Herinandro Fitorahana Bilaogy Ao Maoritania Hanoherana Ny Fitrandrahana Harena An-kibon'ny Tany Ataon'ny Vahiny

Nanomboka hetsika fanentanana mifototra amin'ny “Fanoherana ny fitrandrahan’ireo orinasa vahiny ny harena an-kibon’ny tany” ny andianà mpitoraka bilaogy Maoritaniana tamin’ny voalohan’ny volana Oktobra.

Nataon’ireo mpitoraka bilaogy hizaràna ny heviny mikasika ny olana ateraky ny fitrandrahan’ireo orinasa vahiny, izay noendrikendrehina ho mandroba ny harena an-kibon’ny tany Maoritaniana, ity hetsika ity. Nosantarina tamin’ny fiaraha-mamoaka lahatsoratra aminà fotoana mitovy ity hetsika ity, izay nitohy nandritry ny herinandro.

Nifandray tsara ireo mpitoraka bilaogy nandritra ilay hetsika fanentanana, hatramin’izao fotoana hanoratana ny lahatsoratra izao, dia maro ireo mpitoraka bilaogy nanoratra lisitranà fampahalalam-baovao izay manara-maso ireo fandikan-dalàna nataon’ireo orinasa ireo. Ho fanampin'ireo lahatsoratra anaty bilaogy, nanomboka nampiasa ny Twitter ireo mpitoraka bilaogy, teo ambanin'ny tenifototra #Against looting our minerals (#Manohitra ny fandrobana ny mineralintsika). Niparitaka teo anivon'ireo Maoritaniana mpampiasa Facebook sy Twitter ny vaovao, ny lahatsoratra ary sary famantarana mikasika ilay hetsika fanentanana.

Nirona nankany amin’ny famantarana ny fandikàn-dalàna mifehy ny tontolo iainana ataon'ireo orinasa, sy ny famotehany ny faritra manodidina ireo lahatsoratra mikasika ilay hetsika fanentanana.

Ambonin’izany, nabaribarin’izy ireo ny hakelin’ny isan-jaton’ny tombontsoa omen’ireo orinasa an’i Maoritania, izay raha be indrindra dia 4 isan-jaton’ ny vidin’ny volamena sy varahina notrandrahana. Nazavain’izy ireo ihany koa ny politika fanavakavahana ataon’ireo orinasa vahiny ireo amin’ireo mpiasa Maoritaniana.

Maro ny mpanoratra sy mpanao gazety niombon-kevitra tamin’ireo mpitoraka bilaogy, ka nanoratra lahatsoratra maro hanohanana ny hetsika fanentanana.

Nandray anjara tamin'ity hetsika ity ilay mpitoraka bilaogy Maoritaniana, Sidi Weld Mohamed Lamine ary nanoratra lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Tiako ho velona ny namako”, izay niresahany ny nahafatesan'ny namany noho ireo poizina nampiasain’ireo orinasa ireo. Hoy izy manoratra :

 

Anatinà firenena iray manaja tena izay manome hasina ny ain'ireo mponiny, dia tsy miverin-dàlana amin'ny anjara asany momba ny fiarovana ny firenena, ny zanany, ireo biby, hazo sy harena. Ary raha tsy maintsy hampidina ny toekareny aza izany tsy maninona. Fa tsy maintsy miaro ny olombelona izay miasa eo afovoan'ny volkano matory izay mety hipoaka amin'ny fotoana tsy ampoizina ka handripaka aina tsy misy antra – tahaka ny nitranga tamin'ilay namako maty.

Tsy mampionona ahy ny fandraràna ny cyanide mba hahafahan'ilay zaza tokana navelan'ny namako maty hitombo, izay teraka taorian'ny nahafatesany, ary ho voarahona raha sanatria milalao na mikasika na mifoka ity fitaovan-doza ity izy ka maty tsy tra-drano.

Tsy mampihonona ahy ny famborahako ny marina ambadiky ny fahafatesan'ny namako noho ilay orinasa.

Ary tsy mampionona ahy ny fitomboan'ny vola miditra amin'i Maoritania avy amin'ny varahina sy volamena.

Nirotsaka tao anatin’ilay hetsika fanentanana nataon’ireo mpitoraka bilaogy ihany koa ilay Maoritaniana mpanoratra, Abed Arhman Widadi, ka nanoratra  tao anatin’ny bilaoginy “Raja Elsada” (Ako) mikasika ny vahana nomena ireo orinasa vahiny any Maoritania:

Ny tobim-pitrandrahana any Taziazat sy Akjojet dia vavolombelona mazava ny amin’ny mahasaro-pady ilay loza satria ny 4% n'ny vola azo avy amin'ny varahina sy ny 3% ny volamena ihany no alohan’ireo orinasa ireo [amin’i Maoritania]. Nefa ireo ozinina roa ireo dia mandà ny zon’ireo mpiasany ary mampiasa poizina izay mampitsanga-menatra.

Mahamenatra mihitsy raha efa ho 40 taona taorian'ny nakan’ny fanjakana ny orinasa Miverma izay nanome ny salan’isa tsara indrindra no mitranga izao rehetra izao. Noraisin’i Mokhtar Weld Dadah izany fanapahan-kevitra izany, Andriamanitra anie hamindra fo aminy, na dia mafy aza ny làlana nolalovan’i Maoritania tamin’ny taona fitopolo niampy ny tsy fisian’ny fahaiza-manaon'ny firenena, ary ny fiantraikan'ny fibodoan'ny Frantsay izay nahatezitra nihitatra hatrany amin’ny mety hilàna ny firotsahan’ny miaramila an-tsehatra.

Niresaka momba ny loza napetrak’ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany ao amin’ny tontolo iainana Maoritaniana sy ny fanavakavahana mihatra amin’ireo Maoritaniana miasa ao aminy ny bilaogy  “Alrai El Hor” [Arabo ho an’ny fanehoan-kevitra malalaka]:

Miakatra isan’andro ny feo mangataka ny hanenàna ny fandotoana ny tontolo iainana ataon’ireo orinasa ireo, na ny an’ny mpiasa izay hita eny an-toerana – nisy iray tamin'izy ireo nilaza tamiko ny fanavakavahana atao any. Nilaza izy fa ny mpiasa tandrefana sasany dia manava-tena anaty toerana voaaro tsara raha ny mpiasa teratany kosa alefa anaty kantao (cantons) fotsiny, izay tsy mba misy fiarovana na dia ny kely indrindra aza – na ny an'ireo manam-pahaizana ao amin’io sehatra io, sahala amin’ilay enjeniera teo aloha sady talen'ny fanaraha-maso ny tontolo iainana, Mr.Khalil Weld Ahmed Khlaifa, izay voaroaka rehefa nanambara ireo mety ho voka-dratsy ho an’ny tontolo iainana Maoritaniana.

Nanampy i Sidi Al Tayeb Weld Almujtaba:

Mino ve ny sain-tsika fa olom-pirenena Maoritaniana 500 no maty tany amin’ny faritra avaratra tato anatin'ny dimy taona lasa teo, vokatry ny fisian'ny taratra radiolojika avy amin'ny ataon’ireny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany ireny …Kanefa mbola manohy manitsakitsaka sy mamono tsy misy fanaraha-maso na fanamaizana ihany ireny orinasa ireny.

Na iza na iza olona miangiangy amin’izao dia tsy afaka mijery fotsiny ny fiparitahan’ireo aretina sy homamiadana mahafaty any amin’ireo tanàna avaratra vokatry ny fiparitahan’ireo poizina vy amin’ny singa vaojanahary (rivotra, dilatra, ary mety hahatratra ny tahirin-drano ambanin'ny tany).

Fantatry ny fanjakana Maoritaniana tsara ireo loza mitranga ireo, izay fantatra avy amin'ny anaran’ireo niharan-doza, na maty na velona, hatramin’ny antsipirihan’ny nahatonga ny aretiny, hatramin’ny fandriana nialan’ny ainy. Na eo izany rehetra izany aza dia minia tsy mahita ary mihazona hatrany ny fahanginana izy.

Fihetseham-pon’ny olona ao amin’i Twitter ireto manaraka ireto.

Miampanga ny mpanao politika ho mandray kolikoly avy amin’ireo orinasa vahiny ireo ny mpitoraka bilaogy Abdallah Weld Jeilany:

@AbdallahJeilany: Naneho hevitra momba ny fandroban’ny sasany ny harena Maoritaniana ireo mpanao politika sasany ka niaro azy ity. Manamarina izany amin'ny alalan'ny lalàna izy ireo, izay nolaniany tao ambadiky ny kolikoly maro.

Manakiana ny firaisan’ny haino aman-jery tsikombakomba amin’ireo orinasa ireo i Saifuddin Alchankity:

@Saifuddin: Miandrandra ny fivarotana ny harentsika (amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana), izay azo lazaina hoe (devoly miafina ao amin’ny resaka fampandrosoana) ny haino aman-jerintsika.

Mampitandrina ny amin’ny mety hahalanian’ny harena an-kibon’ny tanin’ny firenena i Taha Alhafedh, mpitoraka bilaogy:

@TahaAlhafedh: Ny olana aty Maoritania dia rehefa hifoha amin’izay ireo mponina dia mety efa ho lany ny harentsika, rehefa niharan’ny fandrobàna diso tafahoatra, ary mandra-pifohan’ny olona, dia manantena aho fa mbola hisy tany ho tavela ho antsika.

Niresaka mikasika ny hakelin’ny tombony azon’ny mponina Maoritaniana avy amin’ny harena an-kibon’ny taniny ihany koa i Alhoussain Weld Amor:

@houmar83: Efa hatramin’ny voalohany no takatsika ny zavatra nambara tamin’ny radio, henontsika ny fankatoavana ilay tetikasa hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany sy ny fahazoan-dàlana, fa hany vintana  azontsika avy amin’izany dia ny fahafatesana.

Niampanga ny filoham-pirenena Maoritaniana ho mandray vola avy amin’ireo orinasa ireo ilay mafàna fo Sheikh Sharif:

@cheikhchrif: Mazava fa ireo orinasa ireo dia tsy afaka mivarotra ireo harena mineraly ireo raha tsy mahazo alàlana avy amin’ny jeneraly, ary mino aho fa tsy maimaimpoana izany fifanarahana izany

Nanoratra i Badereddine Eldari, mpitoraka bilaogy :

@baderdine1: Maoritania: firenena izay manana ny tobim-pitrandrahana volamena faharoa lehibe indrindra eran-tany. Na izany aza, ny mponina eo aminy dia miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka ary any dia ny kolikoly no manjaka.

Nilaza i Nasser El Hashem, mafàna fo iray nifandray tamin’ny hetsika fanentanana:

@n_nasser56: Halatra ny zava-mitranga izao. Afaka vidinao ny fahanginan’ny penina sasany, fa ny dian’ny heloka bevava dia manameloka anao. Ny havoana ety dia vavolombelona miresaka ny heloka nataonareo.

Hita ao amin’ny bilaogy Paparazzi ny tatitra feno momba izay nosoratan’ireo mpitoraka bilaogy Maoritaniana mikasika ny orinasa vahiny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.