- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afef Abrougui, Mitoraka Bilaogy Avy Any Tonizia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta

Tany Tonizia, araka ny fitadidian'ny maro, ny vokatry ny fihetsiketsehana tany Sidi Bouzid [1], toerana izay nisehoan'ny revolisiona sy ny fitroarana, no teraka ny zavatra iarahan'ny maro mahalala hoe Lohataona Arabo [2]. Na izany aza, misy olona vitsivitsy mbola mihevitra hoe “tsy nisy na inona na inona niova [3]” na dia eto aza ilay revolisiona sy ny fiovana nentin'izany.

Eo amin'izay fomba fijery izay, tena fanoharana an-tsary ny zavatra entin'i Afef Abrougui [4], mpitoraka bilaogy Toniziana sy mafana fo, amintsika mikasika ny zavatra niainan'ny olona sy ny zavatra mbola iainana manerana ny fireneny. Manampy antsika ihany koa izy ity hahalala misimisy kokoa mikasika ny firenena, izay, tsy haintsika marina intsony ny momba azy rehefa nisaraka tamin'ny renim-paritra Afovoany Atsinanana.

Afef Abrougui, Tunisian blogger and activist [5]

Afef Abrougui, mpitoraka bilaogy Toniziana sy mahery fo

Misy tapany roa ny dinidinika, ny tapany voalohany dia laharatsy noraketina tamin'ny Jolaytany Naerobi, kenya, nandritra ny Global Voices Summit [6]  farany teo; ny faharoa dia dinidinika voasoratra natao tamin'ny mailaka. Azonao jerena eto ambany daholo izy ireo.

Global Voices (GV): Alef, teneno anay ny mombamomba anao.

Mpianatra ao amin'ny Fifaneraserana Iraisam-pirenena ny tenako any amin'ny Anjerimanontolo any Tunis. Niasa tao amina Rafitra-na Fampilaharana [fanomezana naoty] sy Fitateram-baovaon'ny Ady sy ny Fandriampahalemana aho mikasika ny sivana. Tsy manana bilaogy manokana ny tenako fa vao haingana aho no nanao ny Arab Region eo amin'ny blaogy fanaraha-maso ny Media [7]. Tetikasan'ny Young Leaders Visitors Program ity bilaogy ity, ary nandraisako anjara vao haingana. Manana tanjona amin'ny famelabelarana ny faritra manerana ny renim-paritra Arabo ity bilaogy ity eo amin'ny toeran'ny haino aman-jery fototra malaza indrindra. Nanomboka tamina bilaogy aho hamelabelarako ny vontoatiny tsara mandra-pahitako vola hanaovako tranonkala (enga anie.)

GV: Inona ny fihetseham-ponao mikasika ny hetsi-panoherana amin'ny horonatsary manohitra ny Silamo? AZo amarinina ve izy ireo sa fihetseham-po diso tafahoatra?

Nahatohina ahy bebe kokoa ny fihetseham-po feno herisetra mikasika ny horonan-tsary tsy matihanina noho ny ny tao anatin'ny horonantsary.Ary tsy izaho irery no silamo mihevitra an'izany. Tsy misy afaka azo hanamarinana ny vono olona. Na izany aza, tokony omentsika lanjany ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena tamin'ireny fihetseham-pon'ny mpanohitra ireny ka nanafika ny masoivohon'i Etazonia any Tunis ireny. Maro amin'izy ireo no olona tsy an'asa, mahantra, tsy nahalala tsara ary voakarama. Ireo voatanisa rehetra ireo no mifangaro [ampiarahana] no mahatonga mora foana ny fitarihana ny fananganana ny antokom-pinoana mirona amin'ny herisetra.

GV: Mitondra antsika ho amin'ny fivavahana izany, izay fantatro fa zavatra tena manokana mihitsy, nefa , hoatry ny ahoana ny lanjan'ny finoana ho anao eo amin'ny fiainanao andavanandro?

Tena mijanona ho ahy manokana ny fivavahana, na dia manan-danja aza izany amiko. Tsy dia miresaka izany firy amin'ny olona aho. Fa nefa moa anontanianao ahy ny tena asan'ny fivavahana amin'ny andavanandrom-piainako,dia tsy mampaninona ahy ny hamaly anao. Maro ny fomba hamahan'ny olona ny fampiasan-tsainy amin'ny fiainany andavanandro, amin'ny fisotroan-toaka, manao Yoga, mandeha tongotra, na mandeha lanonana. Ho ahy, ny fampianarana sy ny soatoavin'ny Silamo [fahamarinana, ny fandeferana, ny fahononana, ny fisaorana, ny tsy fireharehana, ny fanomezana maimaim-poana…] no mahatonga ny fiainan-ko ho tsy feno ady sarotra sy hazava. Ataoko fa manazava izany hoe manan-danja tahaka ny ahoana amin'ny andavanandrom-piainako ny fivavahana.

GV: Efa zatra mihevitra izahay hoe ny vehivavy any amin'ny tontolo Arabo dia enjehina sy tsy dia manana fahalalahana firy. Afaka milaza aminay ny traikefanao manokana vao haingana mikasika izany ve ianao.

Tena iraisan'ny maro ity zavatra fahita andavanandro mikasika ny vehivavy Arabo ity. Norasain'ny haino aman-jery be mpanaraka ity fomba fijery faobe ity  izay nanisy endrika ny renim-paritra Arabo ho antoko iray tsy mivaky izay mitovy amin'i Arabia saodita, Iran, ary Afghanistan (nefa ireo firenena roa farany ireo tsy Arabo), izay mampijaly vehivavy. Teraka, notaizaina, ary nianatra tany Tonizia aho, fa mbola tsy niatrika fanenjehana mihitsy amin'ny mahavehivavy ahy.

GV: Lazao anay ny mikasika ny tanànanao sy ny firenenao. Inona ny zavatra tena tianao?

Hay, tena tiako ny lova ara-tantaran'ny fireneko. Fifangaroan'ny sivilizasiona Amazigh, Venisiana, Romana, Arabo ary Ottoman i Tonizia. Izany mahatonga ny firenena ho maro nefa tokana. Tsy voavidim-bola amiko ny fandehanan-tongotra any Medina (Tanàna taloha any Tunis). Tabarka, tanàna amoron-dranomasina any avaratra andrefan'i Tonizia, malaza amin'ny fanjonoana akorandriaka, ny fety iraisam-pirenena hoan'ny jazz, ary ny ala no toerana milamina ho an'ny saina.

GV: Ahoana ny fahitanao ny hoavin'i Tonizia sy ny Arab Spring? Inona ny zava-dehibe manaraka mety hitranga eto amin'ny firenenao?

Mihevitra aho fa hiatrika andro henjana sy sarotra isika, noho ny Toniziana mitady efa ela ny demokrasia sy ny fanajana ny zon'olombelona. Maika hoan'i Tonizia ny fananana lalam-panorenana vaovao arak'izay haingana (efa roa taona izay no nijalian'ny firenena tsy nanana lalam-panorenana) ary fametrahana datim-pifidianana. Fanampin'izany, tsy hilamina mihitsy ity firenena ity raha mbola misy ihany koa Toniziana anjatony mijaly nohon'ny tsy rariny ara-tsosialy sy ny fahantrana.

Miresaka fohifohy mikasika ny fiainan'i Alef, ny asany, ny fandraisany anjara amin'ny Global Voices, ny heviny mikasika Global Voices Summit, ny fihetseham-pon'ny olona mikasika ny asasorany, ny politika Toniziana, ary mazava hoazy, ny traikefany mikasika ny fihetsiketsehana any Tonizia, isika eo amin'ny dinidinika eo amin'ny lahatsary.

Afaka mamaky ny lahatsoratr'i Alef ianao eo amin'ny mikasika ny mpanoratra [4] raha tianao ny mamaky izany. Afaka manaraka azy ihany koa ianao eo amin'ny Twitter [8].

Fampahafantarana:

Sary [9] nalain'i Laura Schneider [10] tamin'ny Flickr hoan'ny  Global Voices Online [11], naverina nampiasaina tamin'ny fahazoan-dalan'ny  Attribution-NonDerivs 2.0 Generic (CC BY-ND 2.0) [12].