Nivadika ho Blagy Ny Raharaha Famonoana Ireo Mpivady Mpanao Gazety Tao Bangladesh

Tamin'ny 11 Febroary 2012, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao amin'ny trano nofainy tao andrenivohitra ilay tonian-dahatsoratra tao amin'ny fahitalavitra Maasranga, Sagar Sarwar sy ny vadiny izay mpanao gazety ao amin'ny ATN Bangla, Meherun Runi (Jereo ny lahatsoratra ato amin'ny Global Voices [mg] )। Tamin'izany andro izany, nanambara ny Minisitry ny Atitany  Sahara Khatun tamin'izany fotoana fa ho voasambotra ato anatin'ny 48 ora ireo nahavanon-doza. Taorian'izay fe-potoana izany, marobe ireo fihetsiketsehana notontosain'ny bilaogera sy ny mpanao gazety. Saingy tsy nahitana mangirana ny fandehan'ny famotorana. Vao haingana, nisy ny fanovana toerana teo amin'ny minisitra ny Atitany ary i Dr. Mohiuddin Khan Alamgir no nandray ny toerana avy eo.

Sagar & Runi, the murdered couple

Sagar & Runi, ireo mpivady nisy namono. Sary:  Pejy Facebook “Mitady ny marina momba an'i Sagar-Runi izahay”

Valo volana mahery izay no lasa hatramin'izay nisian'ity vono olona ity, kanefa mbola tsy misy fandrosoana na dia kely aza ny famotorana natao. Noho ny fanerena misy, nanambara ny minisitry ny Atitany tamin'ny 25 Septambra 2012 fa efa hifarana ny famotorana ary holazaina ny misitery amin'ny 10 Oktobra 2012. Araka ny fampanantenana avy aminy izay nolazainy iray andro mialoha ny fe-potoana farany, nanambara izy fa olona fito voarohirohy no efa voasambotra [bn]. Manana taratasin-draki-panamelohana (casier judiciaire) ireo olona voarohirohy ary efa nosamborina teo aloha noho ny antony famonoan'olona ihany. Valisoa 1 tapitrisa Bangladesh taka (USD 12500) no voalaza fa omena izay mahita ilay mpiambina tafatsoaka. Efa notànana izy mba ataon'ny polisy famotorana. Saingy nilaza ny fianakavian'ny niharan-doza fa nisy olona telo nitondra azy nivoaka tany amin'ny toerana tsy fantatra.

Mpanao gazety marobe no tsy nanaiky ny fanambaran'ny Minisitry ny Atitany. Nilaza izy ireo fa tsy mazava no mifamahofaho ny fanambarany [bn]. Araka ny filazan'izy ireo (mpanao gazety), tsy milaza ny misitery sy ny anton'ny namonoana an'izy mivady ny fanambarana.

Rehefa avy nametraka taratasy fitoriana tao amin'ny tobin'ny polisy Sher-e-Bangla  ny faralahin'i Runi, Nowsher Roman. Nanoratra tao amin'ny Facebook izy tamin'ny 10 oktobra lasa teo:

The Facebook Status Of Nowsher Roman

Rindrina Facebook an'i Nowsher Roman

Raha mijery ny tenako aho, dia miteny hoe tahaka ny ahoana moa ny maha-lehilahy tsy misy hery ahy!!!! Tena tsy ambinina izaho, sy ny fianakaviako… mahatsiaro malahelo ny tenako aho. Ary i Megh (ny zanaka lahin'izy mpivady sisa velona), ny fianakaviako, ary ireo olona manohana – mijaly ho azy ireo ny foko, ireo ray aman-dreny sy vady tsy manam-piarovana… Tsy misy ve Andriamanitra??? Tsy misy ve Andriamanitra????(Nahazoan-dalana ny famoahana ny lahatsoratra)

Nowsher Roman

Tonga nanatevin-daharana tamin'ny fihetsiketsehana nataon'ny bilaogera teo anoloan'ny Minisiteran'ny Atitany i Nowsher Roman tamin'ny 15 Mey 2012

Nihevitra ny renin'ilay mpanao gazety nisy namono Sagar Sarwar fa namboamboarina ny fisamborana [bn] ary nilaza izy fa “Te-ahafantatra ny marina fotsiny izahay, ary te-hahita izay tena nahavanon-doza ho eo anoloan'ny fitsarana.”

Waiting

Tamin'ny 28 Aprily 2012,  nanatontosa hetsika feno loko tamin'ny arabe ny bilaogera ho fanoherana ny famonoana ny mpivady. Loharano: BDNews20.com blog

Asif Nazrul, mpampianatra lalàna ao amin'ny Oniversité Dhaka Univerisity nilaza tao amin'ny pejy Facebook hoe Ny marina no takianay mikasika ny nahafaty an'i Sagar-Runi
[bn]:

Nisy teti-dratsy roa tamin'ity vono olona ity. Voalohany: Nampiseho kolikoly avo lenta nisy teo amin'ny governemanta izy ireo (izy mivady), ka novonoina avy eo. Ny teti-dratsy faharoa kosa dia olona mifandray amin'ny antokon'ny fitondrana ireo mpamono olona. Olona akaikin'ny governemanta ny mpanohana ireo mpamono olona, izay nahazo antoka tamin'ny manam-pahefana fa ho afaka madiodio izy ireo. Raha mbola tsy misy ny valiny mahafa-po amin'ny famotorana atao, dia mazava fa marina ireo fijery roa ireo.”

Taorian'ny vono olona, nanambara ny polisy fa efa mpamono olona mihitsy no nahavita izany habibiana izany. Na dia izany aza, nilaza ny Minisitry ny Atitany ankehitriny fa anisan'ny mpamono olona ikoizana ny dimy tamin'ireo voasambotra. Arafatul Islam, mpanao gazety ao amin'ny Deutsche Welle Bengali nanoratra tao amin'ny Facebook mikasika izany:

Raha nokaramaina ireo mpamono olona ikoizana, nahoana no voasambotra ny naman'ny fianakaviana fianakaviana Tanvir? Iza no nanakarama ireo mpamono olona? Iza no tena nanatontosa ny vono olona? Inona no antony namonoana azy mivady? Nahoana ireo olona valo voarohirohy no tafiditra amin'ity tranga ity ary ahoana no nahafantarana azy ireo, Te-hahalala ny valin'ireo fanontaniana ireo aho. (nahazoan-dalana ny famoahana ny hafatra)

Mpanao gazety Shawkat Mahmud nanoratra tao amin'ny Facebook tamin'ny 26 Septambra 2012:

Nanomboka ny taona 1971, mpanao gazety 29 no efa nisy namono (tao amin'ity firenena ity). 17 tamin'izany no namoy ny ainy nandritra ity fitondrana ity. Mpanao gazety marobe kosa no naratra teo am-panaovana ny asany. Iharan'ny fandrahonana matetika izy ireo. Miteraka rahona sy mifamahofaho be ihany ny fanadihadiana ataon'ny governemanta mikasika ny nahafatesan'i Sagar-Runi. Nilaza ny Minisitry ny Atitany taorian'ny vono olona fa hosamborina ao anatin'ny 48 ora ireo mpamono olona. Nilaza ny IGP fa efa misy fandrosoana ny famotorana. Kanefa nilaza ny manam-pahefana mpanao famotorana fa simba sy tsy hita ireo porofo. Ka hotohizanay foana ny fihetsiketsehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.