- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kyrgyzstan: Fakàna Zaza an-Keriny Tratra tamina Lahatsary

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kyrgyzstan, Lalàna, Mediam-bahoaka

Nivoaka avy any Kyzl-Kiya, tanànan'ny faritanin'ny faritra atsimon'i Batken any Kyrgyzstan, tamin'ny herinandro lasa teo ny horonan-tsary [1] mampitsangam-bolo. Nofahanan'i Alex Li [2], mpanao gazety ao amin'ny vavahadin'ny vaovaon'ny tanora Kloop.Kg, eo amin'ny YouTube, ny lahatsary avy amin'ny fakan-tsary CCTV izay toa hita mahazo sarina fakana an-keriny zazavavy kely ataona vehivavy ao amin'ny tsena feno olona. Nanjary sehatra noresahana amin'ny seha-pifaneraserana amin'ny aterineto lehibe indrindra eo amin'ny firenena antsoina hoe Diesel [3], ilay lahatsary.

Notorian'ny [4] [ru] renin'ilay zaza Umidi Imamdin kyzy, ho tsy manao na inona na inona ahitana ny zanany kely vao 11 volana, ny polisy. Fa naneho hevitra ihany koa ny mponina Kyrgyz amin'ny aterineto sasany fa meloka ihany koa i Imamdin kyzy noho ny tsy firaharahiana na fiarahana tsikombakomba amin'ny fakana an-keriny.

Asehon'ity lahatsary eto ambany ity (0.30) i Imamdin kyzy manolotra ny zanany amina vehivavy tsy fantatra raha izy iny miantsena ao amin'ny mpivarotra firavaka iny. Milalao mandritra ny fotoana fohy miaraka amin'ilay zaza ilay vehivavy ary avy eo tsy hita ao anatin'ny sehatra intsony. Dimy minitra taorian'izany vao tonga saina i Imamdin kyzy (1.50) fa lasa ilay zaza ary iny no nihazakazaka nitady azy tany amin'ny lalana mifanohitra amin'ny nandehanan'ity lazaina ho  mpaka an-keriny ity. Niverina haingana avy any izy (2.15),hita toa misavorovoro be.

Fanomezana tsiny ny reny

Mitsikera [4] [ru] ny tsy fiahiahiana akory i Eldiyar Arykbaev, Lehiben'ny Fanoratana ao amin'ny Kloop :

Как мать могла оставить ребенка незнакомой женщине на целых 8 минут… Мне как-то смотреть даже больно для мозга было.

Ahoana koa no ahafahan'ny reny mamela ny zanany irery amina vehivavy tsy fantatra akory hoe iza mandritra ny valo minitra[?]… Tena [mampalahelo] ny mijery ilay izy.

Manohana [4] [ru] ny hevitra i Alex Li, izay namahana ny lahatsary:

Офигеть!!! Что за люди? Неужели, какие-то кольца могут так привлечь внимание, что про собственного ребенка забываешь?

Adala!!! Inona no tsy milamina amin'ireto olona ireto? Tena mety hoe mahavariana tokoa ve ny [miantsena] karazana peratra ka hanadinoanao ny zanakao naterakao?

Nampian'i [5] [ru]Timoha eo amin'ny seha-pifaneraserana Diesel :

имхо лишить родительских прав…на кой ляд отдавать подержать незнакомой тетке????

[Amin'ny hevitro izay madinika], tokony hoesorina amin'ny vehivavy ny zony maha-ray aman-dreny azy… Maninona no natolony vehivavy tsy fantatra [ny zazakely]?????

Fomba fijery hafa

Fa nijoro [4] [ru] kosa ny mponina amin'ny aterineto hafa, Gatin, hiaro ilay reny ary hampifantoka ny saina amin'ny tena areti-piaraha-monina goavana kokoa:

Да хорош мать поносить…Разные ситуацию бывают, это общество гнилое такое, знает слабые места людей и где их можно подловить… убил бы эту тварь… как подумаю о моей дочери…

Aoka izay ny fanomezan-tsiny ilay reny… Mety misy tranga hafa maro miseho. Mikasika ny fiaraha-monina izy ity, ratsy izy ity, fantratry ny olona ny kileman'ny olona hafa ary ny fomba anararaotana an'izany. Mety novonoiko [ilay mpaka an-keriny]. Rehefa mandefa ny saiko any amin'ny zanakovavy aho….

Nanaiky ny hevitra ny mpamaky Kloop hafa sy ny mpampiasa Diesel fa mety ho tratran'ny zavatra toy izao daholo ny olona rehetra. Na izany aza, miahiahy ilay reny ho isan'ny mpiray tsikombakomba amin'ny fakana ankeriny ny mponina amin'ny aterineto sasany. Mametraka [5] [ru] ny fanontaniana tsy noheverina mihitsy i Mmega:

Продала? Заметает следы?

Namidiny ve [ilay zaza]? Nafeniny ve izao [ny helony]?

Nanaiky ny hevitra [5] [ru] i Samboder :

да мутит походу “мамаша-баткенская” что-то….. как можно подойти к незнакомой и спросить подержать мелкого?!……либо что-то мутят гнилое…очень гнилое…

Eny, misy tsy milamina ao amin'ny “reny any Batken [faritr'i Kyrgyzstan]”… Ahoana koa no ahafahan'ny olona miangavy vehivavy tsy fantatra hitazona zazakely? …… Na misy zavatra tsy mazava, tena maizina ny mitranga any…

Namelabelatra [5] [ru] toy izao i uDontKnowMe :

Больше смахивает на инсценировку и похоже на статью “торговля людьми или иная незаконная сделка”… а заявление о пропаже, ни что иное как уйти от ответственности…ИМХО

Hoatry ny jerena hoe namboamboarina ny zavatra rehetra, ary mitovy [amin'ny tokony hoe nisy zavatra tokony ho tratra] amin’ [ny Lalànan'ny heloka bevava] ny lahatsoratra “fivarotana olona na fifanakalozam-barotra hafa tsy manara-dalàna” … Ny resaka mikasika ny fahaverezan'ny zanany dia tsinona akory fa fialana henatra, IMHO.

Manohy mitady ilay zaza sy ilay voampanga ho naka an-keriny ny polisy any Batken, etsy andaniny, manohy mandrongatra resaka arahi-pihetseham-po ilay lahatsary eo amin'ny aterineto. Araka ny lalan'ny fikambanana miaron'ny zon'ny zaza lazain'ny Kloop.kg, dia zazakely 40 no nisy naka an-keriny nandritra ny volana efatra voalohany tamin'ity taona 2012  ity fotsiny.

Isan'ny Tetikasa GV Central Asia Interns Project ao amin'ny Anjerimanontolo Amerikana ao Azia Afovoany any Bishkek Kyrgyzstan, ity lahatsoratra ity.