanora amin'izany?

Nanoratra ary i Florencia Acuna (@floracunia) [es] hoe:

@floracunia: hoy estaba con el cartel del voto a los 16 en el cole , y ari me dijo yo no quiero votar apenas me se atar los cordones ! ajajjajaj 15 años

@floracunia: Hitako tany an-tsekoly androany ny takelaka [manentana] hifidy eo amin'ny faha 16 taona, ary nilaza tamiko ari hoe tsy hifidy fa na mamatotra tadi-kiraro aza tsy haiko! 15 taona hahahaha

Mandritra izany fotoana izany miresaka ny fahatsapany ho hendratrendratra ilay mpisera aterineto Mar (@marianelaoriont) [es]:

@marianelaoriont: Estoy re nervioso por el voto a los 16 años, no me decido como votar todavía. Si haciendo ta te ti o zapatito blanco zapatito azul

@marianelaoriont: Tena hendratrendratra be aho amin'izany fahafaha-mifidy eo amin'ny faha 16 taona izany, tsy mbola tapa-kevitra hifidy aho. Mikatrokatroka vodi-tongotra sa hikiraro manga ilany fotsy ilany

Ny tsy fahazoana managadra ireo zaza tsy ampy taona manoloana ny fandikan-dalàna kosa no iadian-kevitra ao Arzantina. Maro ireo sokajin'olona mieritreritra fa tsy migadra ireo anelanelan'ny taona 16 ka hatramin'ny 18 ireo raha mandika lalàna, nefa tsy izany no izy. Ahitana izany amin'ny sioka sasantsasany, tahaka ny an'ity Ezequiel ity (@Ezepereyra22) [es]:

@Ezepereyra22: Ya es ley el voto a los 16 años, pero si con esa misma edad vienen y te pegan un tiro en la frente para afanarte el celular, no pasa nada.

@Ezepereyra22: Lalàna ankehitriny ny fahazoana hifidy na dia 16 taona aza, fa raha amin'io taona io ihany, raha tonga izy ireo mitifitra anao eo amin'ny tarehy ka mangalatra ny findainao, tsy na inona na inona mihatra.

Maka ireo resaka io amin'ny bilaogin'i El Estadista [es] i Andrés Escudero manao hoe:

La inimputabilidad es un argumento que han adoptado los promotores de las políticas de mano dura. Haciéndose eco de la asociación entre juventud y delincuencia, han impulsado la idea de que a partir de esta nueva ley un menor de 18 años podría sufragar para Presidente a la vez que “matar, robar y violar” sin ir preso, justamente por su condición de menor. Sea por el motivo que fuere, la idea de que los menores de dieciocho son inimputables se apoderó de buena parte de la sociedad hasta convertirse en sentido común

Hevitra avy amin'ireo izay te hampanjaka amin'ny totohondrim-by io resaka tsy fahazoa-managadra io. Amin'ny fampiakoakoana ny fifandraisan'ny tanora amin'ny heloka, te-hampandroso ny hevitra ry zareo fa afaka mifidy amin'ny alalan'io lalàna io ny tsy ampy taona sady afa- “mamono, mangalatra, manolana” tsy misy sazy, sartia zaza tsy ampy taona izy ireo. Noho ny antony tsy fantatra, nahazo ny ankamaroan'ny vondron'olona maro tokoa ny hevitra fa tsy azo entina any amin'ny fitsarana ny tsy ampy taona ka tonga amin'ny fenitra fa izay no fisainana iraisan'ny besinimaro.

Nandinika ny amin'ny lasa trosan'ny Kongesy Nasionaly amin'ny fomba itsarana ny tsy ampy taona anelanelan'ny 16 ka hatramin'ny 18 taona ihany koa i Escudero:

En este campo, una deuda que el Congreso Nacional aún no ha saldado es la sanción de un Régimen de Responsabilidad Penal Juvenil, para que los jóvenes en conflicto con la ley penal puedan ser juzgados con respeto de las mismas garantías que asisten a cualquier ciudadano.

Raha amin'io sehatra io indray aloha, dia mila mametraka Rafi-dalàna Maha-Tompon'andraikitra eo anatrehan'ny Lalàna ny tanora azy ny Kongresy Nasionaly, mba ho voaantoka fa hotsaraina mifanaraka amin'ny lalàna, mitovy amin'ny olo-pirenena ny tanora manana olana.

Considering these changes, the candidates for the legislative election in 2013 will have to tweak their strategies to win the youth vote [es], which represents more than one million potential new voters.Raha jerena ireo fanovana ireo, dia tokony hanitsy ny tetik'adiny ireo kandidà hirotsaka amin'ny taona 2013 raha te-hahazo ny vaton'ny tanora [es], izay mpifidy hafa efa mihoatra ny iray tapitrisa miandry fotsiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.