Ainga Vaovao Ho An'i Barack Obama Any Afrika ?

Raha voafidy indray Barack Obama hitondra mandritra ny efa-taona any Etazonia, Afrika kosa dia manao tomban'ny efa-taona nitondràny Amerika sahirana kokoa tamin'ny olana ara-toekarena noho ny fifandraisana ivelany, indrindra ny fifandraisana amin'ny kaontinanta afrikana. Lehibe tokoa ny fanantenan'ireo afrikana, nefa maro no mieritreritra fa hahafahan'ny Filoha Obama mandinika lalindalina kokoa momba ny olana afrikana ny fe-potoam-piasàna faharoa azony.

Ny filoha Amerikana Barack Obama miara-mizotra amin'ny zanany vavy Malia, ary Michelle sy Sasha Obama ao aoriany nandritra ny fitsidihana ny Cape Coast Castle any Ghana, sarin'i pd2020@sbcglobal.net ao amin'ny FlickR (CC license-NC-BY)

Adrien Hart dia manoratra ao amin'ny Slate Afrique fa somary ratsy ihany ny tombana afrikana an'ny filoha Obama. Manazava izy :

Hita fa toa tsy mety aminy loatra ny hitàna ny andraikitry ny « zandarin'izao tontolo izao », dia notantanany mangingina tahaka ny fanaon'ny raim-pianakaviana ny raharahan'izao tontolo izao.  Ireo mpanaratsy azy dia milaza fa tena tsy mahay mitantana izy, ireo mpomba azy kosa manasongadina ny mahaolona azy ary mampahatsiahy fa teo ambany fahefàny no namonoana an'i Ben Laden.

Lasa tsy be dehaka i Amerika rehefa niaraka taminy. Nefa niha-nalaza ve izy tany amin'ny tontolo silamo sy tany Afrika? Tsy azo antoka izany.

Mazava ho azy, momba an'i Afrika, nanao ezaka i Obama. Tamin'ny Aogositra 2010, nandray zatovo Afrikana maherin'ny zato izy tao amin'ny Maison Blanche mba hiresahana ny momba ny « Ho avin'i Afrika ho an'ny 50 taona manaraka », ary nitsikera an-kolaka ity andian-taranakin'ny fahaleovantena ity.

Na izany aza dia maro ireo mandefitra aminy.  RFI dia mitatitra fa Nadine Gordimer, Afrikana Tatsimo nahazo Loka Nobel momba ny Literatiora, dia mieritreritra fa tsy ampy hamahàna ny olan'izao tontolo izao ny fe-potoam-piasàna iray:

Any aminà firenen-dehiba manana olana maro tahaka izany dia sarotra ny hamaha azy rehetra anaty fe-potoam-piasàna iray. Saingy mieritreritra aho fa nety ny fomba fizotrany. Mandeha any amin'ny làlana mety ny filozofia sy ny tanjany amin'ny ankapobeny. Ary mazava ho azy fa manan-danja mavesatra Etazonia ho an'izao tontolo izao. Raha mievona izy dia izao tontolo izao, isika rehetra, no marary tratra. Mino koa aho fa manana hevitra tsara izy momba ny fitoviana, ny fitaovana ary ny fomba fisaina.


Ny kabarin'i Obama tany Accra, Ghana tamin'ny 2009 navoakan'i L'expressmu

Ireo tsikera ireo no tena masiaka indrindra momba ny paikan'i Obama any Afrika. Gene Healy ao amin'ny Cato Institute (un thinktank libertarien) dia manoritsoritra ihany koa ny hetsiky ara-tafiky ny fitondràna Amerikana any Afrika:

Efa-taona lasa izay, vitsy ny olona mety nieritreritra fa ho lovain'i Obama ny fampiasàna tafika bebe kokoa amin'ny politika amerikana vahiny any Afrika – nefa dia tanteraka izany. [..]

Ny fanaovana ady diso tafahoatra dia tetika mety hiteraka vokatra tsy ampoizina. Ohatra, ny fandefasana tafika amerikana tany Libia dia namàhana ny adim-poko tany Mali, noho ireo Touareg tanatin'ny tafik'i Kadhafi nanatevin-daharana ny ady taorian'ny nionganan'ilay mpanao didy jadona. Tsy azo antoka ho nisy fiatraikany tamin'ny Fiarovam-pirenena amerikana ny fisian'ny tafika amerikana betsaka any Afrika.

Ny masoivohon'ny Repoblikan'i Kongô, Henri Lopès, dia mieritreritra fa tsy misy fototra ny fanantenana napetrak'ireo afrikana tamin'ny politikan'i Obama. Milaza izy ao amin'ny RFI:

Tsy tokony hanonofy atoandro. Obama dia zanaka Afrikana, fa Amerikana izy. Manan-tantara ho an'ny firenena niaina fanandevozana sy fanavakavaham-bolon-koditra ny fahalaniany ho filoha. Fa resaka kajikajin-tombontsoa avo lenta ny amin'ny lafiny politika.

Any Kogelo any Kenya, Mama Sarah izay raisin'i Barack Obama tahaka ny renibeny dia tsy miraharaha ireny tsikera ireny. Stéphanie Braquehais dia mitantara ny niainany ny fandresen'ny “zafikeliny“:

Niaraka tamin'ny tsiky kely, tamim-pahavitrihana sy hehy no namaliany ireo fanontaniana . Isaky ny fanambaràna, miketrona kely ny masony ary indraindray dia doniny kely ny olona mipetraka eo akaikiny. Tsy nisy fotoana tsy nifantohany tamin'ny kabary. Andriamanitra no nahatonga izao fandresena izao, tsy mety miresaka « politika » izy ary mitetika ny ho any Etazonia hanatrika ny fanosorana.

 

Satria ny fahalanian'i Barack Obama fanindroany dia mahasarika foana ny tanora afrikana.  Any Madagasikara, nifoha maraina ireo mpitoraka blaogy mba hiara-manaraka mivantana ny valim-pifidianana eo alohan'ny “écran”. Indro ny lahatsarin'izany fivoriana izany avy amin'i jiviard:

Satria na dia misy tokoa aza ny fahadisoam-panantenana tamin'i Obama amin'ny tombana mikasika an'i Afrika, ny fomba fijery ara-politika kosa toa mifanaraka amin'ny an'ny ankabeazan'ireo afrikana. Tsy noho ny fananany havana any Kenya intsony ny fifanantonana fa noho ny fomba fijery ny toerana ara-politika sy ny fiarovana ireo tombontsoa iombonana, araka ny hamafisin'i Adrien Hart:

Obama, tahaka ireo Bush teo alohany, dia tsy nahita ny fahatongavan'ny «trimobe Sinoa» tany Afrika. Tsy nampoizin'ireo Amerikana, tahaka ny Eoropeana, ihany koa ny fitomboan'ny loza manàmbana entin'ireo «Adalan'Andriamanitra» any Afrika [..] Tsy afaka nanohitra ny fandrosoan'ny Sinoa sy ny islamista i Obama. Nefa hifidy ho an'i Mitt Romney mpifanandrina aminy, repoblikàna, “mormon” sady mpanefoefo, diso tafahoatra mihitsy aza ve Afrika amin'ny novambra? Tsia velively. Eny, nandiso fanantenana i Obama. Nefa tsy te-hahita azy hiala i Afrika. Vao maika ho loza raha tsy eo izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.