GlobalVoices anaty

08/11/2012

Tahiry isan'andro · 7 Lahatsoratra

Tantara tamin'ny 08/11/2012

Nivadika ho Blagy Ny Raharaha Famonoana Ireo Mpivady Mpanao Gazety Tao Bangladesh

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny 11 Febroary 2012, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao amin'ny trano nofainy tao andrenivohitra ilay tonian-dahatsoratra tao amin'ny fahitalavitra Maasranga, Sagar Sarwar sy ny vadiny izay mpanao gazety...

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Kaonty Twitter Tsy Fantatra Anarana Nitarika Fihetsiketsehana Goavambe

Tohin'ny lahatsoratra

Taorian'ny nanatrehany fihetsiketsehana goavana indrindra, niantso ho amin'ny hetsika hafa indray ireo tsy fantatra anarana mpikarakara ny “Diaben'ny Fahamendrehana”. An'aliny no tonga tao amin'ny faritr'i Mishref sy Sabah Al-Salem mba hanohitra...

Nanafika An'i Yemen Ireo ‘Drones’ Amerikana Andro Iray Taorian'ny Nandresen'i Obama

Tohin'ny lahatsoratra

Tsy ampy 24 ora akory taorian'ny fahalanian'i Obama ho Filoham-pirenena, nivoaka ireo vaovao mikasika ny fanafihana vaovao indray nataonà 'drone' tany Yemen. Tany amin'ny vohitr'i al-Sarin any Sanhan no nitrangan'io fanafihana io ka namono an'i Adnan al-Qadhi, Rabeaa Lahib sy Radwan al-Hashdhi, ary nandratra hafa, isan'izany ny ankizilahy iray. Nefa, tsy mitovy amin'ireo teo aloha ity fanafihana ity satria latsaky ny 40km miala ny renivohitr'i Sanaa i Sanhan Sanaa ary tanindrazan'ilay filoham-pirenena teo aloha, Ali Abdulla Saleh. Mpampiasa aterineto Yemenita maro no taitra sy ontsa.

Ainga Vaovao Ho An'i Barack Obama Any Afrika ?

Tohin'ny lahatsoratra

Raha voafidy indray Barack Obama hitondra mandritra ny efa-taona any Etazonia, Afrika kosa dia manao tombana ny efa-taona nitondràny Amerika sahirana kokoa amin'ny olana ara-toekarena noho ny fifandraisana ivelany, indrindra ny fifandraisana amin'ny kaontinanta afrikana. Lehibe tokoa ny fanantenan'ireo afrikana, nefa maro no mieritreritra fa hahafahan'ny Filoha Obama mandinika lalindalina kokoa momba ny olana afrikana ny fe-potoam-piasàna faharoa azony.

Video Lahatsoratra
Resadresaka Niarahana Tamin'i Rebecca MacKinnon Momba ny Boky Nosoratany ‘Consent Of The Networked’

Tohin'ny lahatsoratra

Rebecca MacKinnon, mpiara-manorina ny Global Voices, mpanao gazety sy bilaogera manana traikefa nandritra ny taona maro, be hevitra maranitra raha ny lohahevitra tena iantsorohany no jerena, izay amin'ny ankapobeny mikasika ny fahalalahan'ny fiaraha-monina sy...

Na Eo Aza Ny Fandrahonana, Miady Hisian'ny Lalàna Tsy Miangatra Momba Ny Angovo Ireo Makedoniana Mafàna Fo

Tohin'ny lahatsoratra

Ireo mpikambana avy eny ifotony ao amin'ilay fandraisana andraikitra sivily AMAN, izay nangataka ny mba hisian'ny fandrindràna tsy mitanila ny resaka angovo sy fampitsaharana ny fampakàrana ny sandan'ny asam-panjakana ao Makedonia, dia niatrika endrika teritery samihafa, nahitàna hatramin'ny fandrahonana tsy mitsaha-mitombo. Ny Sabotsy dia voasakan'ny mpolisy ny fifandonana mahery vaika nandritra ny famoriam-bahoaka iray.

Handrara ny Habaka Mamohafady i Ejipta

Nanambara [ar] i Ejipta androany fa horàrana ny fidirana amin'ny habaka mamohafady. Niadihevitra momba izany tao amin'ny Twitter ny mpiserasera, izay nanombana karazana sivana izay hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fahalalaham-pitenenana...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny