- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nijanona Tsy Nilalao Ady Totohondry Ilay Tajikistana ‘Million Dollar Baby’

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

Nijanona tsy nilalao aditotohondry mandritra ny herintaona farafahakeliny i Mavzuna Chorieva, “Million Dollar Baby” ao Tajikistan izay nampahazo [1] medaily alimo ho an'ny fireneny tamin'ny Lalao Olaimpika 2012 tao London, taranja totohondry ho an'ny vehivavy, sokajin-danja maivana. Tamin'ny 27 Oktobra, nanambady ity mpilalao aditotohondry 19 taona ity ary nanambara [2] [ru] fa tsy hiverina hilalao aditotohondry raha tsy avy miteraka. “Tiako ny fanatanjahatena,” hoy izy tamin'ny mpanao gazety. “Saingy zava-dehibe amiko kokoa ny fianakaviako.”

Nitatitra [3] ny Global Voices Online tamin'ny 9 Aogositra, fa nahatonga azy ho “modely” ho an'ireo tovovavy an'arivony ao amin'ny firenena ny fahombiazan'i Chorieva tamin'ny lalao Olaimpika 2012. Nanambara [4] mihitsy aza ny bilaogera iray fa mety ho lasa “modely vaovao ho an'ny firenena” ao Tajikistan ity mpitolona ity. Nampanantena [2] [ru] i Chorieva fa handrombaka medaily volamena izy amin'ny Lalao Olaimpika Fahavaratra amin'ny taona 2016.

[5]

Rehefa nahazo medaily alimo tamin'ny Lalao Olaimpika 2012, noarahabaina toy ny mahery fo i Mavzuna Chorieva tao amin'ny tanàna nahaterahany ao. Sary: sampam-pahalalam-baovao ASIA-Plus, 18 Aogositra 2012, nahazoan-dalana ny sary.

Fiarahabana

Nampizarazara ny mpiserasera ao Tadjikistan ny fanambaran'ity mpilalao ady totohondry ity. Ao amin'ny firenena, izay manasokajy ny fianakaviana ho toy ny zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainan'olona manokana, maro ireo olona faly amin'i Chorieva.

Tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Ozodi.org, izay milaza momba ny fanambadian'ity mpilalao ady totohondry ity , ‘Salim avy any Dushanbe’ nanoratra [6] [tj] hoe:

Муборак шавад! Офарин! Канд зан! Кушапир шавед!

Arahabaina! Tsara! Mety tsara! Mirary fifaliana ho anao mandram-pahafatinao!

Anisan'ireo fanehoan-kevitra mitovy amin'izany, hoy ny mpisera tsy fantatra anarana nanampy [6] [tj]:

Дуъо мекунем, ки Мавзунабону бо чавони дустдоштааш хушбахт шаванду точикписару точикдухтарони далеру ватандорро ба дуне оранд.

Mivavaka izahay mba ho faly lalandava i Mavzuna sy ny sakaizany [vadiny]  ary hanan-janaka Tadjik lahikely sy Tadjik vavikely be herim-po sy tia tanindrazana anie izy ireo.

[7]

Mavzuna Chorieva sy ny vadiny mandihy nandritra ny fanambadian'izy ireo tao Kulob. Sary: ASIA-Plus, 27 Oktobra 2012, nahazoan-dalana.

“Tahaka ny olon-drehetra”

Mahita kosa anefa ireo mpiserasera sasany fa famaranany ny lalao fanatanjahatenany [ady totohondry] ny fanambadian'i Chorieva sy ny fikasany hanan-janaka. Fanampin'izany, diso fanantenana tamin'i Chorieva ny olona sasany, satria raha lasa modely ho an'ny tovovavy ao amin'ny firenena izy dia nisafidy ny ho toy ny “olon-drehetra”.

Bilaogera Shukufa nanoratra [8] [ru] tao amin'ny Blogiston.tj:

С одной стороны, я её конечно понимаю. Она девушка, ей хочется обыкновенного женского счастья: муж, ребёнок и т.д.

Но с другой стороны, очень жаль, что мы теряем такой образец для подражания. Вернуться в спорт и продолжать одерживать победы после рождения ребенка будет уже, скорее всего, невозможно. Нашим девочкам будет не на кого равняться. Девочка из Куляба, которая всем своим поведением показывала: “я не такая как все”, теперь стремится доказать, что именно такая. Что она не хочет выделяться. Что хочет быть “как все”. Грустно.

Etsy andaniny, marina fa azoko tsara ny momba azy. Tovovavy izy, te ho faly amin'ny maha-vehivavy azy izay manam-bady sy zanaka, sns.

Saingy etsy ankilany, mampalahelo satria very modely arahina isika. Sarotra ho azy ny hiverina hilalao ady totohondry indray sy hanohy hibata fandresena aorian'ny fiterahany. Tsy manana olona hotahafina ny tovovavintsika. Ilay tovovavy avy ao Kulob [tanàna nahaterahan'i Chorieva], izay nilaza toy izao ny fihetsiny rehetra: “Tsy mitovy amin'ny olon-drehetra aho,” dia mitady ny hanaporofo ny mifanohitra amin'izany ankehitriny. Tsy te hiavaka izy. Te ho tahaka ny “olon-drehetra”. Mampalahelo izany.

Nilaza i Chorieva fa hiverina hilalao ady totohondry izy rehefa avy miteraka ary hiezaka handrombaka medaily amin'ny Lalao Olaimpika amin'ny manaraka. Na dia izany aza, maro ireo olona no misalasala fa sarotra be izany hiverenany hilalao ady totohondry indray izany.

Jasur Ashurov nisioka hoe [9] [ru]:

Таджикистан потерял олимпийскую медалистку. Что бы она ни говорила, медалей ей теперь не видать.

Very Olaimpika medailista i Tajikistan. Na inona lazainy, tsy hahazo medaily intsony izy.

[10]

Mavzuna Chorieva, noarahabaina tao amin'ny tanàna nahaterahany tao Kulob rehefa avy nandrombaka medaily tamin'ny Lalao Olaimpika 2012. Sary: ASIA-Plus, 18 Aogositra, 2012, nahazoan-dalana.

Ho an'ny hafa, nandao ny fanatanjahatena i Chorieva, ary ho amin'ny fotoana fohy ihany izany, noho ny faneren'ny fiarahamonina. Ao Tajikistan, araka ny fomban-drazana, voarara ho an'ny vehivavy ny lalao ady totohondry sy ny tolona ara-panatanjahatena.

Tamin'ny lahatsoratra momba ny fanambadian'ity atleta ity tao amin'ny news.tj, Faridun Bobokalon nanoratra hoe [2] [ru]:

Это её выбор. Мы ведь все знаем, что девушка-боксер в Таджикистане это нонсенс. Чориева, видимо, не хотела, чтобы на нее всю жизнь показывали пальцем. Вот и выбрала быть такой же как все.

Safidiny izany. Fantatsika tsara fa tsy misy dikany izany hoe vehivavy mpilalao ady totohondry ao Tajikistan. Toa tsy te hahazo tsiny amin'ny olona i Chorieva mandritra ny androm-piainany. Izany no antony nahatonga azy nisafidy ho tahaka ny olon-drehetra.

Fanantenana kely

Manoloana izany fanehoan-kevitra izany, misy koa ny fanehoan-kevitra kely sasany milaza fa mety handresy foana ity “Million Dollar Baby” ao Tadjikistan ity.

Mulex nisioka hoe [11] [amin'ny teny rosia] :

А может она еще вернется и всем докажет, что можно завоевывать медали и после замужества и рождения ребенка? Надеемся на это.

Angamba mety hiverina hilalao ady totohondry indray izy ary hanaporofo amin'ny tsirairay fa mbola afaka mibata medaily izy na aorian'ny fanambadiana sy ny fiterahany aza? Manantena izany isika.