Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Fanetsehana Hitazonana Ny Fampiasàna Ny Portioge Ho Isan'ny Teny Fampianarana Ao Frantsa

Miisa 250 tapitrisa eo ny mpiteny portioge, izy no teny faha enina be mpiteny indrindra eto an-tany. Ambara ho misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny miteny portioge ao Frantsa, izay ny betsaka dia ireo mpifindra monina na ny taranaka portioge mpifindra monina .

Ny 30 aogositra 2012 dia nanao tafatafa ho an'ny Médiapart ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony, Geneviève Fiorasor, mikasika ny fanavaozana ny eny amin'ireo Anjerimanontolo, ka tao anatin'izany no nilazàny hoe :
Hampiasa ny teny portioge any amin'ny Anjerimanontolo rehetra, tsy maintsy ve ? Tiako ny portioge saingy ny hànana sampam-piofanana iray tsy fahita firy any amin'ny anjerimanontolo rehetra, angamba tsy dia ilaina loatra”.
Nahatohina ny vondrom-piarahamonin'ireo mpiteny portioge rehetra any Frantsa ity tafatafa ity, ary dia nisy antso iray nalefa tao amin'ny Facebook, avy amin'ny Casa Amadis, fikambanana miteny portioge ao  Montpellier hanoherany ny fanambaràn'ny Minisitra :
Tsy maintsy fantarina kosa fa ny portioge no teny eoropeana fahatelo ifandraisana, ary ampiasain'olona betsaka eran-tany mihoatra noho ny teny frantsay sady tenin'ny firenena iray ao anatin'ny G20, dia i Brezila.(…) Ny fiarovana ny fampianarana teny portioge, italiana, arabo… aty Frantsa, araka izany dia fandraisana anjara ihany koa amin'ny fiarovana ny frankofonia.
drapeaux du Portugal et de la France sur wikimédia commons- Domaine Publique

sainam-pirenen'i Portugal sy Frantsa ao amin'ny wikimédia commons- Domaine Public

Noraisin'ny Lusojornal avy eo ity antso ity, gazetin'ny Vondrom-piarahamonin'ireo miteny portioge ao Frantsa sy Belzika. Miteny i Alexandra Custodio de Saint-Etienne ao amin'ny laharana faha-94:
Ireo Frantsay 2 tapitrisa, ireo mpandraharaha 60.000 manam-piaviana portioge izay mandray anjara isanandro amin'ny toekaren'ny firenentsika ary mahafehy tsara ny teny roa  portioge / frantsay, hatramin'ny andro anio, dia andry iray ho an'i Frantsa, tetezana iray voajanahary hidirana amin'ireo tsena mampiasa ny teny portioge,  nefa ankehitriny izy ireo dia mahatsapa ho «anjorom-bala» ka mitroatra.
Isanandro dia mandray maro amin'ireo nahazo diplaoma, mpiasam-barotra, injeniera, sns… ireo orinasa eto Frantsa. Tsy maintsy mila mpianatra nofanina tamin'ny teny portioge i Frantsa. Mba fantatrareo ve fa ireo mpianatra nivoaka ny Anjerimanontolo Frantsay, novolavolaina tamin'ny teny portioge, dia manana taham-pahombiazana amin'ny asa mihoatra ny 90%?

Frantsa no firenena faharoa lehibe indrindra miara-miasa amin'i Brezila raha amin'ny lafiny fikarohana siantifika sy famoronana ara-teknolojika, aorian'i Etazonia. Marobe ireo Anjerimanontolo Breziliana mirotsaka an-tsehatra aminà tetikasam-piaraha-miasa iraisam-pirenena miaraka amin'i Frantsa ao anatin'ny sehatry ny fikarohana, izay amin'ny ankapobeny dia miaraka amin'ny fanohanana ara-bola avy amin'ny andaniny sy ankilany, toy ny CNPq-CNRS.

Cap Magellan- Le portugal sans clichés dia manindry ny maha-zava-dehibe ireny fifanakalozana eo amin'ny samy anjerimanontolo ireny.

Tsy maintsy ilaina marina io fampianarana io satria miha-betsaka ireo orinasa, nefa koa ireo laboratoaram-pikarohana, ireo fanofanana samihafa no mitaky ny hanànana manampahaizana manokana afaka miasa miaraka amin'i Brezila, Angola na firenena hafa miteny portioge. Miroborobo rahateo ny fiaraha-miasa eo amin'ny samy anjerimanontolo  frantsay-breziliana ary i Brezila dia vao avy nanangana fandaharanasa goavana amin'ny fanofanana iraisam-pirenena ho an'ny mpianatra any aminy: Science sans frontières – Siansa tsy misy sisintany.

Ny bilaogy “Correspondances Transatlantiques” ao anatinà taratasy nalefa ho an'ny Minisitra dia manipika hoe:

mirehidrehitra ny fahalinan'i Brezila amin'ny asa famoronana eo amin'ny sehatry ny asa soratra, zavakanto ary sarimihetsika frantsay (i Brezila ihany koa no tsena lehibe indrindra any Amerika Atsimo ho an'ny asa soratra frantsay).

ary mampahatsiahy ireo lanja ara-toekarena sy ara-kolotsainan'ny fianarana teny portioge any Frantsa:

Ankoatry ny maha-frantsay ny ankamaroan'ireo indostria marobe amin'ireo sehatra fanalahidin'ny toekarena breziliana (fitrandrahana solika indrindra indrindra), ireo hetsika atsy ho atsy misokatra amin'izao tontolo izao hatao ao Brezila (Lalao Olaimpika, Tompondaka manerantany amin'ny baolina fandàka) dia tokony hanamafy ny fifampikasokasohana hataon'i Brezila amin'ireo orinasa frantsay. Ireo hetsika ireo dia tokony koa hitondra vintana ara-barotra vaovao ho an'ny sehatry ny BTP, fitaterana, ny asa famoronana sy fiahiana ny tontolo iainana ary ny angovo azo havaozina.

Paulo Pisco, solombavambahoakan'ireo Portioge any ivelany ao amin'ny Antenimieran'ny Repoblikan'i Portiogaly, dia mamaly amin'ny teny frantsay sy portioge an'ilay Minisitra, ao anaty lahatsoratra navoakan'ny  Mediapart:

Nahoana ramatoa Minisitra no tsy nisaina akory ny lova ara-kolotsaina lalina fonosin'ny portioge, izay mandeha hatrany Japana sy Kanada, avy any Sri Lanka hatrany Orogoay? Tokony ho mba nisaina ihany izy ny amin'ny fiakaran'ny lanjan'ny vondrom-piarahamonin'ireo firenena miteny portioge – Communauté des pays de langue portugaise (CPLP), izay mpirotsaka 12 avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao no te-ho lasa mpikambana mpiara-miombona antoka, ary anatin'ireny no afaka ahitàna ireo firenena toa an'i Indonezia, Venezoela na i Maraoka. Ho ohatra, i Senegaly sy Maorisy dia efa mpikambana mpiara-miombona antoka sahady.

Laeticia Trigo, izay nandray anjara tamin'ilay antso nalefa tao amin'ny facebook, dia naharay ity valinteny manaraka ity avy amin'ny minisitra, izay nanome alàlana azy hamoaka ilay taratasy :

“Tena malahelo amin'ity tsy fifankahazoan-dresaka ity aho. (…). Ny hafatro, tsy dia voampita tsara amin'ny tokony ho izy (angamba ve tsy dia nazava tsara aho tamin'ny niresaka tamin'ilay mpanao gazety) dia ity manaraka ity : anatin'ny vanim-potoana izay andalovan'ny anjerimanontolo olana ara-bola tena mampiasa loha, nanomboka tamin'ny fikisahana nankany amin'ny fizakàn-tena (ratsy) fanatanterahana nataon'ny anjerimanontolo, nifanaraka tamin'ny lalàna Pécresse tamin'ny 2007, dia tsy maintsy manao tolotra fiofanana mandalo tambajotra sy ifandrimbonan'ny mpikambana. Ny zava-misy dia nandray fitsidihan’ anjerimanontolo roa aho izay nanana tolotra fiofanana amin'ny portioge, ho anà mpianatra 4 ny tranga iray ary 3 kosa ho an'ilay iray hafa. Raisiko ny andraikitra amin'ny filazana fa tsy vitantsika intsony ny miantoka ara-bola io karazana fiofanana io. (…). Mazava loatra, midika izany fa ilaina ny fanampiana ho fahafaha-manetsika ireo mpianatra mba tsy hovoasazy ny sampam-pianarana iray, izay eto dia ny teny fanampiny ampiasain'ny vondrompiarahamonina iray tena mavitrika eto amin'ny tanintsika. (…).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny