- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miady Amin'ny Herisetra Amin'ny Fanatanjahantena i Ekoatera

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

‘Fanatanjahantena Tsy misy Herisetra ao Guayaquil’ [1] no anaran'ilay fanentanana vaovao izay antenaina fa hanafoana ny herisetra amin'ny lalao baolina kitra sy eny an-kianja, taorian'ny fifandonana tamin'ny 4 Novambra teo amin'ny mpanohana an'i Barcelona [2] sy Emelec [3] (ekipa roa matihaninana amin'ny lalao baolina kitra sy mpandray anjara tamin'ny “Shipyard Derby [4]“), namoy ny ainy i George Murillo León,20 taona.

Samy nitatitra izany fifandonana izany avokoa ny fampahalalam-baovao tao an-toerana sy ny tany ivelany. Tamin'ny fitantarana tao amin'ny aterineto, nanome ny antsipirihany momba ny loza ny El Universo [5] [es]: “Tafiditra teo amin'ny handrina ny bala, izay nivoaka taorian'ny loha ka niteraka ratra be, voalaza fa mpanohana an'i Emelec no nitifitra, niteraka fahasimban'ny atidohany tanteraka izany araka ny loharanom-baovao tany amin'ny hopitaly Luis Vernaza,izay nitondràna azy tany amin'ny 11:30 ora tany.”

Nanoratra momba ny loza ihany koa ny Fox Sports [6] [es] tao amin'ny tranonkalany, nampahatsiahy fa “fahafatesana faharoa ity tao anatin'izay taona vitsy izay noho ny herisetra amin'ny lalao baolina kitra ao Ekoatera, namoy ny ainy ohatra i Carlos Cedeñono, 12 taona tamin'ny taona 2007 satria tratran'ny afomanga.”

Miara-miasa ny solontenan'ny Ministeran'ny Atitany, ny Minisiteran'ny Fanatanjahantena, Federasiona Baolina Kitra Ekoateriana (FEF amin'ny teny Espainola), ny Antenimieram-pirenena, ary ny ekipa Emelec sy Barcelona mba hanohitra ny herisetra ataon'ireo mpankafy sy mpanohana ireo ekipa mpilalao baolina kitra amin'ny fizarana voalohany. Taorian'ny fahavitan'ny fifanekena, namoaka ny “Didy Folo ho Fanoherana ny Herisetra amin'ny Lalao Baolina Kitra” [7] [es] izy ireo tao amin'ny habaky ny Minisiteran'ny Atitany.

Hinchas del Barcelona [8]

Mpanohana an'i Barcelona, sary: José Luis Merizalde Alcívar tao amin'ny Flickr (CC BY-NC 2.0)

[Fanamarihan'ny mpandika: amin'ny teny Espainola avokoa ny rohy rehetra ao amin'ny Twitter]

Tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy, ny tenifototra #NoMasViolencia [9] no nampiasaina, naneho ny ahiahiny manoloana ny herisetra amin'ny fanatanjahantena ny olona manerana ny firenena.

Mpankafy lalao baolina kitra, tahaka an'i @michael_cse [10] sy @Sandtolo [11], nandà ny hetraketraka sy ny herisetra:

@michael_cse [10]: Por pasión al equipo no solo matas a un ciudadano MATAS A UNA FAMILIA y enlutas al país #NoMasViolencia [12] #HagamosLaDiferencia [13]..

@michael_cse [10]: Noho ny fitiavana ekipa, tsy olom-pirenena iray ihany no vonoinao, fa MAMONO FIANAKAVIANA koa ianao ka mahatonga ny firenena hisaona

@Sandtolo [14]: Yo repudio la violencia en todas sus formas, la violencia sólo viene del despotismo y el egocentrismo 🙂 #nomasviolencia [9]

@Sandtolo [14]: Manameloka ny herisetra amin'ny endriny rehetra aho, avy amin'ny jado-panjakana sy ny fitiavan-tena ihany ny herisetra

Fihetseham-po tahaka izany ihany, mpisera Twitter @ANDRESL9 [15] nilaza hoe:

@ANDRESL9 [16]: El futbol es una fiesta que debemos vivirla en Paz. #nomasviolencia [9] en los estadios. Denuncia a los violentos

@ANDRESL9 [16]: Mahafinaritra ny lalao Baolina Kitra ka tokony hankafizintsika am-pilaminana. #nomasviolencia [9] [tsy misy herisetra intsony] eny amin'ny kianja. Melohy ny herisetran'ny olona

Rafael Correa, filohan'i Ekoatera (@MashiRafael [17]), naneho hevitra momba ny loza niseho ihany koa tao amin'ny kaonty Twitter-ny:

@MashiRafael [18]:…fútbol y la muerte del hincha amarillo George Murillo. Semana intensa para consensuar candidatura a proclamarse en convención…

@MashiRafael [18]: Lalao Baolina Kitra sy ny fahafatesan'ilay mpanohana an'i Barcelona, George Murillo. Herinandro lehibe hanaovana fifanarahana amin'ny tokony atao izay hambara amin'ny fifanekena

Hinchas de Emelec [19]

Mpanohana an'i Emelec, sarin'i Eduardo Ochoa Gutiérrez tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0)

Manantena ny manampahefana sy ny vahoaka fa hipaka hatrany an-tsekoly, ny faritra manodidina, ary koa ny hopitaly sy ny toeram-pitsaboana tsy miankina ny hevi-baovao tahaka ny hoe “Fanatanjahantena Tsy misy Herisetra ao Guayaquil”, satria ny lalao baolina kitra no fanatanjahantena anisan'ny mahatarika olona betsaka manerana ny firenena, indrindra tahaka ny tanàna ao Quito sy Guayaquil.