Iran: Famoretana Ireo Bilaogera Iraniana

Miatrika famoretana mamaivay indray ny bilaogera Iraniana, efa maro tamin'ireo bilaogera no niditra am-ponja, ary tamina trangan-javatra miavaka, novonoin'ireo mpitandro ny filaminana ny vadina bilaogera iray. Toa hita fa mitombo ny herisetra fanaon'ny fitondrana.

Atahorana ny aina

Tranokalam-baovao maromaro no nitatitra [fa] fa atahorana ny ain'ilay bilaogera any am-ponja, Hossein Ronaghi Maleki. Niharatsy ny fahasalamany ka nafindra efitra manokana izy. Marary ny tsy fahampian'ny fiasan'ny voa izy ary tsy avelan'ny mpitandro ny filaminana hahazo ny fitsaboana ilaina.

Nosamborina niaraka tamin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo hafa maromaro tao amin'ny faritany Azarbaijan Atsinanana i Hossein.

Hossein Ronaghi Maleki, Bilaogera

Vadina bilaogera vonoin'ny polisy

Mohmmad Esmailzadeh, blogger and political activist. Source: Botimar blog

Mohmmad Esmailzadeh, blilaogera sy mpikatroka ara-politika. Loharano: Bilaogy Botimar

Nitatitra [fa] ny tranokalam-baovao iray tamin'ny fiandohan'ny volana Septambra 2012 fa i Katayoun Bahrami, vadina bilaogera sy mpikatroka ara-politika Mohammad Esmailzadeh, no novonoin'ny lehiben'ny polisy tao an-tanànan'i Babol, ao avaratry ny firenena, raha nitaraina mikasika ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana izy.

Mpanoratra bilaogy momba ny kolontsaina Botimar, i  Esmailzadeh ary reformista ihany koa izy. Nosamborina izy taorian'ny fifidianana filoham-pirenena nahabe adihevitra tamin'ny taona 2009 ary nampidirina am-ponja nandritra ny 90 andro. Mbola tonga nitady ny trano fonenany foana ny mpitandro ny filaminana, ary tsy nitsahatra nanao sava hao ny tranony sy nihazona ireo entany manokana.

Tsy misy anenenana

Shiva Nazar Ahari, bilaogera sy mpikatroka ny zon'olombelona, nalefa any am-ponja mba hamita ny saziny efa-taona an-tranomaizina tamin'ny Septambra 2012. Voaheloka ho “nanaratsy endrika ny governemanta Islamika” izy, sy “nanao famoriam-bahoaka ho fanoherana ny governemanta Islamka”, ary “fanakorontanana ny filaminam-bahoaka” tamin'ny Septambra 2010.

Ny esoeso tamin'ny tantaran'i Nazar Ahari dia nahatsapa ho manam-bitana kokoa izy satria sazy efa-taona an-tranomaizina “ihany” no mba azony taorian'ny nahafahana azy madiodio tamin'izy voarohirohy ho “Mihantsy Ady Amin'Andriamanitra“, heloka izay mety nahazoany sazy farany henjana indrindra (fanamelohana ho faty).

Efa imbetsaka i Shiva no nogadraina saingy nilaza izy fa tsy nanenenany mihitsy ny zavatra nataony. Amin'ity tantara fohy ity, nanao fanambarana izy taorian'ny fanafahana azy tany am-ponja, nilaza izy fa vonona hijanona any Iran na inon-kidona na inon-kihatra. Nilaza izy fa misy fiantraikany bebe kokoa ny zavatra ataony.

Tsaho sa tena marina?

Sombim-baovao tamin'ny taon-dasa, mikasika ny fiarovana ny bilaogera, no nanaitra ny sain'ireo bilaogera maromaro. Nitatitra momba izany ny tranokalam-baovao Mashreg ao Iran fa bilaogera antsoina hoe “Shayegan Esfandyari” (angamba solon'anarana) no nosamborina tao atsimon'ny tanàna Bandar Abbas.

Voampanga ho nanevateva manam-pahefana Islamo sy Iraniana izy, sy nifandray tamin'ny fampahalalam-baovao vahiny. Mbola tsy nanamarina izany vaovao izany anefa ny manampahefana Iraniana na ny fikambanana miaro ny zon'olombelona.

Manoratra matetika ao amin'ny bilaogy Gameron i Shayegan, izay lazainy mialoha fa fakan-tahaka maneso (parodie) ny ankamaroan'ny lahatsoratra soratany ao ary tsy misy zavatra masina be loatra izay tokony hotsikeraina.

Tao amin'ny tranokala Iraniana, Balatarin bilaogera maromaro nanoratra fa amin'izao fotoana izao, tsy dia mazoto manoratra ny bilaogera ary noho ny antony ara-teknika na manokana no anton'izany… Vao haingana, nisy fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny pejy Facebook-ny izay toa tsy hevitra avy amin'ilay bilaogera mihitsy. Tonga ny ahiahy: nosamborina izy tamin'ny taon-dasa ary angamba nampiasain'ny mpitandro ny filaminana an-kosoka ny kaontiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.