Saint Lucia : Akondro Loharanon'Angovo Azo Havaozina Hoe?

Lahatsoratra iray tanaty blaogy tamin'ny 2011 mikasika ny fampiasàna ny akondro amin'ny famoronana solika avy amin'ny zava-maniry no nanome aingam-panahy an'i Dane Gibson hametraka fanontaniana vitsivitsy mikasika ny sehatry ny angovo azo havaozina ao amin'ny firenena kelin'i Santa Lucia ao Karaiba.

Ao anatin'ny “The Power of Bananas” na ny “Herin'ny Akondro”, navoitran'i Laura Eco ny tetikasam-pihariana angovo iray :

Ity tetikasa ity dia napetraky ny “Applied Renewables Caribbean” ary ikendrena ny hampiasàna ireo fako ateraky ny tsenam-barotra akondron'i St Lucia mba hamokarana angovo manaja ny tntolo iainana. Mandritra izany fotoana izany, hahafahan'ireo mpamokatra akondro ao an-toerana manampy ny fidiram-bolan-dry zareo ihany koa amin'ny fivarotana ireo fako avy amin'ny vokatra notazan-dry zareo.

Banana tree

Akondro Loharanon'Angovo Azo Havaozina Hoe?
Sary: MrTopher Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Anaty lahatsoratra iray ao amin'ny pejy Facebook St Lucians Aiming for Progress- S.L.A.P (Ireo avy ao St Lucia mikendry ny hivoatra) tamin'ny 13 Oktobra 2012, hoy izy manontany :

Tsy ela akory izay dia nilaza ny Dr Anthony fa maro ireo olona no tonga nandom-baravarana tao aminy miaraka aminà fanolorana tetikasan'angovo azo havaozina. Inona no mba dingana efa nataon'ny governemanta mba hanarahana ny tohin'ireny sy nanaovana izay fanamarinana tokony natao mba hananana angovo hafa ho safidy ao St Lucia? Inona no dingana horaisin'ny governemanta mba hanamaivanana ny fiakaram-bidin'ny herinaratra mba hamadihana ny nosy ho toerana mahasarika ireo mpampiasa vola vahiny? Miaraka amin'ny fanakatonana efa voalahatra hatao amin'ny toby fanodinan-tsolika Hess, mety ho azo sainina ve ny hahita ilay toby fandiovan-tsolika ho lasa foibe famokarana angovo azo havaozina na zavatra tahaka izany, efa hita rahateo fa tsy nisy zava-baovao mba natolotra ny mponin'i St Lucia mihitsy. Mba soso-kevitra vitsy monja ireo ho fanomezana ainga vao sy hampitepo ny fon'ny firenena indray.

Jimmy Fletcher, izay vao haingana no lasa Minisitry ny Raharaham-Bahoaka, ny Fandrosoana Maharitra, ny Angovo, ny Siansa sy ny Teknolojia ao Saint Lucia, dia namaly an'i Gibson voalohany tamin'ny fitanisana ny asan'ny  “Applied Renewables Caribbean”, ilay orinasa voatonona ao anatin'ny lahatsoratra:

Minisitry ny Fandrosoana Maharitra, ny Angovo, ny Siansa sy ny Teknolojia dia niara-niasa tamin'Atoa Ken Aldonza mba hirosoan'io tetikasa filamatra io. Nitsidika ny ozininy tany Vieux Fort aho efa ho efatra volana lasa izao, ary taorian'izay fitsidihana izay nhy ministerako dia niara-niasa tamin'Atoa Aldonza niezaka nitady famatsiam-bola fanampiny azo antoka ho an'ny tetikasany. Amin'ny maha-Minisitr ny Angovo, nanoratra ihany koa aho ho an'ny  “National Development Corporation”, NDC, mba ho andrana hahazoana iray amin'ireo toeram-pamokaran'ny NDC efa tsy misy na inona na inona mba ho ampiasaina tsy misy hofany na mba ho amin'ny taha misy fanalefahana ka hahafahan'i Ken Aldonza manisaka ny asa aman-draharahany ho aminà toerana malalaka sy midadasika ary sahaza kokoa.

Nanome toky i Fletcher fa niasa ny governemanta mba hanitàrana ny sehatry ny angovo azo havaozina ary nampanantena hitatitra izay dingana vita :

Ato anatin'ny andro vitsy izahay dia hanolotra antsipirihany amin'ireo hetsika nataonay mba handrisihana ny fampivoarana sehatry ny angovo azo havaozina maharitra izahay ary ho fampiroboroboana ny fampiasàna fitaovana tsy mandany angovo loatra. Noho izany, aza manahy, be ny efa atao ho fampihenana ny fiakinan-doha amin'ny solika avy any ambanin'ny tany hatao angovo ary hampidinana any amparany ny sandan'ny herinaratra ho an'ireo eto St Lucia.

Anaty fanehoan-kevitra iray i Nadia Cauzabon dia manolotra hevitra hoe ny governemanta tokony hijery ny entona biogaz ho toy ny angovo iray azon'ny tantsaha isafidianana :

The Power of Pig Poo (Ny Herin'ny Tain-Kisoa): maodely roa amin'ny fanodinana biogaz mora vidy natomboka tao Saint Lucia tany Soufriere, Dennery, Laborie, VFort sy Micoud. Ny entona vokatra avy ao dia azo ampiasaina hiteraka herinaratra ho an'ny toeram-piompiana na atohy mankany amin'ny fitaovana fitonoana, fanazavana efitrano, handrahoan-tsakafo ary hatramin'ny fanotrehana akondro aza. Ry Minisitra Jimmy Fletcher, tiako indrindra ny ministera raha mba manohana ireo tantsaha mpiompy hampiasa izay fitaovam-panodinana biogaz efa ananany mba hamokarana herinaratra.

Nosoritany ihany koa fa azo ampiasaina tsara any an-tokantrano ny biogaz :

Azon'ny ministera trandrahana ihany koa ny hampiasàna ny biogaz any an-tokantrano. Ananantsika ny fahaiza-manao ilaina aty Karaiba Jamaika izay namadihan'ny CASE ny toerana fanatobiana dikin'ny sekolin-jazalahy ho lasa fitaovana famokarana biogaz ary ny entona avy ao dia ampiasaina amin'ny fandrahoan-kanina. Tamin'ny 1997 nisy tetikasa iray an'ny GTZ nanaovana sinibe vy ho fitaovana famokarana entona. Tantsaha iray any Bois D'Orange no nampiasa ny entona novokariny ho fandrahoan-kanina ao an-tranony.  Tato anatin'ny roa taona farany dia notsoahany ilay fitaovany famokarana entona ary nividy tavoahangin'entona fampiasa an-dakozia izy, izay sambany tao anatin'ny 15 taona mahery.

Cauzabon koa dia niangavy ny governemanta hanao izay hazoana antoka fa tsy ho olana ho an'ny fahasalamam-bahoaka ny asa fiompiana :

Izao koa, sitrako indrindra raha toa ny ministeranao sy ny ministeran'ny fambolena mametraka fepetra hoe ireo toeram-piompiana kisoa/biby rehetra dia TSY MAINTSY manana fitaovana fitantana any fako avy ao aminy (famadihana azy ho entona, zezika na ny tahaka izany) mba hitandroana ny lalan-drano eto St Lucia hadio. Mihoatra ny fetra tokony ho izy ny tahanà bakteria avy amin'ny diky amin'ny renirano sasany ary mametraka loza mananontanona ho an'ny fahasalamàn'ny zanak'olombelona. Ny vondrom-piarahamonina sasany dia manana olana amin'ny trangan'aretim-bavony sy tsinay izay azo eritreretina ho mifandray mivantana amin'ny haratsin'ny kalitaon'ny rano sotroina.

Ho valinteny ho an'i Cauzabon, Fletcher dia naneho ny alahelony amin'ny tsy nisian'ny fivoarana misimisy kokoa tamin'io sehatra io :

Nadia, tena mampalahelo tokoa fa tsy nahavita fivoarana betsaka isika tamin'ny fanamboarana fitaovana famokarana biogaz. Fony niasa tao amin'ny Sampam-pikarohana sy Fampandrosoana tao amin'ny Ministeran'ny Fambolena aho (andian-taona 1990) be tokoa ny fahalinana hanao fitaovana famokarana biogaz sy fanamainana mandeha amin'ny masoandro ary nisy maromaro ny asa natao tany amin'ny faritra ho fampivoarana ny teknolojia. Tsaroako ny tetikasan'ny GTZ tany amin'ny taona 1990 ary koa ny asa nataon'ny Profesora Clem Sankat sy ny hafa tao amin'ny UWI mikasika irao fanamainana mandeha masoandro. Roa taoana asa izao, fony aho tao amin'ny OECS, nanokatra fifanakalozan-dresaka tamin'ny UNIDO aho amin'ny hanohanana ny famokarana ireo fanamainana mandeha masoandro aty Saint Lucia ireo. Izany rehetra izany dia entina milaza fa miaky miaraka aminao aho fa tokony hotrandrahantsika ny fomba rehetra azo atao hahazoana angovo azo havaozina/maharitra ary omena tohana ny fivoaran'ireny teknolojia ireny. Raha ny resaka fitaovana famokarana biogaz, tena marina ny anao, tena misy tombony fanampiny tokoa izy ireny amin'ny fanampiana hamaha ireo olana manahiran'ny fitantanana ny fako avy amin'ny toeram-piompiana.

Na dia faly amin'ny mety ho fivoaran'ny solika azo avy amin'ny ‘bio’ aza,  velon'ahiahy momba ny mha-maharitra azy ireny ihany i Jana Auguste :

Raha faly aho fa hoe velona ny angovo azo havaozina eto SLU, amin'ny maha-mpiasa saina momba ny resaka maharitra ahy, mijanona hatrany ho velom-panahiana aho mikasika ny fampiasàna ny sakafo ho akora fanodina ho solika noho ny antony izay antenaiko indrindra ho mitombina…..fampiasàna ny tany fambolena, ny teibidiny, sns…

Ny Minisitry ny fambolena taloha, Ignatius Jean, ihany koa dia manana fanontaniana vitsivitsy momba ity mety ho eritreritra fanolo ity :

Hevitra tsara. Kanefa, amin'izao fotoana tsy maha-“volamena maitso” ny akondro izao intsony, fomba ahoana no hataonareo hisarihana ireo vahiny mpamokatra hiverina amin'nyfamokarana akondro hatao solika? Ho sanda ohatrinona no ho azon'ny akondro ary izay rehetra azo ampiasaina aminy, avy amin'ireo ozinina mpamokatra angovo ho avy? Tsy resaka nofinofy fotsiny izy ity. Amin'izao fotoana ny fahafaha-mamokatry ny  LUCELEC dia mihoatra ny 66 Kw, ahoana ny vinavina kendrena amin'ity hevitra vaovao ity?

Moa va tsy tahaka an'i Jana Auguste, i Jean dia velon'ahiahy mikasika ny maha-maharitra ny famokarana solika avy amin'ny fambolena ary mahita loharano hafa aminà angovo azo havaozina tsaratsara kokoa:

Raisintsika ny sanda lafon'ny famokarana akondro sy ny vokany ary ny zava-doza mety ho azo, ary ny “fomba fanao ratsy amin'ny famokarana”, mbola itokisako lavitra ny  “géothermie”, ny masoandro sy ny rivotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.