Barack Obama Voafidy Indray sy Nahazo Vato Be Avy Tamin'ny Mpifidy Latino

Taoriana ny hazakazaka henjana teo amin'ny fampielezan-kevitra hofidiana ho filoham-pirenena, ho eo ampelata-tanan'i Barack Obama mandritra ny efa-taona indray ny ho avin'i Etazonia, izay nahazo ny maro an'isa ilaina avy amin'ny mpifidy lehibe. Na tsy nisaina aza ny vaton'i Florida, Virginia ary Nevada, efa nahazo mpifidy lehibe 280 sahady ny Filoha Obama, tsy tahaka ny kandidà Repoblikana Mitt Romney, izay nahazo 208. Entina milaza iazny fa i Obama no Afrikana Amerikana voalohany voafidy ho filoha in-droa sady Demokraty voalohany nahatontosa izany hatramin'ny nandaozan'i Bill Clinton ny Trano Fotsy tamin'ny taona 2000.

Ankoatra ny fanohanana azony avy amin'ny famoahana malaza toy ny The New Yorker sy ny The Washington Post, efa tohanan'ny “fiaviana vitsy an'isa” ihany koa i Obama, indrindra fa avy amin'ny mpifidy mpiteny espaniola. Nandritra ny herinandro maromaro mialoha ny fifidianana, navoakan'ny fitsapa-kevitra fa 70 isan-jaton'ny mpifidy mpiteny espaniola no manohana an'i Obama, ary ny antontan'isam-panombanana dia mitatitra fa ny fito amin'ny mpifidy hispanika folo no hifidy izay atolotry ny Demokraty [es]. Na izany aza, maro amin'izy ireo no manantena fa hifantoka bebe kokoa amin'ny lohahevitra mahasahana ny vondro-piaraha-monina Latino ny fitondrana Obama, asa, Lalàna karatry ny mpifidy, ary ny fifindra-monina. Ho fanajana ity lohahevitra farany voatonona ity, nampanantena ny hanitsy momba ny fifindra-monina mitsipotipotika i Obama nandritra ny “kabarim-pandresena” tao Chicago.

Na dia nahazo ny Trano Fotsy aza i Obama ary manana ny maro an'isa ny Demokraty ao amin'ny Antenimieran-doholona, Ny Repoblikana no mifehy ny Lapan'ny Solombavambahoaka, izay midika ho fitohizan'ny fifanerena eo amin'ny Kongresy sy ny mpanatanteraka.

Mbola ny Twitter indray no fitsapana hafanana amin'ny fihetseham-pon'ny olona ho famehezana iny dia lavitr'ezaky ny fifidianana iny. Ny sioka manaraka etoana dia avy amin'ny mpisera, izay ny ankamaroany, manaiky fa ny vato hispanika [mpiteny espaniola] no hery voalohany tao ambadiky ny fandresen'i Obama:

@wbonillanu21: Barack Obama aparentemente ha sido reelegido como Presidente; gracias en parte al voto hispano que menosprecio su oponente.

@wbonillanu21: Hita taratra fa voafidy indray ho filoha i Barack Obama; isaorana ihany ny vato hispanika izay mankahala ny mpifaninana aminy.

@luiscbrinol: Obama ha ganado las elecciones y será renombrado Presidente de los EE.UU. de América. La clave: el voto hispano.

@luiscbrinol: Obama nandresy tamin'ny fifidianana ary hantsoina indray ho Filohan'i Etazonian'i Amerika. Ny lakile: ny vato Hispanika.

@sorayaalcala: Es MUY importante el discurso del presidente #OBAMA queremos escuchar su opinión sobre el voto hispano en estas reñidas elecciones

@sorayaalcala: TENA zava-dehibe tokoa ny kabarin'ny Filoha #OBAMA. Te-handre ny heviny izahay momba ny vato hispanika nandritra iny fifidianana niady dia niady iny

@Soy_Salvadoreno: El voto hispano se hizo sentir en el 2012… que Dios ilumine al Presidente Obama durante los siguientes cuatro años… http://fb.me/Pji4FfQk

@Soy_Salvadoreno: Tsapa ny vato Hispanika nandritra ny 2012… Andriamanitra anie hitari-dalana [hanazava] ny Filoha Obama mandritra ny efa-taona manaraka… http://fb.me/Pji4FfQk

@ProfeAlfaro: “@felipeviel: El voto hispano fue decisivo para el triunfo de Obama-Debe el pres. cambiar su política hacia los latinos http://bit.ly/QmBzLr

@ProfeAlfaro: “@felipeviel: Nilaina indrindra handresen'i Obama ny vato Hispanika – Tokony hanova ny politikany manoloana ny vondro-piarahamonina Latino ny filoha http://bit.ly/QmBzLr

@GabyMerlina: #Obama gana el puesto 45 como presidente de los EEUU. Gracias a un pueblo hispano que desde ahora le debe de responder en positivo!

@GabyMerlina#Obama nahazo ny toerana filoha faha-45 an'i Etazonia. Isaorana ny vondro-piarahamonina Hispanika izay tokony hovaliany soa koa manomboka izao!

@loroart: ojala y no se olvide el presidente BARACK OBAMA de lo importante que fue el VOTO HISPANO para su victoria

@loroart: Manantena aho fa tsy hanadino ny lanjan'ny VATO HISPANIKA nahazoany fandresena ny filoha BARACK OBAMA.

@luisg_sal: El voto hispano fue decisivo para reelegir al Presidente Obama. Constituyen una importante fuerza.

@luisg_sal: Nampiova ho amin'ny nahavoafidy indray ny filoha Obama ny vato hispanika. Nahatsangana hery goavana ry zareo.

Ny hafa tahaka an'i Barnabas Collins (@Whosjesus) niantoka fa i Obama no kandidà ilain'ny vondro-piarahamonina Latino:

@Whoisjesus: Obama es el presidente que la comunidad hispano americana estuvo esperando por tantos años.

@Whoisjesus: Obama no filoha izay nandrasan'ny vondro-piarahamonina Hispanika Amerikana hatry ny taona maro.

Te-hiavaka kokoa ny siokan'i Jose M Ambia Siliceo (@joseambia), tamin'ny filazana fa ny vaton'ny Meksikana-Amerikana no nampandresy ny kandidà Demokraty:

@joseambia: Gana el Presidente Obama las elecciones presidenciales en Estados Unidos impulsado en forma contundente por el voto México-Americano-Hispano

@joseambia: Nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tao Etazonia ny filoha Obama, avy amin'ny hery manontolon'ny vato Meksikana-Amerikana

Eto ambany ny sary mitantara ny fizotry ny fifidianana tao New York City, izay, na nisy aza ny voina nateraky ny Rivodoza Sandy, dia nitohy tahaka ny mahazatra ny fifidianana. Ny mpanoratra [teny espaniola] no naka ny sary rehetra:

Las urnas abrieron desde las seis de la mañana

nisokatra tamin'ny 7 maraina ny biraom-pifidianana

Votantes en las urnas ejerciendo su voto.

Mpifidy ao amin'ny tranokely mampihatra ny zony hifidy.

De acuerdo a la ley,  no se permitía hacer campaña electoral en las inmediaciones de los centros electorales

Araka ny lalàna, voarara ao amin'ny faritry ny toeram-pifidianana ny fampielezan-kevitra.

Ejemplo de una balota con los nombres de los candidatos

Singana vatom-pifidianana ahitana ny anaran'ny kandidà.

Entre tanto, el comité republicano de Nueva York se reunía en el Westin Grand Central para darle seguimiento a las elecciones

Ao anatin'ny fifidianana, mivory ao amin'ny Westin Grand Central hanaraka ny fifidianana ny komity Repoblikana.

Entre tanto, en Harlem, un barrio cuya mayoría pertenece a las comunidades de color, salió a las calles a celebrar la victoria de Obama.

Tao Harlem, faritra onenan'ny ankamaroan'ny Afrikana Amerikana sy ny mpifindra-monina, maro ny nidina an-dalambe haneho ny hafaliany tamin'ny fandresen'i Obama.

A medida que la gente se aglomeraba para celebrar, la policía acordonaba el lugar.

Raha mivory mankalaza ny olona, mihodidina ny faritra kosa ny polisy.

La emoción se apoderó de este taxista, quien al ver la algarabía se bajó de su taxi y celebró la victoria.

Fientanentanana nahazo ilay mpanamory taxi, izay nivoaka ny fiarany ka nankalaza ny fandresena rehefa nahita ny fety aman-danònana.

Algunos ya llegaban con accesorios indicando cuatro años más con Barack Obama

Tonga miaraka amin'ny firongo kely ho fiarahabana ny efa-taona vaovao miaraka amin'i Barack Obama indray ny sasany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.