- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tiorkia: Mampiasa Entona Mandatsa-dranomaso Amin'ireo Reny Manao Hetsi-panoherana Ny Polisy Tiorka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Tonga tamin'ny andro faha-55 nanaovan-dry fitokonana tsy hihinan-kanina ireo Kiorda gadra noho ny politika. Misy an-jatony ireo gadra noho ny politika manao fitikonana tsy hihinan-kanina ao Tiorkia, ary io dia nitarika nankany aminà hetsi-panoherana ho firaisankina nanerana an'i Eoraopa, ary indrindra moa fa tao anatin'i Tiorkia. Vao marainan'ny 4 Novambra 2012, nikarakara fitorevahana ny renin'ny sasany tamin'ireo gadra noho ny politika ireo, ary dia nifanehatra tamin'ny entona mandatsa-dranomaso [1], hatramin'ny tifitra tafondro rano nalefa mivantana tany amin-dry zareo. Mitohy tsy miraharaha loatra ny hatezeran'ny vahoaka Kiorda ireo fampahalalam-baovao fototra sy ny ministry  ny governemanta Tiorka, ary tsy nanao afa-tsy ny nanaratsy kokoa ny toe-draharaha ny tsy firaharahian-dry zareo amin'ny tokony hametrahana politika hitadiavam-bahaolana amin'ny olan'ny Kiorda ao Tiorkia.

Tamin'ny faritra betsaka ao Kiordistana, nisy ny hetsi-panoherana ho fanehoam-piraisankina saigy na teo aza ny fifantohan-tsaina azon'ireo nanao fitokonana tsy hihinan-kanina tany avy any amin'ireo faritra Kiorda, vitsy ihany ireo mpampahalala vaovao mahazatra no mba nitatitra momba ilay fitokonana tsy hihinan-kanina. Ny tsy fahampian'ny rako-baovao dia nahatezitra Kiorda maro, izay nampiasa n y tambajotra sosialy hamoahana ny feony. Hulya, avy any Liverpool, miteny hoe:

@hulyaulas [2]: Notsinontsinoavin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra erantany ny goavana indrindra amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina noho ny resaka politika teo amin'ny tantaran'ireo Kiorda gadra noho ny politika.

Dirman manampy hoe :

@dirman95 [3]: Tena sarotra be ny hihinana nefa mahalala fa efa nandritra ny 51 andro ny fitokonana tsy hihin… mankaloiloy.

“The Stream”, fandaharan'ny Al Jazeera no hany fampahalalam-baovao iraisam-pirenena fanta-daza nanasongadina ny maha-saropady an'ilay fitokonana tsy hihinan-kanina [4]. Nampiasa ny tambajotra sosialy famoahany vaovao ry zareo mba hanairana ny saina. Ohatra, tsy ela akory izay dia nibitsika ry zareo hoe:

@ajstream: [5] Nahoana ny governemanta sy ny mpampahalala vaovao ao Tiorka no nanamaivana ilay fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'ireo Kiorda 715 migadra noho ny politika?

Nisy fanangonan-tsonia iray tety anaty aterineto nalefa [6], nahazo mpanohana 3.451 hatreto, izay mangataka ny governemanta Tiorka hiroso amin'ny fifanakalozan-dresaka manatsara zavatra miaraka amin'ireo gadra. Maneho hevitra i Judith Butler avy any Berkeley [7]:

Tsy maintsy miditra aminà fifanakalozan-dresaka matotra miaraka amin'ireo gadra ireo ny governemanta Tiorka, dia ireo izay manao sorona ny ainy ho fampibaribariana ny tsy rariny iainan-dry zareo.

KurdishBlogger.com [8] nampakatra ity sary manaraka ity tao amin'ny Facebook :

Ireo Kiorda ao Slemani, atsimon'i Kiordistana maneho firaisankina amin'ireo Kiorda rahalahy sy anabavin-dry zareo (mpiara-mifonja  682 raha kely indrindra) izay manao fitokonana tsy hihinan-kanina any amin'ireo fonja 67 manerana an'i Tiorkia.

Ary Tara Fatehi [9], Kiorda iray mafàna fo any Aostralia, dia naneho ny hatezerany amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena:

An'arivony ireo Kiorda gadra noho ny politika no mitokona tsy mihinan-kanina nanomboka tamin'ny 12 Sept ary ny fianakaviambe iraisampirenena kosa mitohy mangina. Ity no hanoanana Kiorda ho an'ny fahalalahana, sy tsangan-kevitra vaovao akory io. Efa nitolona ho an'ny zo, fandriampahalenana ary fahalalahana nandritra ny ampolon-taona maro ny Kiorda. Mahalaza azy tsara i Hannelore Kuchlersaid  “Firenena iray atao takalon'aina i Kiordistana.” ary ny hany ataon'ny fampahalalam-baovo iraisam-pirenena dia ny manao izayu hinoanareo fa resaka mikasika an'i Abdullah Ocalan sy ny PKK fotsiny izy ity. Ny hanànana ny zo fototra maha-olona eo amin'ny tanin-dry zareo no resaka eto.