GlobalVoices anaty

Tiorkia: Mampiasa Entona Mandatsa-dranomaso Amin'ireo Reny Manao Hetsi-panoherana Ny Polisy Tiorka

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Español · La policía turca utiliza gas lacrimógeno contra madres manifestantes
Français · La police turque utilise des lacrymogènes contre les mères de prisonniers politiques kurdes
Ελληνικά · Τουρκία: Δακρυγόνα από την αστυνομία εναντίον διαμαρτυρόμενων μητέρων
Italiano · Turchia: ancora silenzio sui curdi prigionieri in sciopero della fame
Swahili · Uturuki: Polisi Watumia Mabomu ya Machozi Kuwatawanya AkinaMama Waandamanaji
ျမန္မာ · ဆန္ဒ​ပြ​နေ​သော မိ​ခင်​များ​အား တူရကီ​ရဲ​အရှာ​ရှိ​များ​က မျက်ရည်ယို​ဗုံး​များ​ဖြင့် အသုံးပြု​တိုက်ခိုက်
English · Turkish Police Use Tear-Gas Against Protesting Mothers

Tonga tamin'ny andro faha-55 nanaovan-dry fitokonana tsy hihinan-kanina ireo Kiorda gadra noho ny politika. Misy an-jatony ireo gadra noho ny politika manao fitikonana tsy hihinan-kanina ao Tiorkia, ary io dia nitarika nankany aminà hetsi-panoherana ho firaisankina nanerana an'i Eoraopa, ary indrindra moa fa tao anatin'i Tiorkia. Vao marainan'ny 4 Novambra 2012, nikarakara fitorevahana ny renin'ny sasany tamin'ireo gadra noho ny politika ireo, ary dia nifanehatra tamin'ny entona mandatsa-dranomaso, hatramin'ny tifitra tafondro rano nalefa mivantana tany amin-dry zareo. Mitohy tsy miraharaha loatra ny hatezeran'ny vahoaka Kiorda ireo fampahalalam-baovao fototra sy ny ministry  ny governemanta Tiorka, ary tsy nanao afa-tsy ny nanaratsy kokoa ny toe-draharaha ny tsy firaharahian-dry zareo amin'ny tokony hametrahana politika hitadiavam-bahaolana amin'ny olan'ny Kiorda ao Tiorkia.

Tamin'ny faritra betsaka ao Kiordistana, nisy ny hetsi-panoherana ho fanehoam-piraisankina saigy na teo aza ny fifantohan-tsaina azon'ireo nanao fitokonana tsy hihinan-kanina tany avy any amin'ireo faritra Kiorda, vitsy ihany ireo mpampahalala vaovao mahazatra no mba nitatitra momba ilay fitokonana tsy hihinan-kanina. Ny tsy fahampian'ny rako-baovao dia nahatezitra Kiorda maro, izay nampiasa n y tambajotra sosialy hamoahana ny feony. Hulya, avy any Liverpool, miteny hoe:

@hulyaulas: Notsinontsinoavin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra erantany ny goavana indrindra amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina noho ny resaka politika teo amin'ny tantaran'ireo Kiorda gadra noho ny politika.

Dirman manampy hoe :

@dirman95: Tena sarotra be ny hihinana nefa mahalala fa efa nandritra ny 51 andro ny fitokonana tsy hihin… mankaloiloy.

“The Stream”, fandaharan'ny Al Jazeera no hany fampahalalam-baovao iraisam-pirenena fanta-daza nanasongadina ny maha-saropady an'ilay fitokonana tsy hihinan-kanina. Nampiasa ny tambajotra sosialy famoahany vaovao ry zareo mba hanairana ny saina. Ohatra, tsy ela akory izay dia nibitsika ry zareo hoe:

@ajstream: Nahoana ny governemanta sy ny mpampahalala vaovao ao Tiorka no nanamaivana ilay fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'ireo Kiorda 715 migadra noho ny politika?

Nisy fanangonan-tsonia iray tety anaty aterineto nalefa, nahazo mpanohana 3.451 hatreto, izay mangataka ny governemanta Tiorka hiroso amin'ny fifanakalozan-dresaka manatsara zavatra miaraka amin'ireo gadra. Maneho hevitra i Judith Butler avy any Berkeley:

Tsy maintsy miditra aminà fifanakalozan-dresaka matotra miaraka amin'ireo gadra ireo ny governemanta Tiorka, dia ireo izay manao sorona ny ainy ho fampibaribariana ny tsy rariny iainan-dry zareo.

KurdishBlogger.com nampakatra ity sary manaraka ity tao amin'ny Facebook :

Ireo Kiorda ao Slemani, atsimon'i Kiordistana maneho firaisankina amin'ireo Kiorda rahalahy sy anabavin-dry zareo (mpiara-mifonja  682 raha kely indrindra) izay manao fitokonana tsy hihinan-kanina any amin'ireo fonja 67 manerana an'i Tiorkia.

Ary Tara Fatehi, Kiorda iray mafàna fo any Aostralia, dia naneho ny hatezerany amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena:

An'arivony ireo Kiorda gadra noho ny politika no mitokona tsy mihinan-kanina nanomboka tamin'ny 12 Sept ary ny fianakaviambe iraisampirenena kosa mitohy mangina. Ity no hanoanana Kiorda ho an'ny fahalalahana, sy tsangan-kevitra vaovao akory io. Efa nitolona ho an'ny zo, fandriampahalenana ary fahalalahana nandritra ny ampolon-taona maro ny Kiorda. Mahalaza azy tsara i Hannelore Kuchlersaid  “Firenena iray atao takalon'aina i Kiordistana.” ary ny hany ataon'ny fampahalalam-baovo iraisam-pirenena dia ny manao izayu hinoanareo fa resaka mikasika an'i Abdullah Ocalan sy ny PKK fotsiny izy ity. Ny hanànana ny zo fototra maha-olona eo amin'ny tanin-dry zareo no resaka eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny