Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ginea-Bisao: Fahadisoam-panantenana Sy Tsy Fitokisan'ny Mponina Manoloana Ny Korontana

Tamin'ny 21 Oktobra 21, loza mahatsiravina no niseho tao amin'ny tobin-tafika an-habakabaka ao ivelan'i Bisao, renivohitry ny firenena kely Afrikanina-Andrefana ao Ginea-Bisao. Olona enina no fantatra fa namoy ny ainy, ary niely manerana ny aterineto ireo sary mampihoro-koditra ahitana ny fatin'ireo olona voalaza fa nanafika.

Ny ampitson'ny loza, nisy naka an-keriny sy nidaroka ireo mpanao politika roa mpitsikera ny governemantan'ny tetezamita sy ny miaramila ao amin'ny firenena. (Tonga teo amin'ny fahefana ny governemantan'ny tetezamita taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tamin'ny fiandohan'ity taona ity .)

Niseho ny herisetra raha mbola ao anatin'ny toe-draharaha feno fisalasalana momba ny tetezamita nifampiraharahana amin'ny Vondro-piarahamonina Ara-toekarenan'ny Firenena Afrikana Andrefana (ECOWAS na CEDEAO). (Vaovao fanampiny- jereo ny Antonta-kevitry ny Vondrona Iraisam-pirenena Misahana ny Krizy “Mihoatra Ny Miady Ho Lohany”).

 

Tsy nisalasala fitondrana tetezamita nilaza ny zava-nitranga ho – fikasana hanongam-panjakana – nataona manamboninahitra miaramila taloha, Pansau N'Tchama sy ny fitsabahan'i Portiogaly. Nozarain'ireo mpandrindra ny pejin'ny Hopitalim-pirenena Simão Mendes ity sary nandritra ny fisamborana azy ity, izay ahitana azy mirakotra saina Portiogey sy miaraka amin'ny tady manodidina ny tenda. Narakitr'i  tamin'ny lahatsary ny famindrana manala-baraka an'i N'Tchama tao Bissau, taorian'ny fisamborana azy tao amin'ny nosy Bijagós.

Sarotra ny nanazava ny toe-draharaha ao an-toerana, indrindra ho an'ny fampahalalam-baovao Amerikana-tavaratra, izay namoaka indray ny tantara fandre fa firenena mivelona amin'ny zava-mahadomelina i Ginea-Bisao.

Fahadisoam-panantenana sy fisalasalana

Raha naneho ny ” ahiahiny” sy nikarakara fivoriana ny Rafitra iraisam-pirenena – AU (Vondrona Afrikanina), ny Firenena Mikambana sy ny ECOWAS, tsy mba nasian-dresaka ny ahiahy sy ny fahadisoam-panantenana eo amin'ny mponina ao Ginea-Bisao:

"Symbolic burning of arms following Guinea-Bissau's civil war: Reform of the country's military remains vital for achieving political stability." UN Photo / Tim McKulka shared on Flickr by Africa Renewal (CC BY-NC-SA 2.0)

“Fandoroana an'ohatra ireo fitaovam-piadiana taorian'ny ady an-trano tao Ginea-Bissau: Zava-dehibe amin'ny fanatratrarana ny tanjona ara-politika ny fanavaozana ny tafika ao amin'ny firenena.”
Sarin'ny Firenena Mikambana / Tim McKulka nozaraina tao amin'ny Flickr, Africa Renewal (CC BY-NC-SA 2.0)

 

No caso da Guiné-Bissau, se não houvesse, ou se não houver Forças Armadas, haverá sempre outras “FORÇAS”, que estarão sempre armadas, com ou sem uniforme, ao serviço de quem se julga legitimado pelo poder. Não, a democracia na Guiné-Bissau, ainda não está preparada suficientemente, para “dispensar” quer seja o serviço das Forças Armadas Republicanas, quer de outras “FORÇAS” armadas que representam a salvaguarda dos interesses e do poder que políticos e governantes julgam pertencer-lhes pela legitimação através do voto popular.

Mikasika an'i Ginea Bisao, na dia tsy misy mpitandro ny filaminana aza, misy foana ny “HERY” hafa, izay hitam-piadiana, na manao fanamiana na tsia, mba hanompo ireo izay mihevitra fa nahazo fankatoavana avy amin'ny fahefana. Tsia, mbola tsy matotra mihitsy ny demokrasia ao Ginea Bisao ka ho tsara antok'ireo mpitandro ny filaminana  Repoblikana na “HERY” hafa misolo-tena amin'ny fiarovana ny tombotsoan'ny eo amin'ny fahefana sy ireo mpanao politika mihevitra ho tompony noho ny safidim-bahoaka tamin'ny fifidianana.

Tsy sendrasendra ny nizaran'ireo Gineana ilay hira “Nkana Medi” Tsy matahotra ([Izahay) tamin'ny aterineto, hiran'i Masta Tito, mpiangaly rapy Gineana [Pt] izay mazava tsara ny fitakiany momba ny fanavaozana ny tafika. Lahatsoratra [pt] nosoratan'ilay mpahay fiarahamonina (sosialogy)  Miguel Barros momba an'i Buala, nandika ny ampahany tamin'ny tononkira:

No ka na medi (…) / no karmusa no kansa / gosi i pa kada kin mara si kalsa / anós tudu i guiniensi / (…) bo gosta ó bo ka gosta n ka na para kanta pa nha povu [Nós não temos medo / Cansámo-nos de nos pavonear / Agora que cada um amarre as calças / Somos todos guineenses / (…) [Gostem] ou não [gostem], não vou parar de cantar para o meu povo] (Masta Tito, Nka Na Medi, registo sonoro, Bissau, 2012)

Tsy matahotra izahay / Reraka izahay ‘mifanandrina’ / Ankehitriny, samy mamatotra ny fehikibony isika tsirairay/ Gineana avokoa isika rehetra / (…) Na tianao na tsy tianao, Tsy hitsahatra hihira ho an'ny vahoakako aho

Herinandro taorian'ny herisetra feno rà-mandrika, nahazoana loharanom-baovao sy fanadihadiana ilay bilaogera sy mpanao gazety Aly Silva. Nitatitra ny Vaomiera Afrikanina Mpiaro ny Mpanao gazety fa norahonan'ny tafika i Aly Silva ka voatery niafina, ary voatery nandao ny firenena kosa ilay mpiasan'ny fampahalalam-baovao-panjakana Portigey noho ny baiko ofisialy avy amin'ny governemantan'ny tetezamita.

Aly Silva nanohy nanoratra [pt] tamin'ny fomba feno fihantsiana tao amin'ny bilaoginy, nilaza izy fa nahazo mpijery 5 tapitrisa

Olho e registo tudo. Depois escrevo, na certeza de que alguém me vai ler e comungar dos mesmos sentimentos. O meu blogue, tem sido acessado diariamente por milhares de pessoas. Ficará para a estatística. Teria preferido uma visita por dia, a ter de suportar milhares de pares de olhos tristes e enevoados: estão a matar-nos, estão a destruir as famílias, a tornar as crianças violentas.

Nijery sy nandrakitra zavatra aho. Avy eo, nanoratra tamim-pahatokisana aho fa hisy olona hamaky sy hizara fihetseham-po tahaka izany koa avy eo. Olona an'arivony no mitsidika ny bilaogiko isan'andro. Tarehimarika fotsiny ihany izany. Tiako raha nanana mpitsidika iray isan'andro aho, fa tsy miatrika olona an'arivony malahelo sy bongo maso: mamono antsika izy ireo, mamotika ny fianakaviantsika izy ireo, mitarika ny ankizy hahery setra [izy ireo] .

Tao amin'ny bilaoginy “Ditadura do Consenso” dia namoaka lahatsoratra nosoratana lehilahy vahiny izay nangataka mba tsy holazaina ny anarany [pt] noho ny tahotra i Aly Silva - karazana “Oscars” ho an'ny zava-bita tsara indrindra vitan'ny mpanao politika sy ny miaramila, ary fanadihadiana mahatsikaiky sy mampalahelo momba ny toe-draharaha.

Tao amin'ny bilaogy Domadora de Camalões, bilaogera Helena Ferro de Gouveia namoaka lahatsoratra “Mandriaka (indray) ny rà ao amin'ny araben'i Bisao” [pt] [tandremo: mampihoro-koditra ny sary]

Os guineenses são pessoas e não uma abstração, ou uns “gajos habituados à violência”, num país tropical. Os guineenses merecem qualquer coisa chamada dignidade. Correndo o risco de me repetir: o mundo devia vir com uma errata.

Vahoaka ny Gineana fa tsy hoe tsy misy dikany, na “olona zatra herisetra”,ao amin'ny firenena tropikaly. Mendrika izay rehetra antsoina hoe fahamendrehana ny Gineana. Mba tsy hisian'ny fiverimberenana: ahitana fahadisoana foana izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.