Ny fikambanana miaro ny fahalalaham-pitenen'ny mpanao gazety manerantany ‘Reporters sans Frontières’ (RSF) no nitatitra fa mpanao gazety efatra sy mpiblaogy iray no atao fanoavana nohon'ny fanalambaraka sy “tsikombakomba amin'ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra” [fr]. Ny fitoriana anaovana fanoavana ireto mpanao gazety ireto dia napetraky Atoa Mamy Ravatomanga izay mpanefoefo tompom-pantsona fampahalalam-baovao maro sady efa minisitry ny fampahalalam-baovao taloha rahateo. Ny mpiblaogy Alain Rajaonarivony sy ireo mpanao gazety maro dia nitatitra fa i Mamy Ravatomanga dia voarohirohy amin'ny raharaha fanondranana andramena [fr] izay manambana ny fisian'ny reniala any Madagasikara.
Madagasikara: Fanenjehana Mpanao gazety sy Mpiblaogy maro izay nitatitra mikasika ireo fanondranana andramena tsy ara-dalàna
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava , miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahafaha-miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity.
· Lahatsoratra rehetra






























Lahatsoratra voadika amin'ny teny:















Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa