- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombiana ‘Tiger’ Radamel Falcao, Voatendry Anisan'ny Ballon d'Or FIFA

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

Namoaka fanentanana fampahafantarana ilay mpanafika Kolombiana Radamel Falcao [1] mifaninana ho lasa  Ballon d'Or FIFA [2] 2012 ny klioba baolina kitra Espaniola Atlético de Madrid [3]

Mitondra ny lohateny hoe “Falcao: Liona Volamena” ny ao amin'ny fanentanana, izay ahitana sary manodidina ny Kianja Vicente Calderón [4], ary nosoloina sarinà lohanà liona ireo takelaby (panneau de signalization) tamin’izany..

Ahitana mozika misy ilay hira malaza “Eye of the tiger” (mason’ilay liona) hiran’i Survivor ny lahatsary. Survivor, fantatra toy ilay sarimihetsika “Rocky III”. Notontosain’i Chiara Mastroianni ny fandraketana ilay hira ao amin’ny lahatsary.

Toy izao ny fiafaran'ny lahatsary: “Tongasoa aty Calderón: Fonenan'ny Liona”.

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=_9-ylB5imFk [5]

Tafita teny amin’ny Kolombiana ilay fanentanana, izay nizara [6] [es] ny lahatsary ary naneho hevitra tao amin’ny Twitter tamin’ny alalan’ny tenifototra #UnTigreDeOro  [7][es] (Liona volamena). Na dia maro be aza ireo olona nampiseho fientanam-po [8] [es] tamin’izany, ny sasany kosa naneho ny ahiahiny [9] [es] mikasika ny mety ahazoan’ilay Kolombiana izany voninahitra izany mitaha amin’ireo mpilalao baolina kitra tahaka  an’i Lionel Messi [10] sy Cristiano Ronaldo [11], ohatra.

Tomás Chalela (@Tomastxa [12]) [es] mitaraina ny amin’ny hoe Falcao hifanandrina amin’i Messi, izay fantany tsara fa mpilalao baolina kitra mahay indrindra:

@Tomastxa [13]: Falcao es un monstruo, pero no le alcanza para balón de oro. Tuvo la “mala suerte” de jugar en época de Messi que es mejor que todos, lejos.

@Tomastxa [13]: Mahay ny Falcao, saingy tsy ampy izany raha te ho lasa “Baolina Volamena”. “Ratsy vintana” izy raha milalao ao anatin'ny vanim-potoana ilalaovan'i Messi, izay tsara lavitra mihoatra noho ny rehetra.

Sebastián Bermeo (@SebastianBermeo [14]) [es] nanohana an’i Falcao ary nilaza fa afa-po:

@SebastianBermeo [15]: #QueLoSepaElMundo [16] Falcao es un orgullo para todo un país y para mi tiene ganar el balón de oro.

@SebastianBermeo [15]#QueLoSepaElMundo [16] (Aoka ho fantatr’izao tontolo izao) reharehan’ny  firenena i Falcao, ary amiko, tokony hahazo ny Baolina Volamena izy.

Etsy andaniny, maro ireo mpiserasera no niresaka [17][es] tao amin’ny Twitter mikasika ny fanambaran’ilay mpilalao baolina kitra taloha, Faustino Asprilla  [18][es]: “sarotra ho an’i Falcao ny handrombaka ny Baolina Volamena raha any Atlético de Madrid”.

Amin’ireo Kolombiana maro be, miha-mitombo ny fanohanana an’i Falcao [19] [es].

Nandritra izany, naneho ny fankasitrahany tao amin’ny amin’ny kaonty Twitter-ny ofisialy i Radamel Falcao (@FALCAO [20]) [es]:

@FALCAO [21]: “@Atleti [22]: VÍDEO. @Falcao [20] suena para el balón de oro. Cuidado, #UnTigreDeOro [7] anda suelto en el Calderón: http://ow.ly/eMIBZ  [23] ;)” Gracias!!!

@FALCAO [21]: “@Atleti [22]: LAHATSARY. @Falcao [20] mety hahazo ny Baolina Volamena. Tandremo, #UnTigreDeOro [7] tsy tana ao Calderón: http://ow.ly/eMIBZ  [23] ;)” Misaotra!!!