Fankalazana Ny Andron'i Malala Sy Fanangonan-Tsonia An'Arivony Hahazoany Loka Nobel

15 taona i Malala Yousafzai nisy nitaifitra tamin'ny 9 Oktobra 2012 ary mpikambana ao amin'ny TTP (Tahreek-e-Taliban Pakistan) [Hetsika Taliban Pakistan] no nanao izany satria mpikatroka tsy matahotra miady ho amin'ny fanabeazana ny zazavavy any Swat izy. Miha-miverina tsikelikely ho toy ny tanora zazavavy mitovy taona aminy ny fiainan'i Malala. Tsy mbola tena afa-doza tanteraka izy, ary mbola miandry elaela vao tena sitrana soa aman-tsara.

Fanangonan-tsonia hahazoany Loka Nobel Fandriampahalemana

Nisy fanangonan-tsonia napetraky ny vehivavy Pakistani-Britanika iray monina any Birmingham, antsoina hoe Shaida Choudry, mba hanendrena an'i Malala Yousufzai hifaninana ho amin'ny Loka Nobel. Azo tontosaina tsara ny fanendrena an'i Malala hifaninana hahazo ny loka Nobel raha liana amin'izany ny ‘mpanao politika nasionaly’. Tian'i Shaida Choudry handroso ho amin'izany adidy izany ry William Hague, David Cameron, Nick Clegg ary Ed Miliband.

Hatramin'izao dia an'hetsiny ny olona nanasonia ho amin'izany. Nohazavaina mazava tsara ny antony tsy maintsy ampisehoana amin'i Malala ny loka Nobel:

A Nobel Peace Prize for Malala will send a clear message that the world is watching and will support those who stand up for gender equality and universal human rights, including the right to education for girls.

Ny loka Nobel Fandriampahalemana ho an'i Malala dia fandefasana hafatra miharihary fa mijery izao tontolo izao ary manohana ireo mijoro ho amin'ny miralenta sy ny fiarovana ny zon'olombelona manerana izao rehetra izao, ka tafiditra amin'izany ny zon'ny zazavavy hianatra.

Efa nifampizaran'olona mihoatra ny dimy arivo ao amin'ny twitter ny tenifototra #Malala. Olona manodidina ny sivinjato kosa no efa nifampizara ny tenifototra #Nobel4Malala tao anatin'ny sivy andro monja. Manoratra toy izao ho antony nandraisany anjara tamin'ny fanangona-tsonia i Farina Alam:

…Malala gives me hope

Manome ahy ny fanantenana i Malala

Stephen Furlong maneho ny heviny:

“Such bravery and belief at such a young age should be recognised and serve as an inspiration and as a beacon of hope to people young and old across the world”

“Tokony hankasitrahana sy ampiasaina ho fakana aingam-panahy sy ho [jirobe] tsirim-panantenana ho an'ny tanora sy ny antitra manerantany izao fahasahiana sy finoana ananana tanora iray tahaka izao”

 

Fankalazana ny Andron'i Malala

Nanao fanambarana ny Firenena Mikambana hankalaza ny 10 Novambra (Asabotsy) ho Andron'i Malala. Olona manerana izao tontolo no midera an'i Malala ho jiroben'ny zazavavy 32 tapitrisa tsy afaka mandeha any an-tsekoly. Tany Pakistan, notontosaina tany Islamabad, Lahore, ary Karachi ny fihetsiketsehana fanohanana an'i Malala. Firenena mihoatra ny 100 manerantany no hankalazàna io andro io.

Saingy any amin'ny tanindrazan'i Malala, tsy azo tontosaina ny hetsika ankalamanjàna noho ny fanahiana hisian'ny fanafihan'ny mpampihorohoro.

Tonga tany Pakistan tamin'ny Zoma (9 Novambra) ny iraka manokan'ny Firenena Mikambana misahana ny fitomboan'ny fanabeazana manerantany, Atoa Gordon Brown hiresaka momba ny fanabeazana ny zazavavy any Pakistan. Nilaza izy tao amin'ny AFP fa tsy ho afaky ny hiroborobo ny firenena raha 2%n'ny tetibola ankapobeny ihany no laniana amin'ny fanabeazana. Mbola maro ny zavatra tsy maintsy atao hampiova izany toe-draharaha mampahonena izany.

Nankalaza tamin'ny fomba ofisialy ny Andron'i Malala tao amin'ny foibe politikany antsoina hoe siy-zero ny ao amin'ny MQM (Muttahida Quami Movement) [Hetsika Firenena Miray]:

MQM celebrating Malala Day

MQM mankalaza ny Andron'i Malala. Hita Twitter @SahilMQM

Kainat – ilay naman'i Malala niaraka taminy tamin'ny fotoana nisian'ny fanafihana- nilaza fa mbola mihorohoro sy mitomany hatrany isaky ny mitamberina ao an-tsainy ilay tranga. Indrisy moa fa tsy nisy fankalazana notontosaina tany Swat noho ny mety isian'ny fandrahonan'ny mpampihorohoro.

Ho fanehoam-pitiavana an'i Malala, zazavavy 11 taona, antsoina hoe Bushra Siddique, nanoratra izao tao amin'ny blaoginy:

In my view Malala is the ray of light and hope for Pakistan. May Allah Save Her!

Amin'ny fijeriko, tara-pahazavana sy fanantenana ho an'i Pakistan i malala. Hiaro azy anie i Allah

Setriny Twitter

Salman Ahmed nisioka:

@sufisal: “Educating the mind without educating the heart is no education at all.” ― Aristotle#Malala Day

“Fampianarana ny saina tsy misy fampianarana ny fo dia tsy fampianarana mihitsy” Aristote

Nisioka i Somuya Singh:

@soumyasinghs#Pakistan marks Malala Day.. Poor#children will get cash if they'll attend school… Just hope they actually go nd#learn something..

Manamarika ny Andron'i Malala i Pakistan.. Handray vola ny ankizy mahantra raha tonga any an-tsekoly… Mino fotsiny fa handeha sy hisy zavatra ianarana ry zareo..

Ali Salman Alvi miresaka momba ny fiarovan-tenan'ny mpampihorohoro miezaka ny manakely lanjan'ny hetsika nataon'i Malala:

@alisalmanalvi: On social media it was Malala vs Al-Qaeda & Co (its apologists) on Malala Day. #Pakistan

Eo amin'ny tambajotra an-tserasera dia fifanandrinan'i Malala amin'ny Al-Qaeda sy ny tariny (mpiaro azy) no misy mandritra ny Andron'i Malala. #Pakistan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.