Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Famaizana an'i Iran: Iza No Nangalatra Ny Fanafodiko?

Ity lahatsoratr'i Peyman Majidzadeh ity dia i Arseh Sevom no namoaka azy voalohany indrindra.

Tena ratsy fiantraika amin'ny ain'ireo marary 6 tapitrisa ao Iran ny tsy fahampian'ny fanafody, fiantraika mivantan'ny famaizana tsy mbola nisy toa azy mihatra aminy. Fanampin'ny famaivana efa misy manangoly, nifanaiky ireo minisitry ny Fiombonambe Eoropeana tamin'ny 15 Oktobra 2012 fa hametraka andiam-pamaizana vaovao ho an'i Iran. Ireo famaizana vaovao ireo dia mandràra ny fanafarana entona voajanahary avy any amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran. Tafiditra anatin'ny tetikady roa ahitàna ny diplaomasia sy ny tsindry. Tsy zava-miafina amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena fa misy fiantraikany mahatsiravina amin'ireo olon-tsotra, indrindra fa ny marary ao Iran, nt tetikadin-dry zareo hanoka-monina bebe kokoa an'i Iran.

Ny Washington Post dia nanasongadina ny zava-misy, nanamafy hoe :

“Ny fiantraikany [famaizana], hoy ireo manampahaizana manokana, dia tsapan'ireo mararin'ny homamiadana sy ireo izay tsaboina noho ny aretina saro-bahana toy ny  hemophilia, “sclérose en plaques” sy ny “thalassémie”, hatramin'ireo marary nanaovana famindràna taova sy manao dialyse noho ny fahavoazan'ny voa, izay tsy misy na iray aza afaka hanajanona na hanemotra ny famatsiana azy ara-pitsaboana.”

Fatemeh Hashemi, lehiben'ny “Foundation for Special Diseases“, misahana ireo aretina miavaka, koa dia niloa-peo nilaza ny ahiahiny manoloana ny zavagtra iainan'ireo marary 6 tapitrisa ao Iran iantraikàn'ny teritery ataon'ny banky momba ny fanafàrana fanafody. Notsindriany fa ireo mararin'ny homamiadana sy ny ”sclérose en plaques” no tena voa mafy amin'ny tsy fahampian'ny fanafody, nefa ireo mararin'ny ”thalassémie” sy ireo manao dialyse koa dia misedra zavatra tsy eran'ny aina. Tanaty taratasy iray ho an'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, Ban Ki-moon, nangataka izy ny mba “hanaisorana ireo famaizana noho izy ireo manana endrika politika sady manaporofo ny tsy firaharahàna ireo marary ao Iran.” Tena nanasarotra dia nanasarotra ny fifandraisana amin'ny banky tokoa ireo falaizana, ary eny fa hatramin'ny “tsy fahampiana” any amin'ny sehatra sasany aza. Marina mihitsy io na dia tsy nikendrena manokana ny resaka varotra fanafody sy ny fitaovana fitsaboana ho an'i Iran aza ireo famaizana, hoy i Hashemi nanampy.

Where is my medicine?

Ny sasany manamafy fa mampiseho indrindra ny vokatra nandrasana tamin'ireo famaizana izy io. Inoan-dry zareo fa ireo famaizana ireo dia miasa hitarika ny manampahefana Iraniana hiresaka momba ny nokleary, mandray azy io ho sanda tsy azo ihodivirana tsy maintsy aloan'ny fiarahamonina Iraniana ho an'ny fiovàna. Mipetraka foana ny fanontaniana hoe ahoana raha toa ireo sanda tsy mamokatra? Iza no homena tsiny amin'ny fahafatesana na hirifirin'ireo olon-tsotra ao Iran? Ny fianakaviambe iraisam-pirenena sa ny manampahefana ao Iran?

Hesam ao amin'ny bilaoginy [fa] dia manome famintinana azon'ny saina takarina tsara avy amin'ireo media mikasika ity lohahevitra ity sady mitanisa ny nambaran'ny mararin'ny thalassémie iray: [miresaka ny tsy fahampian'ny fanafody] :

“Heveriko fa ny hahafongana any mihitsy no tadiavin-dry zareo!”

Anatinà bilaogy iray natokana ho an'ireo mararin'ny “sclérose en plaques”, MS Irani [fa], mpanoratra azy dia nanolotra lisitra misy fanafody 50 saro-tadiavina sady miteny fa io lisitra io dia mitombo halavàna isanandro vaky. Manamafy izy fa vokatry ny famaizana ara-toekarena, mitranga ao Iran ny olana ara-panafody. Amin'izao fotoana dia voafetra ho an'ireo manana aretina voafaritra ity olana ity, ireo izay ampahany vitsy monja amin'ny vahoaka; saingy hitombo atsy ho atsy ny olana ho an'ny vahoaka amin'ny ankapobeny. Mino izy fa ny olana dia mitoetra eo amin'ny famatsiana ny akora fototra hamokarana azy ireny ao an-toerana. Ny mpanoratra dia mamerina ny filazany fa tsy ny fanafody irery ihany no fay , fa ny fahasarotana amin'ny resaka fandraharahàna ara-bola izay mitarika amin'ny tsy fahampian'ireo fanafody sasantsasany voafaritra. Mampitandrina izy momba ny vokatra tsy ampoizina avy amin'ireo fanafody sy akora nafarana avy any Shina sy India mba hanentsenana ny banga, ampiany hoe tsy ny vokatra tsy ampoizina ihany sy ny tsy fahampiana manjo ny fahafaha-mahazo fanafody, fa koa ny fisondrotam-bidy tampoka teo ho 30% hatramin'ny 40% dia isan'ny mandray anjara amin'ny fisian'ity olana ity

Nei C [fa] miteny hoe:

“Efa ato an-tokantranonay izao ny famaizana. Tsy ela akory izay, nodidiana ny renibeko. Tsy fantatro raha niharan'ny famaizana koa ny fanafody fampitoniana hirifiry na tsia fa rehefa saika hanaisotra ny zaitra tamin'ny renibeko ilay mpitsabo mpanampy dia tsy nampiasa fanafody fampitoniana hirifiry noho ny tsy fisiany. Toran'ny fanaintainana ny renibeko… Ny nenitoako, mbola tanora, dia mararin'ny ”sclérose en plaques”. Tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mandoa lafo noho ny tany aloha ny fanafodiny izy, fa mila koa miatrika ny tsy fahampiany. Ny fanahiana ‘hahita ny fanafodiko ihany ve aho?’ dia miteraka rarin-tsaina goavana ho an'ny olona iray mararin'ny “sclérose en plaques”.

Ahmad dia niresaka momba ireo mararin'ny hemophilia ary namoaka taratasy iray ho an'ny lehiben'ny OMS ao amin'ny bilaoginy [fa]. Ilay taratasy dia manazava ny fisedrana henjana sy ny olana atrehan'ireo mararin'ny hemophilia amin'ny fahazoan'izy ireny ny fanafody ilainy.

Marzieh, ao anaty lahatsoratra am-bilaogy iray mitondra ny lohateny hoe “Sanction is a chic name for war” [fa] Famaizana, anarana iray mahafatifaty mendrika ho an'ny ady, dia miteny hoe :

“Ny famaizana dia midika fisondrotam-body ho anay, saingy koa manala aina olona marobe. Raha misy olona maty an'ady na fifandonana mitam-piadiana, olana be izay, manjary lohateny vaventy anaty fampahalalam-baovao, tonga dia maka fepetra ny olona manoloana izany; nefa tsy fantatra hoe olona firy no maty hatreto vokatry ny famaizana, firy no efa novonoina, firy no efa namoy ny ainy. Ny ady dia famonoana mitabataba raha misoko mangina kosa ny an'ny famaizana. Sahala amin'ny hoe nampangiana ady iray mba tsy ho re feo ry zareo. Angamba tsy ho antsika, fa ho an'ireo izay miatrika aretina voafaritra, ireo famaizana ireo dia zava-doza lavitra noho ny ady; satria navela hiady irery ry zareo miatrika ny olany. Olon'olon-tokana ny an-dry zareo fa tsy olan'ny daholobe. Vokatr'izay dia tsy lazaina mihitsy any anaty vaovao any, na fandalinana na fanambaràna momba ny zon'olombelona ny hirifirin-dry zareo.”

Ny hajiantsary maneho pilina fanafody dia sary natao ho an'ny daholobe nindramina tamin'ny U.S. National Institutes of Health (Ivontoeram-Pirenana Amerikana ho an'ny Fahasalamana).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny