Misokatra Ao Kambodza ny BlogFest Asia 2012

Mampiatrano ny BlogFest Asia 2012 i Kambodza izay antenaina hahazo olona manodidina ny 200 avy amin'ny firenena Aziatika maro. Ny hetsika izay hotontosaina ny 1-5 Novambra 2012 dia horaisin'ny tanàna mana-tantaran'i Siem Reap. Ity ny BlogFest andiany fahatelo izay notontosaina tany Hong Kong tamin'ny 2009 ary tao Penang, Malezia taorian'izany tamin'ny 2010. Manantena ny mpanomana ny BlogFest fa hitohy ho fihaonan'ny olon mavitrika amin'ny fizaram-baovao sy teknolojia ny hetsika:

BlogFestAsia has been organized twice in Hong Kong and Malaysia in order for technologists, bloggers, social media enthusiasts and tech lovers in the region to come, share, learn and exchange information related to technology development in the region.

Efa notontosaina indroa tany Hong Kong sy Malezia ny BlogFest Asia mba hotongavan'ny teknology, bilaogera, mavitrika amin'ny tambajotra sosialy ary ny mpakafy teknolojia ao amin'ny faritra sy hianarana sy hifampizarany vaovao amin'izay rehetra mifandraika amin'ny fampandrosoana ny teknolojia ao amin'ny faritra.

Mientanentana amin'ny hetsika i Phin Santel, izay mibilaogy ao amin'ny Khmerbird:

The fun days will be coming soon. It’s the BlogFest Asian 2012 which will be organized for the first time in Siem Reap, Cambodia.

Ho avy tsy ho ela ny andro fialam-boly. Ny BlogFest Aziatika 2012 izay sambany hotontosaina ao Siem Reap, Kambodza izany.

Nandritra ny fotoana fisoratana anarana izay efa mikatona amin'izao fotoana izao, mandrisika ny mpamaky azy handray anjara amin'ilay lanonana Kambojiana ilay bilaogera Myanmar blogger Kyaw Zay Ya izay efa nandray anjara tamin'ny BlogFest Asia teo aloha:

If you want to meet with bloggers from around the Asia it’s not too late to apply. I had attended 2 times in Hong Kong 2009 and Malaysia 2010, truly interesting, Now Cambodian bloggers are organizing the BlogFest Asia 2012 in Siem Reap on November 1-5.

Raha te-hihaona amin'ny bilaogera manerana an'i Azia ianao dia tsy mbola tara loatra amin'ny fisoratana anarana. Efa in-droananatrika aho tany Hong Kong 2009 sy Malaysia 2010, fa tena mahaliana, ankehitriny ny bilaogera Kambojiana no manomana ny BlogFest Asia 2012 any Siem Reap amin'ny 1-5 Novambra.

Andy Brouwer, bilaogera monina any Kambodza, mahita ihany koa fa ny zavatra ataon'ny BlogFest no toerana ifampihaonan'ny bilaogera ao amin'ny faritra

if you are a blogger yourself then a meeting with hundreds of other bloggers from Asia may be the thing that will inspire you.

Raha bilaogera ihany koa ianao dia ny fihaonana amin'ny bilaogera hafa an-jatony dia mety hanome aingam-panahy ho anao.

Antenaina hifampizara ny olana isan-karazany atrehiny any amin'ny firenena misy azy avy tsirairay any ny mandray anjara. Saingy etsy ankilan'ny fanangonana tahirin-kevitra amin'ny fivelaran'ny fiaraha-monina an-tserasera any amin'iny renim-paritra iny, hahitana ny fanomezana hery ny manampahaizana amin'ny aterineto ihany koa ny BlogFest Asia amin'ity taona ity, eo ihany koa ny fampandraisana andraikitra an-tserasera, ny fibilaogy amin'ny finday ary ny fiarovana eo amin'ny aterineto. Hanana anjara toerana lehibe ihany koa mandritra ny lahavolana BlogFest Asia ny Tetikasa Lingua an'ny Global Voices (ahitana ity teny malagasy izay vinakinao ity).

Hosokafan'ny Anjerimanontolo mpampiantrano Build Bright amin'ny fomba ofisialy ity lanonana ity. Fa ny lanonam-panakatonana kosa dia hotarihin'ny minisitry ny fampahalalam-baovao Khieu Kanharith.

Ireto ambany ireto ny sary misongadina tamin'ny fikarakarana mialoha ny BlogFest Asia 2012.

BlogFest Asia 2012, Cambodia

Ny fitantsoratra hanantona ny sorabaventy mikarakara sny sora-baventy eo anoloan'ny Anjerimanontolo. Saripikan'ny mpanoratra

BlogFest Asia 2012

Sora-baventin'ny BlogFest Asia 2012 efa ho vonona hamela hafatra ho an'ny mpiara-belona. Saripikan'ny mpanoratra.

Mpandray anjara Filipino Tonyo Cruz mizara izay antenainy:

Perhaps the highlight of this event are the country reports where we would have a chance to get a view of what’s happening across many parts of Asia. Inasmuch as we Filipinos wish to share what we have been doing and what we do best, it is always better and great to listen to how our neighbors in Asia are faring.

At the end of this gathering, we should have made new friends and strengthened solidarity among us Asian bloggers, knowing better our common concerns and making social media work for ourselves and our national communities. National boundaries (and controversies over them) may separate us, but our passion for free expression whether thru text, video, photo or the technology bind us together.

Angamba ny fotoana manan-danja indrindra amin'ny lanonana dia ny tatitra isam-pirenena ahafahantsika manana fijery ny zava-mitranga amin'ny faritra maro manerana an'i Azia. Ary amin'ny maha Filipino anay tia tianay ny mizara izay ataonay syny tsara indrindra nataonay, tsara sy mahavelom-bolo hatranyny mihaino izay ataon'ny mpifanolo-tsisintany aminay eto Azia.

Any amin'ny faran'ity fivoriana ity, tokony hanana namana vaovao isika ary hanamafy ny fiaraha-mientana eo amin'ny bilaogera Aziatika, mahafantatra tsara kokoa ny olana iraisana ary manangana ny asan'ny tambajotra sosialy ho antsika sy ho an'ny vondro-piaraha-monim-pirenena. Mety mampisaraka antsika ny sisintany (sy ny fifanoherana aterak'izany) saingy mampitambatra antsika koa ny fitiavana hanana fahalalaham-pitenenana amin'ny alalan'ny lahatsoratra, saripika na ny teknolojia.

Ny tenifototra twitter amin'io lanonana ity dia #blogfestasia12. Azo rahina ao amin'ny Facebook ihany koa ny fizotryny fotoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.