- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Handrara ny Habaka Mamohafady i Ejipta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Nanambara [1] [ar] i Ejipta androany fa horàrana ny fidirana amin'ny habaka mamohafady. Niadihevitra momba izany tao amin'ny Twitter ny mpiserasera, izay nanombana karazana sivana izay hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fahalalaham-pitenenana – manokatra varavarana amin'izay ho fanararaotam-pahefana ataon'ny manam-pahefana sy ny fanampenam-bava ny feo ao amin'ny aterineto izany.

Mpampianatra momba ny asa fanaovan-gazety sy ny fifandraisana aman'olona, Rasha Abdulla nanambara hoe:

النائب العام يطالب الجهات المختصة بتنفيذ حكم”إغلاق المواقع الإباحية”

@RashaAbdulla [2]: Nangataka tamin'ireo voakasik'izany ny mpisolovavan'ny fanjakana mba hanatanteraka ny baiko amin'ny fanakatonana ny habaka mamohafady

Mohammed Hendawy nanamarika hoe:

@The_Hendawy [3]: Manomboka amin'ny mamohafady izany. Dia ny sisa hafa avy eo.

@LuluDeRaven nanazava hoe [ar]:

قرار حجب المواقع الاباحية= حجب اي حاجة مش عاجباهم علنيت.. سياسية ادبية تاريخة فنية . معارضة. مدونات. مواقع تواصل اجتماعي ..

@LuluDeRaven [4]: Fanapahan-kevitra handràra ny habaka mamohafady =  sivana amin'ireo zavatra izay tsy tiany na tsy azoazony ao amin'ny Aterineto – na izany mikasika ny politika, ny zavakanto, literatiora sy ny tantara .. fanoherana .. bilaogy .. tranonkala tambajotra sosialy

Tarek Shalaby nanome vahaolana sahady mikasika izany fanapahan-kevitra izany:

@tarekshalaby [5]: Hanao bilaogy fampianarana aho mba hampisehoako ny fomba hanakanana izany

Guebara nanamarika hoe:

عايزين تصرفوا فلوس على حجب مواقع إباحية ومش عايزين تصرفوا نفس الفلوس على كوادر الأطباء

@Gue3bara [6]: Te-handany vola amin'ny fanakatonana tranonkala mamohafady ianao fa tsy te-handany izany vola izany any amin'ny dokotera?

Amal nanontany hoe:

محدش هيعمل وقفة عشان المواقع الاباحية والا ايه؟ يا عيني على اللي مالوش ضهر في البلد دي

@Amalegypt: [7] Tsy misy olona hikarakara sit-in ho fanohanana ny habaka mamoafady ve? Sa resaka tsy ilàna fanohanana izany?

@nermo nanampy tamin-katezerana hoe:

المواقع الإباحية أوسخ من التعذيب في الأقسام وأوسخ من الفساد والسرقة والقتل وهي سبب الإنفلات الامني في سينا وبعد قفلها كل مشاكلنا هاتتحل

@nermo [8]: Maharikoriko kokoa ny tranonkala mamohafady noho ny habibiana eny amin'ny tobin'ny polisy, ny kolikoly, ny halatra sy ny vono-olona ary izany no anton'ny tsy hisian'ny fandriampahalemana ao Sinai. Rehefa mikatona avokoa ny habaka mamohafady , ho voavaha daholo ny olana eto amintsika.