Andro Iraisam-pirenena Ho Famaranana ny Tsimatimanota: Mandraisa Anjara Amin'ny Hetsika Fanentanana

Ny fandraisana andraikitra: Ny fahalalana sy ny fanatanterahana ny andraikitra manoloana ny zavatra atao, ireo vokatra haterany, ireo fanapahan-kevitra, ary ireo politika.

Ny Tsimatimanota: Ao amin'ny lalàna iraisam-pirenena mikasika ny zon'olombelona, midika ho tsy fahafahana mitondra eo amin'ny fitsarana ireo olona mandika ny zon'olombelona izany, izany hoe, efa fandavana ny zon'ireo niharam-boina tsy hahazoany rariny sy fanonerana.

Mino marimarina izahay ato amin'ny Global Voices Advocacy fa ny fandraisana andraikitra dia fomba iray ahafahana misoroka ny fiverimberenan'ireo heloka ireo. Mifantoka kokoa amin'ny fanehoan-kevitra malalaka ao anaty aterineto izahay, ary vavolombelon'ny fahalasanan'ny fanivanana aterineto ho lamaody tato anatin'ny taona vitsy lasa izahay, izay mampitahotra mihitsy. Na lazaina ho fiadiana amin'ny fahavetavetàna, na ho fiarovana ny fizakà-manana ara-tsaina, na antony resaka fiarovana hafa, dia manomboka mora andairan'ny faneriterena sy ny fanapempoana amin'ny aterineto ireo mpampiasa azy.

Loharano: Toolkit-an'ny IFEX 2012

Nihamafy ny “habibiana” ataon'ireo governemanta jadona amin'ireo mpampiasa aterineto. Ahiditra am-ponja, ampihorohoroana, ampijaliana na vonoina mihitsy ireo mpitolona amin'ny alalan'ny aterineto mitory ny fitondrana mpanao jadona: Cao Haibao any Shina, ireo mpampiasa Twitter any Bahrain, ny mpitoraka bilaogy Ruy Salgado any Meksika, ireo mpampiasa Facebook any Iran, ireo mpanoratra Bolgariana tompon'ilay dikan'ny Wikileaks tao an-toerana, ireo mpiangaly mozika Vietnamiana, ary ireo mpitoraka bilaogy Syriana tsy hita ho isaina sy ireo mafana fo amin'ny alalan'ny lahatsary, dia sombiny tamin'ireo tranga vao haingana voarakitray an-tsoratra avokoa.

Nametraka ny tetikasa Threatened Voices (Feo voarahona), fikarohana sy famoahana ireo tranganà fandrahonana atao amin'ny mpampiasa aterineto eran-tany, efa ho roa taona lasa izay, ny Global Voices Advocacy, mba hanaraha-maso an'ilay lamaody vaovao mampatahotra.

Raha ny tsapanay tao anatin'ny fanaovana tatitra isan'andro momba ny tsy fanajàna ny zon'olombelona dia ny heloka izay mijanona ho tsy misy tomponandraikitra no mbola miverimberina foana. Manome fahefana feno an'ireo mpanao didy jadona hampanginana ireo mpanohitra ny politikany ny tsimatimanota, vavolombelona amin'izany ny tranga tany Syria sy ireo firenena jadona hafa. Izany no maha zava-dehibe ny fijoroan'ireo mpampiasa aterineto eran-tany hitaky ny fiarovana ny zo sy fahalalahana ao anaty aterineto.

Nanapa-kevitra hanao ny 23 Novambra ho Andro iraisam-pirenena ho famaranana ny tsimatimanota i IFEX hitakiana ny rariny ho an'ireo mpanakanto, mpanao gazety, mpihira ary ireo mpanoratra eran-tany izay noterena hangina:

Ny fitakiana ny fahamarinana ho an'ireo nenjehina noho ny nampiasàny ny zony haneho hevitra tamin'ny alalan'ny fisintonana ny sain'izao tontolo izao ho any amin'ny olana mikasika ny tsimatimanota no tena tanjona amin'io andro io. Tsy natao hampahafantarana ny olon-drehetra ny mahatonga sy ny antony tsy mahafoana ny tsimatimanota ihany anefa io andro io, fa hanentana ny olona eran-tany handray andraikitra, handrenesana ny feony sy hangataka ny fahamarinana ihany koa.

Izahay ato amin'ny Global Voices Advocacy, dia faly mandray anjara amin'ilay hetsika fanentanana izay mifantoka amin'ny fahafahana maneho hevitra ao anaty aterineto.

Afaka mandray anjara koa ianao amin'ny alalan'ny fandefasana lahatsary, na saripika, na sary natao tànana, na lahatsoratra fohy (teny 500 isa ny halavany) na zavatra namboarinao tafiditra ao amin'ny iray na ny rehetra amin'ireto lohahevitra ireto:

  • Ahoana ny fahitanao ny aterineto raha voararan'ny lalàna ny fanivanana;
  • Ahoana no mety endriky ny tontolon'ny aterineto raha tsy afaka hiala maina miaraka amin'ny hetsiny intsony ireo mpanivana;
  • Lazao aminay ny fomba fiadianao amin'ny fanivanana ny aterineto ka zarao aminay izay nahomby taminao!
Raha mila topimaso amin'ny toetran'ny fanivanana ny aterineto eran-tany ianao, afaka mitsidika ny Pejy Fandrakofana Manokana Ny Fanivanana Aterineto . Afaka mamaky ny fanontàna lahatsoratra farany mikasika ireo tatitry ny Mpampiasa aterineto koa ianao: Netizen Report: Baku edition.
Isaorana i Rayna St. sy Hisham Almiraat noho ny fanampian'izy ireo nanoratra ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.