Kaonty Twitter Tsy Fantatra Anarana Nitarika Fihetsiketsehana Goavambe

Taorian'ny nanatrehany fihetsiketsehana goavana indrindra, niantso ho amin'ny hetsika hafa indray ireo tsy fantatra anarana mpikarakara ny “Diaben'ny Fahamendrehana”. An'aliny no tonga tao amin'ny faritr'i Mishref sy Sabah Al-Salem mba hanohitra ny fanovana ny lalàm-pifidianana ataon'ny fitondrana Koesiana, ka  kandidà iray sisa no azon'ny olom-pirenena fidiana fa tsy efatra toy ny teo aloha intsony. Tsy hitan'ny mpanao fihetsiketsehana ho mifanaraka amin'ny lalamoanorenana ny didy navoakan'ny Emira ka mieritreritra izy ireo fa natao ny lalàna vaovao mba ahazoan'ny fitondrana tombony amin'ny fifidianana hoavy amin'ny Desambra sy hampalemy ny mpanohitra izay nahazo ny ankamaroan'ny seza tao amin'ny antenimiera tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Tahaka ny diabe teo aloha, setroka sy baomba mandatsa-dranomaso no nisetra ny fihetsiketsehan'ny Alahady [4 Nov 2012]  ary mpanao fihetsiketsehana maromaro no voasambotra, izay noafahana avy eo.

Iza no mitarika ny fihetsiketsehana?
Nandritra ny taona vitsivitsy farany, voatsikera ny hetsika satria ireo depiote mpanohitra no nitarika izany. Taty aoriana, niezaka nitarika fihetsiketsehana ny tanora. Nihanahazo olona be dia be izany fiovana izany mba hampisehoana ireo diaben'ny fahamendrehana ireo. Ny mahaliana amin'ilay izy dia kaonty Twitter iray tsy fantatra ny tompony no iray amin'ny manapa-kevitra amin'ny daty anaovana ireo diabe sy ny toerana hihaonana.
Kaonty @KarametWatan [Arabika Ho Fahamendrehan'ny Firenena] nisioka hafatra tao amin'ny Twitter tamin'ny 24 Oktobra tsy hanambara ny momba azy ireo amin'ny manam-pahefana Koesiana:

Izahay vahoakan'i Koety dia mangataka aminao mba hiaro ny fiainanay manokana sy ny antsipirihan'ny momba ny  kaonty @karametwatan amin'ny fitadiavam-baovao rehetra ataon'ny manam-pahefana mikaroka ny tompon'ny na ireo mampiasa ny adiresy manokana (IP) avy amin'io kaonty io. Izahay no tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana ny diabe antsoina hoe “Fahamendrehan'ny Firenena” ao Koety, diabe goavana indrindra teo amin'ny tantaran'i Koety ho fitakiana ny demokrasia, ny zon'olombelona, ary ny ady amin'ny kolikoly. Nahatratra 150.000 mahery ny tahan'ny fandraisana anjara tamin'ny diabe (manodidina 11,5%n'ny olom-pirenena ao Koety) izay nahasanganehana ny governemanta. Vokatr'izany, nanome baiko ny mpitandro ny filaminana ny governemanta mba hanafika amin'ny fomba feno herisetra izay mbola tsy fahita teo aloha noho ny tsy amin'ny antony ny diabe natao milamina . Olona maherin'ny 100 no naratra ary maherin'ny 50 no notànana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna. Mandry tsy lavo loha izahay ka tena miankina aman'aina ny fiarovanareo ny momba anay.

Tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter izay mikarakara ny hetsika lehibe, Hamad Al-Sabah nanoratra hoe:

@hmalsabah: Izaho ihany ve no tsy mahazo aina momba ny hoe olona an'arivony ao #Koety no mankatò ny baikon'ilay kaonty Twitter tsy fantatra anarana?

Tokony hanohana an'i Koety ve ny Bahrainita?

Noho ny marika ara-pivavahana sy ny fanohanan'ny olona ao amin'ny mpanohitra Koesiana ny fitondrana Bahrainita amin'ny fanoherana ny revolisiona 14 Febroary, tsy te-hanao fihetsiketsehana miaraka amin'ny mpanohitra ny Shiita ao Koety. Niantraika tamin'ny Shiita ao Bahrain izay niadihevitra raha toa ka tokony hanohana ny diabe ao Koety ny Bahrainita na tsia. Tamin'ny fanehoan-kevitra momba izany lohahevitra izany, nanoratra toy izao ilay Bahrainita mpiaro ny zon'olombelona Maryam AlKhawaja:

@MARYAMALKHAWAJA: eny, manohana izay mitaky ny rariny tsy mijery izay fanohanany na tsia ny ahy aho.

@MARYAMALKHAWAJA: maro ireo nanohana ny fihetsiketsehana tao bahrain izay mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana ao Koety ihany koa. Kanefa tsy izany no inona

Mpikatroka Bahrainita hafa, Ahmed Al-haddad, avy ao amin'ny Fikambanana Eoropeana-Bahrainita miaro ny Zon'olombelona nanoratra hoe [ar]:

اذ كنت تعتقد بأن لك الحق بتصوير الحراك الكويتي على أنه أخونجي وطائفي اذا يحق لغيرك تصوير حراكك بالشيعي الطائفي

@DiabloHaddad: Raha mihevitra ianao fa manan-jo hihevitra ny tolona ao Koety fa an'ny mpirahalahy Miozolomana sy mpanavaka ara-pivavahana, noho izany manan-jo ihany koa ny hafa hijery na hihevitra ny anao [tolona Bahrainita] ho avy amin'ny Shiita sy mpanavaka ara-pivavahana ihany koa.

Fanoherana hafa
Ankoatra ny Gidragidra ara-pivavahana, nisy koa ireo hafa nampiseho fanoherana ny diabe ankehitriny, Hamad Al-Sabah, izay mihevitra any amin'ny antenimiera hoavy no mamaha ity krizy ity fa tsy amin'ny fihetsiketsehana:

@hmalsabah: Avelao aho hamerina indray fa rariny amiko ny tadiavin'ny mpanao fihetsiketsehana, saingy tsy manohana ny fomban'izy ireo aho. Afaka vahana tsotra sy milamina ny olana

Ho valin'izany, Fawaz Al-Matroud nanoratra hoe:

@FawazAM: Afangaron'ny olona matetika ny lalànan'ny fihetsiketsehana sy ny fahalalahana ara-politika. Satria maro ireo olona miara-mandika ny lalàna, tsy manome rariny azy ireo.

Bilaogera “His & Hers”, nisioka hoe:

@HisHersQ8: Mahazo isa iray ny Emira raha manao fihetsiketsehana tsy ara-dalàna.  Mampitsahatra izay rehetra hetsika tsy ara-dalàna ny Demokrasia manerantany

Liberaly, Khaled AJaser nisioka hoe:

@k_jaser: mino aho fa tsy hijanona mihitsy ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny grenady ao #Koety satria tsy misy fomba hafa hanakanana ity tsy fanajana lalàna ity.

Sary sy lahatsary nandritra ny hetsika

Tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpanao fihetsiketsehana (nalefa tao amin'ny Twitter, @Fajoor)

Sarin'ireo fiara mpiambina mijanona eo anoloan'ny toerana misy ny hetsika (avy amin'ilay bilaogera alziadiq8)

Iray amin'ireo mpanao fihetsiketsehana miaraka amin'ny sora-baventy (sary nalefan'ilay bilaogera alziadiq8)

Ary ity sary ity, izay nozaraina imbetsaka, mampiseho mpanao fihetsiketsehana, manampy ity mpiambina tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ity:

Sarinà mpanao fihetsiketsehana manampy lehilahy mpiambina  tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ( @AboShla5Libraly)

Sary nandritra ny hetsika tao amin'ny faritra Mishref (nalefan'ny saad971)
http://www.youtube.com/watch?v=3pln0LiuZis

Lahatsary hafa mampiseho baomba, olona naratra, sy ny diabe (7eyad)

Lahatsary nandritra ny hetsika tao amin'ny faritra Sabah Al-Salem ( KharjAlsrb)

Hifandona amin'i Koety  ve ny Jordaniana?
Herinandro maromaro izay, mpisera Twitter antsoina hoe Mujtahidd nisioka momba an'i Jordania izay nandefa tafika hamoritra ny mpanao fihetsiketsehana Koesiana. Nahazo hafatra avy aminà solombavambahoaka Salafista, Walid AlTabtabai ity mpisera Twitter malaza sy mahabe adihevitra ity mba hisioka ilay vaovao. Andro vitsy lasa, nandritra ny hetsika, nanao kabary niteraka adihevitra ity solombavambahoaka taloha sy mpitarika ny fanoherana Musalam Al-Barrak. Nampidirina am-ponja ity solombavambahoaka ity tamin'ny herinandro lasa noho ny fanalam-baraka ny Emira nataony saingy noafahana ihany izy roa andro taty aoriana noho ny fihetsiketsehana goavana ho fanohanana azy.

Amin'ity lahatsary ity, Al-Barrak nilaza hoe: “Rahalahinay ny mpitandro ny filaminana. Raha midaroka anareo izy ireo, aza mamaly. Saingy raha lehilahy mpitandro ny filaminana Jordaniana na Palestiniana, aleo anaovanay azy.”

Ho valin'izany, nanao fanambarana ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Jordania ary nandà izany fiampangana izany .

Valiny avy amin'ny Emira 
Noho ny hetsika goavambe, miandry ny Emira ny vahoaka mba hanafoana ity didim-panjakana ity izay nahatonga izao diabe izao. Na dia izany aza, nanao kabary ny Emira tamin'ny Alatsinainy ary nilaza fa tsy hanafoana ny didim-panjakana mihitsy izy ka anjaran'ny antenimiera hoavy no manova ilay lalàm-pifidianana. Nanambara ihany koa izy fa nahazo fanohanana avy amin'ny Vondro-Pirenena manamorona ny Helodrano eo amin'ny fiarovana ny firenena. Ity lahatsarin'ny kabariny (nalefan'ilay bilaogerar AlZiadiq8)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.