Rosia: Manao Faminaniana Momba ny Vaomieram-Pandrindrana Ny Fifidianana

Araka ny efa fantatr'ireo mpamaky ny RuNet Echo, tamin'ny [volana lasa teo] no nifidianana ny Vaomiera Mpandrindra, ary efa tafavory tamin'ny alalan'ny pejy Facebook ireo mpikambana ary niampy fihaonana mivantana izany. Herinandro maromaro talohan'ny fifidianana, nanolotra faminavinàna [fr] nifototra tamin'ny fampilaharan'ilay bilaogera Yandex bilaogera mpanoratra ny Global Voices. Taorian'ny nampahafantaranay izany tombana mialoha izany, nanaiky ny fisian'ireo kandidà 60 hafa nirotsaka hofidiana tao anatin'ny minitra farany ny mpanohitra tao anatin'ny Vaomieran'ny fifidianana. Nampiana tao amin'ny fampilaharan'ilay bilaogerantsika ireo olona ireo, ary hita eto amin'ny rakitra nohavaozina etsy ambany.

Raha bangoina, nahita ireo mpandresy tamin'ny fifidianana ankapobeny lehibe indrindra ao amin'ny sokajin'ny sivily(toerana 17 amin'ny 30) ny fampilaharana nataon'ilay bilaogera

Manontany tena izahay hoe ahoana no ampitahana ity fomba faminavinàna mialoha ity amin'ny fomba faminavinàna hafa, ka dia nandahatra ny 30-tsara isa indrindra tamin'ny adihevitra nataon'ny isaky ny kandidà izahay, izay nalefa tao amin'ny TV Rain talohan'ny fifidianana. Nahitana 66,7% n'ireo nandresy indrindra tamin'ny fifidianana ireo olona 30 ireo. Raha ny filazana hafa, dia ny fahaizana niady hevitra no nahita folo isan-jato ambonin'ny hitan'ny bilaogy ho kandidà malaza.

Raha jerena moa fa ny hitsapana ny ambaindain'ny asan'ny mpiserasera no nampiasana ny fampilaharana nataon'ny bilaogera Yandex, tsara ny milaza fa ny maro amin'ny mpandresy izay hitsy hitan'ny bilaogera dia mbola olona malaza an-tserasera [amin'ny aterineto] ihany koa. Dmitri Bykov, Garry Kasparov, ary Filipp Dziadko – raha hanonona ny vitsy – dia misahana ny vondro-piaraha-monina LiveJournal iray manontolo, mikarakara ny vavahadin-tseraserany manokana, ary manitsy ireo gazety-boky izay manana habaka be mpitsidika. Satria tsy manoratra bilaogy manokana izy ireo, saingy, tsy afa-mamantatra ny heriny an-tserasera ny fampilaharan'i Yandex. Fa mila marihana manokana ny fitovitoviam-pahamarinana eo amin'ny fampilaharana nataon'ilay bilaogera sy ny fanombanana natao tamin'ny fahaiza-miady hevitra satria ny avy amin'ny adi-hevitra dia avy amin'ny fanomezana isa nataon'ireo mpifidy voasoratra ao amin'ny Vaomiera Mpandrindra ny Fifidianana irery ihany. (izay midika fa ireo olona nifidy nandritra ny fifidianana tena izy dia efa tompon'aindraikitra tamin'ny fampilaharana ireo kandidà tao amin'ny adi-hevitra)

Mba tsy hiandrasana ela intsony, indro ny fampitahana ireo vokatra farany tamin'ny fifidianana, ny faminavinàna nataon'ilay bilaogera, ary ny an'ireo nandahatra araka ny fahaiza-miady hevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.