Toekaren'i Malaoi: Tondrombohitra Avo Sarotra Anihana Ve?

Nanomboka ny Aprily 2012, rehefa nandray ny fitantanana ny governemanta teo ambany fitarihan'i Bingu wa Mutharika i Joyce Banda, nifangaro ho an-dry zareo Malaoita ny fanantenana sy ny hadisoam-panantenana.

Ny fikambanambe iraisampirenena feno toky dia nanolotra tohana ara-bola vitsivitsy hoan'ny firenena, izay naato nandritra ny naha-filoha an'i Mutharika, taoran'ny fiovàna mafonja ara-pitantanana sy ara-bola nataon'ny filoha vaovaon'i Malaoi. Nihatsara avy hatrany ny fivahan'ny olana ara-tsolika sy vola vahiny.

Timy volana teo ho eo taty aoriana, nambara tamin'ireo Malaoita fa ny Drafi-panarenana 18 volana ho an'ny Toekarena no valin-kafatra ho an'ny fanamby ara-toekaren'ny firenena; niteraka fanehoan-kevitra maro sy valinteny avy amin'ny mpikirakira aterineto tamin'ny fomba samihafa io.

Malawi's first female President Joyce Banda. Photo source: Friends of Joyce Banda Facebook page.

Ny vehivavy voalohany lasa filoham-pirenena tao Malaoi, Joyce Banda. Loharanon-tsary: pejy Facebook-n'ireo naman'i Joyce Banda.

Watipaso Mkandawire, tanaty lahatsoratra iray nomeny lohateny hoe ‘Tendrombohitra Avo Loatra‘, dia manazava ireo tena zava-misy amin'ny toekarena ao Malaoi :

Zara raha 5 volana minja taorian'ny nandraisana ny Drafitra No. 1, ny toekarena, dia misedra akom-pimonomononana misonga isanandro. Ireo fanamby goavana dia ahitàna; fisondrotam-bidin'ny filàna fototra, fisondrotn'nyvidin-tsolika, fiverenan'ny filaharam-be, fihazakazahan'ny fitontonganan'ny sandam-bola ; saranga ambany sy antnontonon tsy faly; fotam-piotazana ravim-paraky zara raha misy, olona 1,2 tapitrisa òiatrika kere; etc. Maro ireompanara-maso no milaza fa JB sy ny Antokom-Bahoakany dia tsy manana vina ho an'i Malaoi ary izay hitantsika dia “Governemantan'ny Fitazonana aina”.  Amin'ny tsy fitanilàna, JB dia nandova toekarena iray izay efa nandohalika (raha tsy efa nandady aza) ary efa saiky banky rovitra hatrany ny firenena.

Mpikirakira media efa ela nihetezana i Levi Manda, miresaka miaraka aminà namana iray mivahiny mikasika tetibola iray mitdika amin'ny mahantra :

“Manome vahana ny tsy famokarana ity firenena ity: ministra ao amin'ny governemanta, mpitondra fivavahana, Solombavambahaka, lehibe samihafa, filohanà andrim-panjakana ary ireo vahoaka tena kamo.”
“Ahoana?”
“Misitraka fahafahna manafatra entana tsy misy haba ireo ministra sy solombavambahoaka, fitaterna maimaim-poana, iantohana trano fonenana, fanambadiana malalaka, tombontsoa tsy voafetra sy tsy misy hetra; ireo lehibe indray misitraka fiantohana trano fonenana sy karama. Ny taona lasa iny, sekretera ambony iray no naka ho an'ny tenany manokana vola ho an'ny fialantsasatra isan-taona efa hifanandrify amin'ny 1000 andro fitsaharana!”

Kanefa, fantatry ny filoha tsara ny zava-misy ara-toekarena, dia tahaka ny hoe nanao ezaka hiatrehana  ny olana ara-bolan'ny firenena tamin'ny nampihenany ny karamany manokana. Mitatitra i Kondwani Munthali, mpanao gazety :

“Ho fanohanana ireo fepetram-pitsitsiana, ny Filoha sy ny Lefitry ny Filoha dia nanapa-kevitra samirery hampihena ny karaman'izy ireo isam-bolana hatramin'ny 30 isan-jato ary mihatra avy hatrany. Mandinika fatratra ihany koa ny governemanta mikasika fepetra fanapahana hafa ary ireny dia hambara amin'ny fotoana maha-mety azy,” hy i Kachali.Momba ny Drafi-Panarenana ny Toekarena, nilaza ny Lefitry ny Filoha fa nahita sehatra stratejika dimy izay afaka mihodina malaky be ho an'ny toekarena sintonina avy amin'ny fanondranana entana sy famokarana vola vahiny.

Noraisin'ny sehatra rehetra ao Malaoi tsara tokoa ity vaovao ity. Amin'ny ankapobeny, miandrandra fatratra ny fiarenan'ny toekarena ry zareo Malaoita, fiarenana izay hatreto dia lasa lohahevitra mafana ao amin'ny firenena arakaraky ny hanakaikezan'ny fifidianana ho filoham-pirenena manaraka hatao ny May 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.