Goiana: Mampitroatra Ireo Mpisolovava Mpiaro Amin'ny Herisetra Ny Seho An-tsehatr'i Chris Brown Hatao Atsy Ho Atsy

Tamin'ny 2009, rehefa niely ny vaovao fa nidaroka an'i Rihanna, mpihira teratany Barbadiana manga feo ny olon-tiany tamin'izany fotoana, Chris Brown, dia tezitra ireo mpitoraka bilaogy tao Karaiba.

Nampifantoka ny saina tamin'ny herisetra anatiny io olana io, izay hita any amin'ireo faritany maro ary nahatonga fihetseham-po mafy avy amin'ireo mpampiasa aterineto, indrindra taorian'ny nandàvan'i Rihanna ny hampiasa ny fahefany amin'ny maha-mpanakanto azy hanangam-peo hanohitra ny herisetra amin'ny miralenta. Ny fiombonan'ireo mpifankatia taorian'io raharaha io dia nandany ny hatsaram-po mety hasehon'ireo mpampiasa aterineto an'ilay mpihira.

Telo taona fotsiny taty aoriana, mbola tsy maina ny ratra. Maneho ny tsy hafaliany ny bilaogy roa rehefa naheno feo mikasika ny seho an-tsehatr'i Chris Brown ho avy izao any Georgetown izay araka ny re dia tohanan'ny governemanta Goianey (fara-faharatsiny amin'ny alalan'ny fanamaivanana ny hetra).

Rihanna performing. CC Image by Eva Rinaldi Celebrity and Live Music Photographer.

Seho an-tsehatr'i Rihanna. CC Sary an'i Eva Rinaldi, mpaka sary ny Olo-malaza sy ny Seho an-tsehatra.

Manazava ny Code Red:

Mandà ny fanohanan'ny governemanta ny seho an-tsehatr'i Chris Brown ireo  Goianey mpisolo vava ny rariny ara-tsosialy.

Misy ireo mafàna fo sasany milaza fa tokony havela hiakatra an-tsehatra i Chris Brown nefa kosa tokony hirotsaka anatin'ny fanohanana an'ireo avotra avy amin'ny herisetran'ny olon-tiana ny vola azo avy amin'io seho an-tsehatra io. Ny hafa mankatoa ny ‘zony’ hiseho an-tsehatra any Goiana nefa mametra-panontaniana amin'ny fampiasàna ny volan'ny mpandoa hetra hanohanana ny fisehoany an-tsehatra.

Misy mafana fo vitsivitsy mametrak'olana amin'ny fifandrifian'ny fisehoan'i Chris Brown an-tsehatra amin'ny 16 andron'ny Hafanam-po Enti-manohitra ny Herisetra Mifototra amin'ny miralenta.

Mangataka tsikera avy amin'ny mpamaky azy mikasika io olana io ilay bilaogy, manamarika fa…

mateti-pitranga sy mahatsiravina ny tatitra mikasika ny herisetra anatiny ao Goiana, tahaka ny hita any amin'ireo toerana maro eraky ny faritany, vehivavy no maro tratran'ireo famonoana eo amin'ny mpifankatia (féminicides).

…ary manindry fa:

Voalaza fa tsy mamela azy hiasa any Grande Bretagne ny rakitry ny asa ratsy nataon'i Chris Brown.

Namerina namoaka taratasy iray ho an'ny tonian-dahatsoratra izay nampiditra resaka mikasika ny famelàna an'i Brown hiseho an-tsehatra any Goiana ny Save Guyana:

Chris Brown on stage. CC image by Eva Rinaldi Celebrity and Live Music Photographer.

Chris Brown mandritra ny fiakarany an-tsehatra. CC sary an'i Eva Rinaldi Mpaka sary Olo-malaza sy Seho an-tsehatra.

Tahaka ny hoe mbola tsy tena hafahafa ny fiainana any Goiana, mamaky isika fa anatin'ny anjara asan'ny Governemantan'i Goiana amin'ny fampiroboroboany ny fizahantany ny fitondrana an'i Chris Brown ao Goiana. Nahazo laza fanampiny i Chris Brown noho ny fidarohany ny olon-tiany, Rihanna.

Tahaka ireo lehilahy maro mpidaroka vehivavy any Goiana, tsy niditra an-tranomaizina noho ny fihetsiny i Chris Brown. Any Goiana, tsy afaka manome fanohanana ara-bola an'ireo fandaharanasa mikasika ny daroka miseho an-tokantrano izay ilaina hanarenana ireo lehilahy tahaka an'i Chris Brown ny Governemanta sy ny Sehatra tsy miankina.

Toa tsikaritra fa te-hitarka antsika hamela heloka an'i Chris Brown noho ny hadisoany ny Governemantan'i Goiana sy ny Sehatra tsy miankina ary ireo mpankafy maro an'i Chris Brown. Izono zavatra ambara amin'ireo olona maro sisam-paty tamin'ny herisetra an-tokantrano.. avelao ny helok'ilay mpamono. Imbetsaka ireo sisam-paty no manao izany, tsy mitsahatra fa mamela hatrany, eny miafara amin'ny fara-fofonainy mihitsy aza.

Namarana ny teniny ny mpanoratra ilay taratasy, Vidyaratha Kissoon, tamin'ny fanontaniana hoe:

Misy toetoetranà fanetren-tena ve amin'izany? Tsy maintsy manome ny totalimben'ireo vola voahangona … ho an'ny hetsika atao any Goiana hiadiana amin'ny herisetra an-tokantrano ny Governemantan'i Goiana sy ny Sehatra tsy miankina.

Tokony hiara-hiasa amin'ireo lehilahy [izay nanao ‘hadisoana’ tahaka ny azy] i Chris Brown mba hianarany ny fomba fitondran-tena sy fiovan-tsaina ilaina ho amin'ny fahasitranana. Izany rehetra izany mazava ho azy, dia hanambaràna fa niova i Chris Brown.

Ireo sarin'i Rihanna sy Chris Brown nampiasaina tanatin'ity lahatsoratra ity dia an'ilay mpaka sary Olo-malaza sy Seho an-tsehatra Eva Rinaldi, nampiasaina teo ambany ny Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0) Creative Commons License. Tsidiho ny fijerena sary mivantana ao amin'ny Flikr an'ilay mpaka sary Olo-malaza sy Seho an-tsehatra, Eva Rinaldi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.