R.D. Congo : Dokotera Denis Mukwege, Mafàna Fo Mpiaro Zon'olombeloa, Voadaroka Tao An-tranony

Tamin'ny 1994, ny vonomoka tao Roanda (izay manana sisintany iraisana amin'i RDC) dia nanery olona manodidina ny 2 tapitrisa hipetraka tany atsinanan'ny RDC. Hutus ny ankamaroan'ireny olona ireny, izay nisy milisin'ny interahamwe mahery fihetsika tafasisika tany anatin-dry zareo tany, ireo izay tomponandraikitra tamin'ny famonoana ireo Tutsis sy ireo Hutus tony fihetsika. Ireny milisy ireny dia mampiasa ny fanolanana faobe ho toy ny fitaovam-piadiana, isan'izany ny fanimbàna an-tsitrapo sy efa voaomana atao amin'ny taovam-pananahan'ireo vehivavy.

Ny Dokotera Denis Mukwege, mafàna fo mpiaro ny zon'olombelona sady indrindra fa ny fiarovana ny vehivavy amin'ny herisetram-panolanana, dia niharan'ny herisetra tao an-tranony tao Bukavu, ary nandritra izany no nahafaty ny mpiambina azy, ny 25 Oktobra 2012 teo.

Tanàty lahateny iray nataony tamin'ny 25 Septambra lasa teo nanoloana ny Firenena Mikambana, Denis Mukwege, izay nampahafantatra an'izao tontolo izao ny habibiana tsy roa aman-tany zakain'ireo vehivavy iharan'ny fanolanana faobe any amin'ny firenena no nilaza zava-mahatsiravina rehetra :

Kaongolezy 500.000 no voaolana tao anatin'ny 16 taona.

 

Dokotera Denis Mukwege dia tsy hoe fotsiny fantatra amin'ny fandraisany toerana sy ireo fanakianany miverimberina mamely ny vondrona mitam-piadiana mampanjaka ny horohoro any atsinanan'i RDC, fa koa satria izy dia mitsabo maimaim-poana ireo niharan'izany.

Denis Mukwege

Denis Mukwege ao amin'ny wikipédia napetraky ny  Radio Okapi (eo ambanin'ny lisansa Creative Commons-NC-2.0)

Denis Mukwege izy tenany mihitsy no mitantara ilay herisetra nanjo azy :

Omaly hariva, nisy nanafika tao an-trano aho tokony ho tamin'ny 7 ora hariva. Feno lehilahy nirongo fiadiana niditra tao amin'ny faritry ny fonenako raha iny aho nivoaka hametraka ny vahiny tao amiko iny indrindra mba haka fiarakaretsaka. Araka izany dia niditra ry zareo, nifehy ireo mpambina, ireo ankizy izay tao an-trano ; ary dia niandry tao amin'ny trano fandraisana vahiny, rehefa tonga aho dia nilaozan-dry zareo ny trano fandraisana vahiny ary dia nirohotra niditra ny fiarako ry zareo, nisintona ny fanalahidin'ny fiara tety amiko. Nirongo fiadiana daholo, rakotra fitaovam-piadiana, ary dia nivoaka ny fiarako ny iray tamin'izy ireo rehefa avy nasaina nidina ny fiara aho ary izy io indrindra no indrisy fa nitifitra ny mpandry tanànako satria rehefa nentina aho dia nanomboka nikiakiaka ilay mpiambina … Tsy naka afa-tsy ny fiara ry zareo.

Toa hoe niala ny trano fonenany ilay mpitsabo sy ny ankohonany.

Io Alarobia 31 oktobra io tao Bukavu, niantso fanaovana tanàna maty ny fiarahamonina sivily mba hanoherana ny tsy fandriampahalemana, andro iray izay tena nahomby tokoa.

Indro lahatsary iray an'i Denis Mukwege nakarin'ny VOACongoStory manazava ny tolony hiarovana ireo vehivavy amin'ny herisetram-panolanana :

Ireny fanolanana ireny, atao ao anaty tsy firaharahàna tanteraka sy mitoetra ho tsy voasazy mandritra ny taona marobe no mikiky ny fiarahamonina amin'ny sehtra rehetra mihitsy : tamin'ny Aogositra 2011, solombavambahoaka iray izay nandrahona hanolana vehivavy iray mpanao gazety dia niteraka savoritaka tambabe (farany dia nanao fialàna tsiny ranamana).

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.