Nosivanin'ny La Vanguardia Ny Bilaogy Iray Niresaka Momba Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Tao Amin'ny Telefónica

Nanapa-kevitra ilay ramatoa Katalana mpanao gazety, Lali Sandiumenge [amin'ny fiteny Katalana sy espaniola], mitantana ny Guerreros del teclado [Les Guerriers du clavier, en espagnol] bilaogim-pitolomana izay izy no mitantana azy, fa hanaisotra ny bilaoginy tsy ho bilaogy mpiara-miasa ao amin'ny La Vanguardia [amin'ny teny espaniola]. Noraisiny izao fanapahan-kevitra izao taorian'ny nanesoran'ny mpitantana ilay gazety ny lahatsoratra iray nanazavany ny toe-javatra iainan'ireo mpiasa vaovao manao fitokonana tsy hihinan-kanina any amin'ilay orinasa vaventy Telefónica izay misahana fifandraisan-davitra ao Barcelone, sy ny fampiasan'izy ireo ny aterineto mba hampahafantarana ny fitakiany. Ireo mpiasa ireo dia mitaky ny hamerenana amin'ny asany ny namany iray noroahana.

La Vanguardia

Vue du blog après la suppression du billet.

Lali Sandiumenge, izay mpifandray avy any Kairo ho an'ilay gazety mpiseho isanandro Avui, dia nanomboka ny bilaoginy tao amin'ny La Vanguardia ny 1 martsa 2011, ka tanjony tamin'izany ny hiresaka ny fampiasàn'ireo mpitolona mafàna fo maneran-tany ny aterineto. Ny Zoma 9 Novambra, nanapa-kevitra ilay ramatoa mpanao gazety fa hitafatafa amin'ireo vondrona mpiasa manao fikotonana tsy hisakafo, mba hanazavana voalohany indrindra ny fomba nataon'izy ireto hampiasàna ny aterineto amin'ny tolona ataony, manoloana ny « fahirano an-gazety »  ampangain-dry zareo. Ny ampitson'io famoahany io, nanapa-kevitra ny mpitantana ny gazety, toy izay anazavan'i [amin'ny teny espaniola] Lali Sandiumenge azy, fa hanàla ilay lahatsoratra :

Nanapa-kevitra ny mpitantana ny La Vanguardia fa hanivana ilay lahatsoratra tamin'ny Alatsinainy ary dia nesoriny ilay izy. Niantso ahy ry zareo nampahafantatra izany, tsy niolakolaka. Tsy nangataka ahy hampiato ny bilaogiko ry zareo, saingy ny fanapahan-kevitra noraisiny dia mifanohitra mivantana amin'izay inoako sy antony maha-mpanao gazety ahy, izay no antony nanapahako hevitra hampiato ny fiaraha-miasa amin'ny vavahadin-tseraseran-dry zareo. Resaka fijoroana amin'ny foto-kevitra izany. Manomboka manodina irery io bilaogy io aho izany, mamoaka indray aho ny fandalinana nosoratako mikasika ilay fitokonana, miaraka amin'ny tena datin'andro tena izy, izay tonga amin'ny andro fahafolony ankehitriny, ary antenaiko ny hanoratra hafa betsaka kokoa. Ndao tohizantsika.

Na dia nampahafantatra azy ny fanesorana ilay lahatsoratra [esp.] aza ny gazety ary tsy nanao tsindry taminy mba hanakatonany ny bilaoginy, nanapa-kevitra ny hiala tamin'ilay vavahadin-tserasera ilay ramatoa mpanao gazety ary namerina nanokatra azy [esp.] indray ao amin'ny sehatra malalaky ny WordPress. Azo vakiana ao amin'ilay bilaogy vaovao ilay lahatsoratra [esp.] nosivanin'ny La Vanguardia, izay tao anatiny dia manazava i Lali Sandiumenge ny amin'ny fomba namolavolan'ireo mpiasan'ny  Telefónica ny tolon-dry zareo tamin'ny alàlan'ny aterineto :

« Azy ireo ny aterineto ary isika dia mitolona eo amin'ny kianjan-dry zareo », hoy i Isabel, iray amin'ireo mpiasan'ilay orinasa, sady mpikambana ao amin'ny sendika Co.bas izay, miaraka amin'ny En Construcció sy ny sehatra Sí, soy rentable [esp.] natsangan'ireo mpiasa, mandrindra ny tolona eny an-kianja sy ety anaty habaky ny cyber. Miaraka aminà tambajotra misy mpanjifa efa ho 5,5 tapitrisa sy CA mitontaly 11 164 966 (traehi-marika efa tamin'ny 2011), Teléfonica no ngezalahy amin'ny tolotra antso mampiasa tariby mitondra ny ‘haut débit’, na ny haingam-pisosa ao Espana, na dia tsy mitana ny toerana lehibe indrindra toy ny teo aloha intsony aza ny tsenany.

Ny tolona anaty aterineto, miainga indrindra avy amin'ny @HHTelefonica [fiteny Katalana sy Espaniola] sy @sisoyrentable [fiteny Katalana sy Espaniola] ao amin'ny Twitter, dia manana kaonty iray izay mampita ireo sary mivantana [fiteny Katalana sy Espaniola] sy amin'ny alàlan'ny bilaogy Vaga de fam a Telefónica [fiteny Katalana sy Espaniola], dia mifanome tànana amin'ny tolona eny an-kianja.

Lali Sandiumenge avy eo dia manazava ao anatin'ny lahatsorany ireo hetsika rehetra efa natao tety anaty aterineto nahafahan'ireo mpitolona mafàna fo nanome fampahafantarana bebe kokoa ny fitakian-dry zareo, izay mahakasika orinasa iray isan'ny goavana indrindra an'ny fanjakana espaniola.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.