Iharan'ny Fanararaotana Ireo Ankizy Eny An-dalambe Ao Bangladesh

Raha mihitsoka mandritra ny minitra vitsy anatin'ny fitohanana ao andrenivohitr'i Bangladesh, Dhaka ianao, dia mety hahita ankizy mihazakazaka mamonjy ny varavarakelin'ny fiaranao. Mitondra voninkazo ny sasany amin'ireo ankizy; ny sasany kosa mihazona boky ao anatin'ny sandriny, ny hafa milanja fehezana gazety ary ny hafa mitondra vatomamy ary ho amidy avokoa izany rehetra izany. Miezaka mafy izy ireo mandresy lahatra sy manintona ireo mpandalo mba hividy ny entambarotra. Fahita isan'andro ao amin'ny araben'i Dahka izany toe-javatra mampalahelo izany. Fantatra amin'ny anarana hoe Pothoshishu ireo ankizy eny an-dalambe. Eny amin'ny arabe no toerana ahazoan'izy ireo vola.

Tombanana eo amin'ny 400.000 eo ny fitambaran'ny ankizy eny an-dalambe ao Bangladesh. Monina irery ao an-tanànan'i Dhaka ny antsasa-manilan’ ireo ankizy. Ankizy vavikely avokoa ny maro an'isa amin'izy ireo. Ireo ankizy vavikely eny an-dalambe indrindra matetika no iharan'ny fanararaotana sy ny fanandevozana.

Street girls Mili and Brishti

Ankizy vavikely eny an-dalambe: Ny fivarotana voninkazo no fiveloman'i Mili sy Brishti. Sary: Firoz Ahmed. Copyright Demotix (21/1/2012)

Tamin'ny volana Martsa 2012, namoaka fanadihadiana mitondra ny lohateny hoe “fifandraisana ara-tsosialin'ireo ankizy vavikely eny an-dalambe ao an-tanànan'i Dhaka, Bangladesh” [pdf ]i  Unnayan Onneshan . Mampiseho ny fanadihadiana amin'izany fa mivarotra voninkazo ny ankamaroan'ny zazavavy eny an-dalambe (37,50%) mba hivelomany. Noterena hivaro-tena ny 18,80% amin'ireo zazavavy ireo, 6,25 % kosa miasa amin'ny orinasa mpamokatra akanjo, 6,25% lasa mpangataka, ary ny 12,50% lasa mpivarotra ary ny 6,25% mpivarotra gazety mandehandeha. Mampidi-bola kely dia kely Tk. 101-299 ($1.25-$3.75) isan'andro ny antsasa-manilan'ireo ankizy vavikely. Tk. 300 (US$3.75) na mihoatra kosa  ny vola miditra isan'andro amin'ny 43,75 %n'ireo ankizy vavikely. Kanefa izy ireo ihany no toa hita fa manam-bitana, satria misy 6,25 % amin'ireo ankizy vavy eny an-dalambe no mahazo vola latsaky ny Tk. 100 ($1.25) isan'andro. Tsy mba mahazo fitsaboana maimai-poana na toeram-pitsaboana avy amin'ny governemanta ny 45% amin'ireo ankizy vavy kely. Ary ankizy vavy 3 ao anatin'ny 10 no tsy mba nandia fianarana sy tsy mba noraisina hianatra taminà sekolim-pampianarana.

Mora iharan'ny fanararaotana toy ny ara-nofo, ny vono olona, ny setrasetra sy ny fanendahana ny fananany ny ankamaroan'ireo vehivavy ao Bangladesh. Miharitra izany loza mety hitranga izany isan'andro ireo ankizy eny an-dalambe mirenireny sy mandany ny fahazazany  eny amoron'ny araben'i Dhaka. Nalaina avy amin'ilay fanadihadiana ity sary ity, izay mampiseho antontan'isa mikasika ny herisetra mihatra amin'ireo zazavavy eny an-dalambe:

Antontan'isa mikasika ny herisetra mihatra amin'ireo zazavavy eny an-dalambe

Neelkabyo nanoratra mikasika ny toe-javatra mampalahelo iainan'ireo zazavavy eny an-dalambe ao Addar Asor forum:

Sarotra ny miantoka ny fiarovana ny zanaka vavintsika ao anatin'ny tokantranontsika manokana, mampihorokoditra tanteraka ny mieritreritra ireo ankizivavikely 25,7% mivelona eny an-dalambe.

Nizam Kutubee nanoratra tao amin'ny bilaogy Prothom Alo:

Vao haingana no nisy adihevitra maro mikasika ny lalàna momba ny fanararaotana ara-nofo. Saingy tsy mba nisy olona nihevitra sy niresaka mikasika ny fiarovana ireo zazavavy eny an-dalambe. Miharitra hatrany ny fanararaotana ara-nofo izy ireo satria tsy maintsy eny an-dalambe no matory ary tsy mba manam-piarovana mihitsy. Tsy mba misy olona rototra amin'ny toe-javatra mahazo ireo zazavavy ny ao amin'ny manampahefana.

Living under the open sky.

Monina eny an-dalambe. Sary: Auniket. Copyright Demotix (6/4/2012).

Bilaogera Maa nitanisa tononkira tamin'ilay hira Bangla malaza mba hisarihana ny saina manoloana izao olana izao sy hitaky tokantrano azo antoka feno fiarovana ho an'ireo ankizy ireo:

Avelao hiposaka amin'ireo saha maitso ny masoandro, ho fialokalofana am-pilaminana anie izao tontolo izao

Ho tontolo lavitry ny loza ho an'ny ankizy anie izao tontolo izao, betsaka loatra ve ny zavatra angatahiko?…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.