Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Kolombiana ‘Tiger’ Radamel Falcao, Voatendry Anisan'ny Ballon d'Or FIFA

Namoaka fanentanana fampahafantarana ilay mpanafika Kolombiana Radamel Falcao mifaninana ho lasa  Ballon d'Or FIFA 2012 ny klioba baolina kitra Espaniola Atlético de Madrid

Mitondra ny lohateny hoe “Falcao: Liona Volamena” ny ao amin'ny fanentanana, izay ahitana sary manodidina ny Kianja Vicente Calderón, ary nosoloina sarinà lohanà liona ireo takelaby (panneau de signalization) tamin’izany..

Ahitana mozika misy ilay hira malaza “Eye of the tiger” (mason’ilay liona) hiran’i Survivor ny lahatsary. Survivor, fantatra toy ilay sarimihetsika “Rocky III”. Notontosain’i Chiara Mastroianni ny fandraketana ilay hira ao amin’ny lahatsary.

Toy izao ny fiafaran'ny lahatsary: “Tongasoa aty Calderón: Fonenan'ny Liona”.

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=_9-ylB5imFk

Tafita teny amin’ny Kolombiana ilay fanentanana, izay nizara [es] ny lahatsary ary naneho hevitra tao amin’ny Twitter tamin’ny alalan’ny tenifototra #UnTigreDeOro [es] (Liona volamena). Na dia maro be aza ireo olona nampiseho fientanam-po [es] tamin’izany, ny sasany kosa naneho ny ahiahiny [es] mikasika ny mety ahazoan’ilay Kolombiana izany voninahitra izany mitaha amin’ireo mpilalao baolina kitra tahaka  an’i Lionel Messi sy Cristiano Ronaldo, ohatra.

Tomás Chalela (@Tomastxa) [es] mitaraina ny amin’ny hoe Falcao hifanandrina amin’i Messi, izay fantany tsara fa mpilalao baolina kitra mahay indrindra:

@Tomastxa: Falcao es un monstruo, pero no le alcanza para balón de oro. Tuvo la “mala suerte” de jugar en época de Messi que es mejor que todos, lejos.

@Tomastxa: Mahay ny Falcao, saingy tsy ampy izany raha te ho lasa “Baolina Volamena”. “Ratsy vintana” izy raha milalao ao anatin'ny vanim-potoana ilalaovan'i Messi, izay tsara lavitra mihoatra noho ny rehetra.

Sebastián Bermeo (@SebastianBermeo) [es] nanohana an’i Falcao ary nilaza fa afa-po:

@SebastianBermeo: #QueLoSepaElMundo Falcao es un orgullo para todo un país y para mi tiene ganar el balón de oro.

@SebastianBermeo#QueLoSepaElMundo (Aoka ho fantatr’izao tontolo izao) reharehan’ny  firenena i Falcao, ary amiko, tokony hahazo ny Baolina Volamena izy.

Etsy andaniny, maro ireo mpiserasera no niresaka [es] tao amin’ny Twitter mikasika ny fanambaran’ilay mpilalao baolina kitra taloha, Faustino Asprilla [es]: “sarotra ho an’i Falcao ny handrombaka ny Baolina Volamena raha any Atlético de Madrid”.

Amin’ireo Kolombiana maro be, miha-mitombo ny fanohanana an’i Falcao [es].

Nandritra izany, naneho ny fankasitrahany tao amin’ny amin’ny kaonty Twitter-ny ofisialy i Radamel Falcao (@FALCAO) [es]:

@FALCAO: “@Atleti: VÍDEO. @Falcao suena para el balón de oro. Cuidado, #UnTigreDeOro anda suelto en el Calderón: http://ow.ly/eMIBZ  ;)” Gracias!!!

@FALCAO: “@Atleti: LAHATSARY. @Falcao mety hahazo ny Baolina Volamena. Tandremo, #UnTigreDeOro tsy tana ao Calderón: http://ow.ly/eMIBZ  ;)” Misaotra!!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny