Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Handrara ny Habaka Mamohafady i Ejipta

Nanambara [ar] i Ejipta androany fa horàrana ny fidirana amin'ny habaka mamohafady. Niadihevitra momba izany tao amin'ny Twitter ny mpiserasera, izay nanombana karazana sivana izay hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fahalalaham-pitenenana – manokatra varavarana amin'izay ho fanararaotam-pahefana ataon'ny manam-pahefana sy ny fanampenam-bava ny feo ao amin'ny aterineto izany.

Mpampianatra momba ny asa fanaovan-gazety sy ny fifandraisana aman'olona, Rasha Abdulla nanambara hoe:

النائب العام يطالب الجهات المختصة بتنفيذ حكم”إغلاق المواقع الإباحية”

@RashaAbdulla: Nangataka tamin'ireo voakasik'izany ny mpisolovavan'ny fanjakana mba hanatanteraka ny baiko amin'ny fanakatonana ny habaka mamohafady

Mohammed Hendawy nanamarika hoe:

@The_Hendawy: Manomboka amin'ny mamohafady izany. Dia ny sisa hafa avy eo.

@LuluDeRaven nanazava hoe [ar]:

قرار حجب المواقع الاباحية= حجب اي حاجة مش عاجباهم علنيت.. سياسية ادبية تاريخة فنية . معارضة. مدونات. مواقع تواصل اجتماعي ..

@LuluDeRaven: Fanapahan-kevitra handràra ny habaka mamohafady =  sivana amin'ireo zavatra izay tsy tiany na tsy azoazony ao amin'ny Aterineto – na izany mikasika ny politika, ny zavakanto, literatiora sy ny tantara .. fanoherana .. bilaogy .. tranonkala tambajotra sosialy

Tarek Shalaby nanome vahaolana sahady mikasika izany fanapahan-kevitra izany:

@tarekshalaby: Hanao bilaogy fampianarana aho mba hampisehoako ny fomba hanakanana izany

Guebara nanamarika hoe:

عايزين تصرفوا فلوس على حجب مواقع إباحية ومش عايزين تصرفوا نفس الفلوس على كوادر الأطباء

@Gue3bara: Te-handany vola amin'ny fanakatonana tranonkala mamohafady ianao fa tsy te-handany izany vola izany any amin'ny dokotera?

Amal nanontany hoe:

محدش هيعمل وقفة عشان المواقع الاباحية والا ايه؟ يا عيني على اللي مالوش ضهر في البلد دي

@Amalegypt: Tsy misy olona hikarakara sit-in ho fanohanana ny habaka mamoafady ve? Sa resaka tsy ilàna fanohanana izany?

@nermo nanampy tamin-katezerana hoe:

المواقع الإباحية أوسخ من التعذيب في الأقسام وأوسخ من الفساد والسرقة والقتل وهي سبب الإنفلات الامني في سينا وبعد قفلها كل مشاكلنا هاتتحل

@nermo: Maharikoriko kokoa ny tranonkala mamohafady noho ny habibiana eny amin'ny tobin'ny polisy, ny kolikoly, ny halatra sy ny vono-olona ary izany no anton'ny tsy hisian'ny fandriampahalemana ao Sinai. Rehefa mikatona avokoa ny habaka mamohafady , ho voavaha daholo ny olana eto amintsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny