Miaro Ny Aterineto Misokatra : Miray Hina Ireo Mafana Fon'ny Aterineto

categories : privacy,

Ireo mafana fo amin'ny mediam-bahoaka, ireo mpiaro ny zo dizitaly, sy ireo manam-pahaizana amin'ny politikan'ny teknôlôjia avy any Thailand sy Kôlombia hatrany Kenya dia nanao resabe momba ny olana saro-bahana mikasika ny fitantanana ny tontolon'ny Aterineto tato anatin'ny herinandro vitsy lasa teo. Tampon'ny fahalàlana sy teknika araka ny fahenoana azy, ny fitondrana tsara tantana—ny fanaovana lamina eran-tany ho an'ny anjara asan'ny Aterineto sy ny politikany—dia ivon'ny fihazonana ny fisokafana sy ny fahalavorariana ara-teknika ao amin'ny tontolon'ny Aterineto.

Maninona no toa mahoraka be ankehitriny? Tamin'ny valan-dresaky ny zana-tsampan'ny International Telecommunication Union (ITU), ao amin'ny Firenena Mikambana, izay ho tanterahina amin'ny Desambra dia hanapa-kevitra ireo mpikambana ao raha tokony hanitatra ny fahefany fampanarahan-dalàna any amin'ireo faritry ny fitantanana ny Aterineto na tsia ny ITU.

David Westerfield. “Labeled for reuse”.

 

Fampahalalana: Ara-tantara ny ITU dia natokana hametrahana ireo lamina ara-teknika ho an'ny fiaraha-miasan'ireo fifandraisana iraisam-pirenena, radio, sy ireo fotodrafitrasa mampiasa zanabolana, ho fanampin'ny fanandratana ny fidirana amin'ireo ICT. Nefa nisy sasany tamin'ireo firenena mpikambana no nanome soso-kevitra ny hanitarana ny fifaneken'ny ITU handrakotra ireo olana mikasika ny politikan'ny Aterineto—ireo antotan-taratasy mikasika ireo fifanekena tafavoaka aty ivelany isan'izany ireo soso-kevitra mikasika ny fampanarahan-dalàna eran-tany izay mety hametraka fepetra eo amin'ny tsiambaratelo anaty aterineto, ny fahalalahana miteny, ny fidirana amin'ny fampahalalam-baovao sy ny fampiasàna ICT manerana ny tany.

 

Rahona ho an'ny fisokafana: Maro ireo feo ao anatin'ny fiarahamonim-bahoaka iraisam-pirenena no manahy fa mety hahatonga ity fotoana ity ho feno olana ho an'ny tontolon'ny Aterineto ny tsy fahampian'ny fandinihan'ireo mpikambana anatin'ny ITU an'ireo olana anatin'ny Aterineto sy ny fanapahan-kevitra tery sady tsy mangaraharaha ataon'ilay masoivoho. Mandray fepetra mikasika io valan-dresaka io ireo mpisolovava amin'ny alalan'ny fandinihana akaiky ireo soso-kevitra tafavoaka aty ivelany, fampandraisana anjara amin'ny fakàna ny hevitry ny vahoaka eo amin'ny firenena momba io olana io, na ny fitsikerana ao amin'ireo sehatra fiadian-kevitra anaty aterineto.

Sarintanin'ny fifamoivoizan'ny Aterineto an'i Joana Breidenback CC-BY

Mandraisa anjara: Misy tetikasa roa vaovao mamela ireo vondrona fiarahamonim-bahoaka sy ireo olon-tsotra hanohana mivantana ny fandaharan'asa mikasika ny fitantanana ny tontolon'ny Aterineto izay manao ho laharam-pahamehana ny fisokafana sy ny fahalavorariana ara-teknika.

 

Misy fiombonan'ireo vondrona mpiaro ny zo dizitaly (Access, CDT, Fight for the Future, Free Press, ary OpenMedia) namoaka karazana fanangonan-tsonia “fanambarana firaisana” misokatra ho soniavin'ny olona tsirairay na vondrom-piarahamonin'olom-pirenena na iza izy na iza (fikambanana tsy ikarohana tombontsoa, tsy miankina amin'ny governemanta). Manome karazana fomba hanohizana ny fandalinana/hisoloana vava momba io olana io ihany koa ilay sehatra. Vakio ilay fanambarana ary soniavo eto.

 

Nihaona tany Azerbaijan ireo mpiaro ny zo dizitaly sy ireo manam-pahaizana mikasika ny fitantanana ny Aterineto ny herinandro lasa teo, nialoha indrindra ilay Sehatra Fiadian-kevitra Mikasika Ny Fitantanana Ny Aterineto eran-tany, izay tohanan'ny Firenena Mikambana, hiresahana mikasika ny fandrindrana sy ireo paikady fisoloana vava hanatsaràna ny politikan'ny Aterineto  amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Nandritra ny fihaonana, antsoina hoe “Best Bits,” ireo vondrona dia namolavola fanambarana iray izay manasongadina ny tsy fahampian'ny fisokafana sy ny mangarahara anatin'ny dingan'ny ITU ary ireo fiantraikany ratsy eo amin'ny zon'olombelona amin'ireo fanovàna natolotra tao anatin'ny fifanekena. Afaka mandray anjara anatin'ilay fanambarana eto ny vondron'olona na olon-tsotra na iza iza izy na iza.

 

Manan-danja avokoa ny feo rehetra: mpikambana ao amin'ny fanjakana miisa 193 no mandrafitra ny ITU – saika ny firenena rehetra erak'izao tontolo izao no tafiditra ao, ary tsy maintsy fanapahan-kevitra iraisana amin'ny alalan'ny fifanekena no raisin'ireo mpikambana rehetra. Mitovy saranga ny firenena rehetra anatin'ity dingana ity – midika izany fa afaka manana fahefana eo amin'io dingana io avokoa ny vahoaka anatinà firenena iray amin'ny alalan'ny fandraisana anjara anatin'ireo fandinihan'ny vahoaka, fanangonan-tsonia, na ny firesahana amin'ireo mpitondra ny governemanta mba handrenesana ny ahiahiny. Manana pejy loharano ny Internet Society (Fiarahamonin'ny Aterineto) izay ahafahan'ny rehetra mandinika ny zavatra mitranga amin'ny fireneny sy ny fomba handraisany anjara.

 

Afaka mahafantatra bebe kokoa momba ilay valan-dresaky ny ITU ireo mpamaky amin'ny alalan'ny fitsidihana ireo pejy loharano nosoratan'ny Center for Democracy & Technology, Access Now, sy ny Internet Society.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.