- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mankalaza ny Faharesen'i Romney Ny Mpiserasera Isiraelianina

Sokajy: Etazonia, Israely, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika

Nanaraka akaiky ny fifidianana tany Etazonia ny mpiserasera Isiraelianina, maro tamin'izy ireo no niari-tory mandra-maraina hahitany hoe iza tamin'ny kandidà no nahahoatra ny isan'ny mpifidy lehibe 270 nilaina. Maro an'isa ny Isiraeliana ao amin'ny tambajotra an-tserasera sy ny tontolon'ny bilaogy no manana fironana ankavia ka manantena indray ny hahavoafidy an'i Obama. Amin'ny ankapobeny ny Liberaly Isiraelianina no diso fanantenana [1] tamin'ny tsy fihetsehan'i  Obama teo amin'ny fandaminana isian'ny fandriampahalemana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Isiraely, saingy jerena ho ratsy kokoa amin'izy roa i Romney. Ny fanohanana [2] miafin'i Netanyahu an'i Romney, sy ny fijoroan-kevitra mandala ny mahazatra an'i Romney manoloana ny zon'ny vehivavy [3], zon'ny pelaka ary ny rariny ara-tsosialy no mahatonga azy ho tsy tian'ny mpiserasera Isiraelianina.

Ao anatin'ny tontolo politika Isiraelianina amin'ny ankapobeny no hanehoan'ny mpiserasera Isiraelianina ny fihetseham-pony mijery ny fandresen'i Obama – ho fahapotehan'i Netanyahu, sy ny mpanampy ara-bola an'i Netanyahu sy Romney, dia ilay miliaridera Sheldon Adelson, izay tompon'ny gazety tsy miankina mivoaka isan'andro mpanohana an'i Netanyahu Israel Hayom.

Bilaogera mpiròna ankavia Kurt Tucholski nanoratra  [4]toy izao tao amin'ny Facebook [heb]:

הרשו לי לנבא את הכותרת של ישראל היום מחר: במירוץ לנשיאות ארצות הברית הגיע רומני למקום השני, אובמה הגיע למקום הלפני אחרון!

Avelao aho haminany izay ho lohatenin'ny Israel Hayom rahampitso: tamin'ny fifaninanana ho filoham-pirenena tany Etazonia, Faharoa i Romney raha filaharana mialoha ny farany kosa i Obama!

Na tsy marina aza iny faminaniana mampihomehy iny, namoaka hevitra manokana [op-ed] [5] mitondra ny lohateny toy izay ilay gazety “Nifidy ny Sosialisma i Etazonia” taorian'ny fandresen'i Obama.

Asafsky Levy namoaka ity sarin'i [6]Adelson ity ao amin'ny Facebook:

Bilaogera mpanandratra ny vehivavy H. B. Hoffman manazavazava ny rivotra iainana ankapobeny amin'ny Isiraelianina ao amin'ny Twitter:

הפיד שטוף בשמחה לאיד וקריאות לאובמה להיכנס בנתניהו בכל הכוח, ואני רוצה להגיד שזה ממש לא יפה, שלא חיכיתם לי כדי שאוכל להצטרף. אובמה, כנס בו

@vandersister [7]: Feno hafalian-dratsy (schadenfreude) eo amin'ny famahanako (feed) ka miantso an'i Obama hikapoka mafy an'i Netanyahu. Te-hiteny aho hoe tsy tsara mihitsy izany. Tsy tsara mihitsy ny niandrasanareo ahy hiaraka aminareo. Alefa ry Obama, darohy.

Mpihira sady mpanoa gazety Yuval Ben Ami nanoratra  [8]tao amin'ny Facebook:

לשלדון אדלסון נשפכו מאה מליון דולר לג'ורה. רק העובדה שזה גרושים בשבילו פוגמת לי בעונג השמחה לאיד.

Vao nanary vola zato tapitrisa dolara izany i Sheldon Adelson. Fa ny fahitana fa toa kely ilay vola very ho azy no nanimba ny hafalian-dratsiko (Schadenfreude).

Ouriel Daskal nisioka momba ny filokan'i Netanyahu tamin'ny fanohanana an'i Romney:

איך ששלדון אדלסון, שעוסק בהימורים למחייה, וביבי, שעוסק כל היום בהימורים על החיים שלנו, נכשלו כל כך בגדול בהימור שלהם?

@odaskal [9]: Ahoana moa ry Sheldon Adelson, izay miaina amin'ny filokana [nahazo ny harenany tamin'ny fananganana casinos ranamana] sy ry Bibi [Netanyahu], izay tsy mitsahatra ny milalao [miloka] ny fiainantsika, no resy tanteraka tamin'ny filokana nataony?

Nifaly tamin'ny fijerin-dry zareo ho faharesen'i Netanyahu ny mpiserasera Isiraelianina:

Eyal Brave namorona ity sary ity [10] izay nifampizarana tao amin'ny Facebook:

“Benjamin, inona ny vaovao? Lazao, tsaroanao ve ny nitsabahanao sy niezahanao hanova ny fizotry ny fifidianana taty Etazonia?”
Netanyahu: “Ie. Nahoana?”
Obama: “Tsy misy antony ka”

Israelianina avy amin'ny fironana havia John Brown namoaka ity sary ity [11]:

Miresaka momba ny fahadisoan'i Netanyahu niloka an'i Romney, namorona ity sary ity [12] ilay Isiraelianina mpanao hetsikana Amir Schiby:

Netanyahu: “Ataovy eo amin'i Romney ny volako rehetra”. “Hitanao? Ataovy eo koa ny silipiko sy Isiraely”
Obama eo akaikin'ny trano misy soratra hoe: “Nakatona” sy “Amidy”: “Tsy misy zavatra adinonao ve?”

Tamin'ny fanomezana feo ny fanantenan'ny Isiraelianina sasany fa hankany amin'ny faharesen'i Netanyahu ny fifidianana ho avy, Shachar B. Cotani namorona ity sary betsaka nizara ity [13]: