- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbabwe : Tenifototra #263Chat Hiadian-kevitra Momba Ny Olana Misy Ankehitriny

Sokajy: Afrika Mainty, Zimbaboe, Fampandrosoana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Bilaogera zimbabweana, Sir Nigel [1], nampahafantatra tao amin'ny bilaogy mikasika ny tenifototra #263Chat, izay karazana resaka mivantana na karajia amin'ny aterineto fanao isan-kerinandro ao amin'ny Twitter mba ahafahan'ireo Zimbabweana miresaka momba ny olana lehibe atrehin'ny firenena :

Tamin'ity taona ity, nampandroso hevitra ny amin'ny tokony hikarakarantsika adihevitra tsy ofisialy amin'ny Twitter aho mba hiresahana momba ny firenena mamintsika : Zimbabwe. Adihevitra mikasika ny lasa mahaliana sy ny hoavin'i Zimbabwe no resahina, ary hasongadina indrindra amin'izany ny soso-kevitra momba ny vahaolana mahomby amin'ny hoavy. Nieritreritra aho fa ny fahitana ny tena olana ankehitriny no hibahana 25% amin'ny adihevitra.

Noforonina ny tenifototra #263Chat mba ahafahana mifantoka amin'ireo zavatra hafa 75%, izay zava-dehibe avokoa. Antenaiko fa mila vahaolana ao an-toerana ny fanamby ao amin'ny faritra. Mahafinaritra tokoa ny hoe ny crowdsourcing [fandraisana anjaran'ny besinimaro] sy ny #263Chat no natao mba ahafahana manatontosa izany. Antenaiko indrindra ihany koa fa afaka mandray anjara mavitrika amin'ny fampandrosoana an'i Zimbabwe ireo Zimbabweana am-pielezana sy ireo monina ao amin'ny firenena. Miresaka momba ireo olana no dingana voalohany.