- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fomba Fijery Afrikana Mikasika ny Fifidianana Amerikana 2012

Sokajy: Afrika Mainty, Etazonia, Kamerona, Madagasikara, Oganda, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Mediam-bahoaka

Atao amin'ny 6 Novambra 2012 ny fifidianana filoham-pirenena any Etazonia, ary mazava fa toa tsy maintsy hisy fiantraikany goavana sy maharitra eo amin'ny fitondrana ny hoavin'ny firenena eo amin'ny lafin'ny politikam-pifandraisana amin'ny any ivelany ny vokatry ny fifaninanana satria tafiditra lalina amin'ny zava-misy eo an-toerana ny fampielezan-kevitra. Tena mihatra aman'aina ihany koa ireo fanamby hoan'ny mpifanerasera ara-diplomatika amin'i Etazonia, isan'izany ireo avy amin'ny kaontinanta Afrikana arahin'ireo asa sarotsarotra atao amin'ny Krizin'i Mali [1] sy ny olana maro samihafa.

Vokany, tena arahin'ireo mpitoraka bilaogy Afrikana maso akaiky na ny fomba fitondran'ny mpilatsaka ho Filoha Amerikana ny resaka mikasika ny diplomasia Afrikana na ireo vinavinan'asa ho ataony raha lany izy.

Raha zohina dia somary misy kokoa ny fahasamihafana [2] eo amin'i Barack Obama sy mpifanandrina aminy i Mitt Romney amin'ny ankapobeny, na dia nasehon’ izy ireo aza fa vonona izy ireo ny haka ny toeran'ny mpanohitra mikasika ny tsy fifankahazoan-kevitra mikasika ny Lohataona Arabo [3] eo amin'ny tetik'ady amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena raha fitaovana ara-politika no itondrana azy.

Ny lafin-javatra iray mba saika niarahan'izy ireo niombon-kevitra dia ny maha-zava-dehibe ny varotra. Nanoratra toy izao ny mpampiasa Twitter, mitatitra ny lahatenin'i Romney tao amin'ny Clinton Global Initiative:

@AnnieFeighery [4]: Fototry ny fandaharam-potoany amin'ny fanampiana ny fifaneraserana ara-barotra #Romney #CGI2012

@MahaRafiAtal [5]: Manome soso-kevitra ny hampiditra ny fanampiana & ny varotra: hiditra amin'ny firenena ny $ izay mampiato ny fifampidinihana amin'ny fampiasam-bola miaraka amin'i Etazonia/mametraka fanovana eo amin'ny tsena. #cgi2012

Delegates from Madagascar and Mali at the Young African Leaders Forum Hosted by Obama. Image taken by author. [6]

Solonten'i Madagasikara sy Mali tamin'ny Young African Leaders Forum Nampiantranoan'i Obama. Sary nalain'i mpanoratra.

Naneho fomba fijery mitovy amin'izany ihany koa ny Filoha  Obama mikasika ny varotra sy ny adihevitra eo amin'ny fanampiana. Nohazavain'i Tom Murphy ny fitovizan [7]:

Iray amin'ny zavatra notsindrian'ny fitantanana Obama ny fiovana avy amin'ny fanampiana mankany amin'ny varotra amin'ny alalan'ny politika sy fanamarihana. Ahitana andry efatra hoan'ny faritra ny paikady June hoan'i Afrikana atsimon'i Sahara: Hamafisina ny rafitra ara-demokratika; Entanina ny fampiroboroboana ara-toekarena, varotra, ary fampiasam-bola, Hampandrosoana ny fandriampahalemana sy ny fiarovana, ary Homena lanja ny sehatra vaovao sy ny fampandrosoana. Somary naka tahaka ny politikan'ny andrin'ny fitantanan'i Obama i Romney milaza fa tokony hivantana amin'ny filàna maha-olombelona ny fanampiana ho an'ny firenena vahiny, handrisika ny paikady hoan'ny tombontsoan'i Etazonia ary hampiasa ny fanampiana hampiakarana ny vahoaka sy hanome fiovana maharitra.

 

Fomba fijerin'ireo mpitoraka bilaogy Afrikana 

Etsy ankilany kosa, mamakafaka ireo mpitoraka bilaogy Afrikana amin'ny hoe inona no ateraky ny fididanana ary inona no mety azo antenaina amin'ny kandidà isan'isany.

Manaiky i Francois-Xavier Ada avy any Kamerona fa kely no hanasaraka ny vaton'i Obama sy i Romney. Miaro ny heviny izy ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Ny hadisoan'i Obama vs Romney [8]‘:

Tsy mety afaka ao an-tsaiko fotsiny izao ny hevitra hoe misy ny mahasamihafa eo amin'i Obama sy i Romney mikasika ny politika hoan'ny firenena vahiny [..] Tsy mitovy izy ireo raha ny hevitro no anontanianao. Tsy nihena akory na kely aza ny fisian'ny miaramila Amerikana any Afovoany Atsinanana; izany no fiarovan-kevitra nentin'ny Amerikana hanamarinana ny fitondran-tenany tia setrasetra.

Andao hatomboka amin'i Afrika sy ny Africom. Fanontaniana tsotra: aiza ny lojika ao ambadiky ny fanofanana sy ny fanomezana fitaovana ny miaramila any amin'ny kaontinanta izay rava sy mbola amperin'ady? I Etazonia no mamatsy ny fisainana sy ny fiofanana hiady amin'ny miaramila manerana ny kaontinanta, avy any Maoritania any andrefana hatrany Somalia.

I George Bamu no nanangana ny bilaogy Africa Agenda ary koa ny Kameroney. Mitaraina amin'ny tsy fijerena an'i Afrika izy ao amin'ny lahatsoratra ao amin'ny Africa Agenda, eo amin'ny olana ara-politikan'ny fifaneraserana amin'ny firenena vahiny avy amin'ny andaniny roa. Manoratra izy hoe [9]:

Voakiana ny fitantanan'i Obama amin'ny tsy fitandremana loatra ny kaontinanta raha toa ny ezaka ataon'izy ireo ka mifantoka amin'ny olana Afrikana, ny fampihorohoroana any amin'ny tendron'i Afrika, fiahiana ara-tsakafo any Afrika, ezaka amin'ny ady amin'ny VIH SIDA. [..] Mety hahita na tsia fotoana hanararaotana hametrahana amin'ny toerany ny politika Afrikana izy, rehefa vita ny fifidianana. Ho an'i Mitt Romney, kosa, tsy dia mazava loatra hoe inona no ataony, hoan'i Afrika. Hatreto aloha mbola tsy ampy ny tolotra mahakasika ny mety hisian'ny drafitr'asa politika hoan'i Afrika izay mety ho arahin'ny fitantanan'i Romney. Mety tsy ho tazana eto avokoa ny zavatra rehetra eritreretin'ireo kandidà ho an'i Afrika, na dia hita aza fa toa mirona amin'ny ezaka any Sina , ny extremisme sy ny jiolahin-tsambo any Somalia, ny mpampihorohoro any Nizeria ary ny ny “fitondrana tsy mijoro” any Sodàna, Zimbabwe sy ny Repoblika Demokratikan'i Kongo izy ireo.

Manampy izao manaraka izao i George Bamu raha manoratra mikasika ny fomba fijery Afrikana mikasika an'i Mitt Romney:

Fa inona koa moa no fantatry ny Afrikana mikasika an'i Mitt Romney, ilay kandidà? Nilaza tamin'ny Mpanolo-kevitra amin'ny Fifandraisana Iraisam-pirenena Amerikana i Moeletsi Mbeki, Mpanampy ny Talen'ny ao amin'ny sampan-draharaha iraisam-pirenena Afrikana Tatsimo tao amin'ny “A South African Take on the U.S Race” fa tsy mahalala na inona na inona mikasika an'i Mitt Romney ny Afrikana raha tsy izao izy hifaninana amin'i Obama izao.

Manome ny fomba fijeriny mikasika ny fifaninana ho filoham-pirenena Amerikana i Farouk Kayondo, mpanoratra ny vaovao ao amin'ny Fahitalavitra sady mpanolotra ao amin'ny Uganda Broadcasting Corporation, ato amin'ity lahatsary avy amin'ny TV2Africa ity:

Etsy andanin'izany, any Mahajanga, Madagasikara, manazava i Vero Andrianarisoa fa efa vonona sahala amin'izany ihany koa ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara ho amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena [10] [fr]:

Madagascar est à la veille d'élections. Pour mieux se préparer et pour pouvoir maîtriser les différents procédés dans le domaine, le pays a grandement besoin d'apprendre des autres nations démocratiques afin de pouvoir mieux les organiser.

Eo am-piandrasana ny fifidianany ihany koa i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Afaka maka lesona tsara amin'ny demokrasian'ny hafa ny firenena hiomanany sy hitondrany tsara ny fifidianana, ary mba hikarakarany tsara ny fifidianana.

Raha fehezina, tsy ny olon-drehetra akory no resy lahatra fa fakan-tahaka tsara ho an'i Afrika i Etazonia. Mamaritra ny fampanantenana tsy tanteraka [11] sasantsasany [fr] avy amin'ny tahirin-dresak'i Obama miaraka amin'i Afrika ao amin'ny teniny voalohany i Sébastien Perimony:

L’espoir qu’avait suscité l’élection de Barack Obama en Afrique a fait pschitt ! Les fantasmes ont disparu et laissent place aujourd’hui à une colère grandissante des populations africaines, qui attendaient un changement de politique. Au lieu de quoi elles se retrouvent envahies par les forces spéciales de l’armée américaine, pour lesquelles le gouvernement dépense des millions de dollars qui auraient dû servir, par exemple, dans la corne de l’Afrique, à une aide alimentaire

Levona toy ny tsy teo ny fanantenana nateraky ny fifidianana an'i Barack Obama tany Afrika. Tsy tanteraka ny nofy ary dia nihitatra izany nampitombo ny fankahalan'ny Afrikana hiandry ny fiovana ara-politika. Fanampin'izany, nidiran'ny tafika Amerikana  manokana an-keriny izay andanian'ny governemanta dolara an-tapitrisany izy ireo. Ireo vola an-tapitrisany ireo izay tokony afaka nampiasaina amin'ny tsy fahampian-tsakafo any amin'ny Tendron'i Afrika.

Nrafitr'i Michael Evans [12] ity lahatsoratra ity.