GlobalVoices anaty

Mpisiokan-tseratsera efatra no indray nosamborina tany Bahrain

GV Mpisolovava Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava , miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahafaha-miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Ελληνικά · Μπαχρέιν: Συνελήφθησαν τέσσερις χρήστες του Twitter
Español · Bahréin: Detienen a cuatro tuiteros
Aymara · Bahréin: Pusi tuytiruruw jist'antapxatayna
Italiano · Bahrain: utenti Twitter arrestati per "uso improprio dei social media"
Filipino · Bahrain: Apat na Katao, Arestado Dahil sa Paggamit ng Twitter
English · Four tweeps arrested in Bahrain

Araky ny fanambaran'ny Ministeran'ny Atitany any Bahrain dia “olona efatra no indray nosamborina noho izy ireo nampiasa vilana ireo Tambajotra Sosialy.” Raha vakiana anefa ny tatitra [en] dia tsy tena mazava loatra izay heloka anaovana fanoavana azy ireo – “fanalam-baráka olona sangany amin'ny alalan'ny Tambajotra Sosialy.” Ireo Mpisiokan-tseratsera Ali Al-Haiki, sy Abdullah Al-Hashimi, sy Ali Mohamed ary Salman Abdullah dia hotanana mandritra ny ny famakafakana izay haharitra fito andro.

Na dia dradrain'ny fitondrana any Bahrain ho arovan'ny lalam-panorenana aza ny fahalalaham-pitenenana, dia efa maro ireo ohatra izay nahitana fampidirana am-ponja nohon'ny antony tokana dia ny fampiasana fahalalaham-pitenenana amin'ireo ireo Tambajotra Sosialy toy ny siokan-tserasera [na twitter] izany.

Raha ny fampiasana fahalalaham-pitenenana ihany no antony tokana nisamborana ireo Mpisiokan-tseratsera efatra ireo, dia tokony ho heverina ho isan'ny gadra nohon'ny heviny [na pôlitika] izy ireo. 

Hotovanana arak'izay vaovao fanampiny ity lahatsoratra ity.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny