“Latinitas,” Mampavitrika Ny Tanora Latina Amin'ny Fampiasana Teknolojia

Soa fa tsy nifarana hatreo ny hevitra tsara rehetra noresahana tany an-dakilasy. Tamin'ny taona 2002, nanomboka namorona gazetiboky mifantoka amin'ny traikefa ananan'ny tanora Latina i Laura Donnelly sy Alicia Rascó nianatra tao amin'ny Oniversiten'i Austin, Texas. Taorian'ny fahavitan'ny fianarana, nanohy nametraka fifandraisana matihanina ilaina amin'ny famoronana ilay fantatra amin'ny anarana hoe Latinitas izy ireo, fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-barotra ao Etazonia izay voatokana hampavitrika ny tanora Latina 9 hatramin'ny 18 taona amin'ny fianarana sy ny fampiasana fampahalalam-baovao ary ny teknolojia . Mampiseho ny iray amin'ireo tetikasany ity lahatsary eto ambany ity.

Eny, mazava ho azy, avoaka hatrany amin'ny aterineto ny gazetiboky izay amin'ny anaran'ny fikambanana, miaraka amin'ireo mpandray anjara manoratra betsaka ao amin'ny votoaty. Ireto manaraka ireto ny asa soratra nataon'ireo tanora tamin'izany:

Tamin'ny 6 Oktobra, tamim-pahombiazana lehibe no nanatontosan'ny Latinitas  ny valandresaka voalohany. Hanne Vang

Latinitas hold their first Annual Conference in Austin Texas. Photo used with permission.

Nanatontosa ny konferansa voalohany isan-taona ny Latinitas tao Austin Texas. Nahazoan-dalana ny famoahana ny sary.

Hansen, mpamoaka lahatsoratra sy mpiandraikitra ny fifandraisan'ny mpikambana —ary koa mpandika teny ao amin'ny Global Voices—nanambara fa tovovavy  maherin'ny 60 izay 9 hatramin'ny 15 taona no nandray anjara tamin'ny atrikasa nokarakaraina tao TechChica: fampahalalam-baovao/tambajotra, bilaogy sy ny podcast (fandraketa-peo), ary koa ny filazan-draharaha ho an'ny daholobe.

Hoy i Hanne nanazava:

A través de estos diferentes medios las niñas crearon campañas sobre problemas sociales en su comunidad con el fin de crear cambios sociales. Entre los temas que eligieron están embarazos de adolescentes, la intimidación (bullying) y la discriminación de los discapacitados. El resultado al final fueron videos con anuncios públicos de servicio social (PSA's) que fueron exhibidos. Durante la conferencia nos dimos cuenta de la conciencia que las niñas tienen sobre cuestiones sociales.

Tamin'ny alalan'ny fampahalalam-baovao isan-karazany, namorona fanentanana mikasika ny olana ara-tsosialy ao amin'ny fiarahamoniny ireo tovovavy, ny tanjona dia ny hametrahana fiovana ara-tsosialy. Anisan'ireo lohahevitra nosafidian'izy ireo tamin'izany: ny fitondrana vohoky ny tanora, ny fandrahonana, sy ny fanavakavahana ireo sembana. Lahatsary ahitana ny vokatra farany niaraka tamin'ny filazan-draharaha ho an'ny daholobe (PSA) tamin'izay naranty. Nandritra ny valandresaka, tsapanay sy hitanay ny fahatsiarovan-tenan'ireo tovovavy mikasika ny olana ara-tsosialy.

Araka ny nambaran'ilay mpitati-baovao Juan González:

El censo proyecta que antes del 2050 una de cada tres personas que viven en Estados Unidos serán de descendientes de latinos y si esta tendencia continúa es muy posible que para fin del siglo XXI la mitad de la población del país trazará no sus orígenes a Europa sino a Latinoamérica.

Ny tombana fanisam-bahoaka 2050 no milaza fa taranaka Latina avokoa ny ampahatelon'ny olona monina ao Etazonia. Raha mitohy izany, angamba amin'ny fiafaran'ny taonjato 21, hilaza ny antsasaky ny mponina ao amin'ity firenena ity fa tsy Eoropa no fiavian'izy ireo fa Amerika Latina.

Mahabe fanantenana ny fanohanan'ny Latinitas ny fanamafisana ny feon'ny tanora Latina, izay ho mpitantana antsika amin'ny hoavy. Fantatr'ity fikambanana tanora marani-tsaina sy tia karokaroka ity tsara fa  na dia eo aza ny fitsaratsarana an-tendrony sy ny fanenjehana, ny fanohizana ny tolona mba hanatanteraka ny nofinofin'ny tsirairay ihany no ahitam-pahombiazana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.