- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Enim-bolana am-ponja no sandan'ny opa atao amin'ny mpanjakan'i Bahrain amin'ny siokan-tseratsera

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka

Ny iray tamin'ireo mpisiokan-tseratsera efatra izay voatana [1] [en] any Bahrain ka natao fanóavana [2] ho nanopa ny mpanjakan'i Bahrain, dia naharay androany ny didim-pitsarana manameloka azy enim-bolana am-ponja.

Araky nampitain'i Mohammed Abdulameer mpanao lálana any Bahrain sady mpisiokan-tseratsera [ar]:

@wastilawyeR [3]: Iray tamin'ireo izay notsaraina ho nanopa ny mpanjakan'i Bahrain dia voaheloka enim-bolana am-ponja sy ny fitazónana ny solosainy sy ny findainy, izay fitaovana nentiny nanatanteraka ny “helony”