- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sodàna: 8 Volana Izay No Notànana Am-ponja Ilay Mpikatroka ao An-tendrombohitr'i Nouba

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Sodàna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Zon'olombelona

Ny alin'ny 14 Martsa 2012, nalain'ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly sy ny Sampam-piarovana Sodàney (NISS) tao amin'ny trano fonenany ilay vehivavy antsoina hoe Jalila Khamis Kuku ary nampidirina am-ponja. Tsy mahazo maka mpisolovava izy ary tsy mahazo mitondra akanjo hosoloina ihany koa, natosika tao anaty fiara pickup i Jalila izay mbola niaraka tamin'ny akanjo fitondraa matory ary NISS am-polony manao fanamiana sivily no nanaraka azy tamin'izany.

Mpampianatra amin'ny sekoly fanabeazana fototra i Kuku, izay teratany ao amin'ny tendrombohitra Nouba, mpikatroka ihany koa izy ary mpikambana ao amin'ny Hetsi-bahoaka ho Fanafahana ny Mponina ao Sodàna-Avaratra (SPLM-N). Nosamborina izy satria nanampy ireo Nòbana nandositra ny ady tao Kordofan Atsimo sy nampiantrano azy ireo tao an-tranony. Nandrakitra lahatsary [1] manameloka ny faharatsian'ny toe-draharaha iainan'ny mponina ao an-tendrombohitr'i Nouba izy.

Nandritra ny valo volana nitazonana an'i Jalika tany am-ponja, dia ny telo volana amin'izany natokana efitra izy. Fantatra fa mety ahazo sazy fanamelohana ho faty izy satria voampanga ho nanitsakitsaka goavana ny lalàna famaizana Sodaney; toy ny andininy faha-51, izay fihantsiana ady amin'ny fanjakana, sy ny andininy faha-50, izay manevateva ny rafitry ny lalàmpanorenana. Tao anatin'ny fahanginana no natao ny fitsarana azy  [2]ary mbola tsy mahazo mijery ny antsipirahan'ny raharaha hiampangana azy ny mpisolovavan'i Kuku.

Jalila Khamis Kuku

Nogadrain'ny mpitandro ny filaminana Sodaney  tsy ara-drariny i Jalila Khamis Kuku nanomboka tamin'ny antsasaky ny volana Martsa 2012.

Niantso ho amin'ny fanentanana [3] tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy toy ny Facebook sy ny Twitter ny hetsiky ny tanora “Girifna” (Leo izahay) tamin'ny 8 sy 9 Novambara teo mba hanameloka ny fanagadrana indray an'i Jalila. Amin'ny 14 Novambra hoavy izao no feno valo volana ny fitazomana ity mpikatroka ity.

@girifna [4]: Nikarakara fanentanana tamin'ny alalan'ny sioka ny  GIRIFNA ny Alakamisy-Zoma 9/10 Nov ho fanafahana an'i Jalila, satria feno valo volana amin'ny 14 Nov hoavy izao ny fitazonana azy tany am-ponja izay mbola tsy nisy fotoam-pitsarana #Jalila8Volana

Tao amin'ny Twitter, namaly avy hatrany ny antso ny mpiserasera tao Sodàna sy ny faritra hafa manerana izao tontolo izao ary nisioka sy nitaky ny fanafahana an'i Jalila.

Aliah Khaled nisioka hoe:

@AliahKhaled [5]: #Jalila8Volana #JalilaAfaka, Jalila, mpampianatra mandray fitenenana mba hanameloka ny tsy rariny misy ao amin'ny faritra misy azy, ary mitolona ho an'ny zon'olombelona, tsy tokony any am-ponja ny toerana misy azy

Mpanao gazety Sodaney Reem Shawkat nisioka hoe:

@ReemShawkat [6]: Atolotro ho an'i Jalila Khamis, mpikatroka, renim-pianakaviana sy mpampianatra izay voatazona any am-ponja nanomboka tamin'ny 4 Martsa ny sioka rehetra alefako androany #Sodàna #Jalila8Volana

Dalia Haj-Omer, Sodaney mpikatroka ny zon'olombelona, nisioka hoe:

@daloya [7]: Hoy i Jalila: Nivadika ratsy tanteraka ny fiainan'ireo zanako…mandà tsy hankalaza ny Eid izy ireo raha tsy eo aho, fanindroany izao no tsy teo anilan'izy ireo aho#Jalila8Volana http://tinyurl.com/bqt5lsl

Maro ihany koa ireo hafa namaly ny fanentanana, ka tsy nitsahatra nandefa sioka:

@Sudanesedream [8]: Mpikatroka milamina i Jalila Khamis, iray amin'ireo olona vitsy mitsangana hanohitra ny ady ao #Sudan #Jalila8volana

@Neo0rabie [9]:شهور_يا_جليلة جليلة خميس كوكو ، ذنبها انسانيتها #Jalila8Volana

@Neo0rabie [9]: Jalila Khamis Kuku, ny hatsaram-panahiny no hany fahadisoany

@africathinker [10]: Homelohina ho faty i Jalila Khamis atsy ho atsy raha tsy manao zavatra isika. Ny helony …ny fahasahiany manohitra ny governemanta Sodaney.#Jalila8volana #Nouba

@ReemHajo [11]: fahafahana ho an'i #Jalila8volana izay milaza ny marina, FAHAFAHANA ho an'ny #SODANA malalanay

@Galaxy717 [12]: ننادي بالحرية لمن فقدتها لأنها نادت لغيرها بالحرية وطالبت بحقه ،، فشتان بين من كانت قضيتها وطن وبين من كانت قضيته قبض الثمن #Jalila8Months

@Galaxy717 [12]: Miantso ho amin'ny fanafahana ilay vehivavy nogadraina izahay satria niantso ho amin'ny fahafahana sy ny zon'olombelona izy .. Misy fahasamihafana eo amin'ireo izay mitolona ho an'ny firenena sy ireo izay karamaina mba hijanona amin'ny toerana.

Muzan Alneel nanameloka ny tsy fihetsehan'ny Firenena Mikambana, hoy izy nisioka:

@MuzanAlneel [13]: Ry namana #FM(UN), raha nanome vola fanampiana ho an'i #SudanInECOSOC ianareo, mba nahatsiaro an'i #Darfur? #Jalila8volana? #Shawa? ve ? mba nahatsiaro ny vahoakan'i #Sodàna ve ianareo azafady?

Mampanantena ny “Girifna” fa hanohy hanentana ho an'i Jalila Khamis Kuku.

@girifna [14]: Hotohizanay ny fanentanana ho fanafahana an'i Jalila. Dradradradrao ny feonao ho an'ity vehivavy tandinonin-doza ny fiainany noho ny filazany ny marina #Jalila8Months http://www.girifna.com/7032