- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpisiokan-tseratsera efatra no indray nosamborina tany Bahrain

Sokajy: Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

Araky ny fanambaran'ny Ministeran'ny Atitany any Bahrain dia “olona efatra no indray nosamborina noho izy ireo nampiasa vilana ireo Tambajotra Sosialy.” Raha vakiana anefa ny tatitra [1] [en] dia tsy tena mazava loatra izay heloka anaovana fanoavana azy ireo – “fanalam-baráka olona sangany amin'ny alalan'ny Tambajotra Sosialy.” Ireo Mpisiokan-tseratsera Ali Al-Haiki, sy Abdullah Al-Hashimi, sy Ali Mohamed ary Salman Abdullah dia hotanana mandritra ny ny famakafakana izay haharitra fito andro.

Na dia dradrain'ny fitondrana any Bahrain ho arovan'ny lalam-panorenana aza ny fahalalaham-pitenenana, dia efa maro ireo ohatra izay nahitana fampidirana am-ponja nohon'ny antony tokana dia ny fampiasana fahalalaham-pitenenana amin'ireo ireo Tambajotra Sosialy toy ny siokan-tserasera [na twitter] izany.

Raha ny fampiasana fahalalaham-pitenenana ihany no antony tokana nisamborana ireo Mpisiokan-tseratsera efatra ireo, dia tokony ho heverina ho isan'ny gadra nohon'ny heviny [na pôlitika] izy ireo. 

Hotovanana arak'izay vaovao fanampiny ity lahatsoratra ity.