- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Baomba mandatsa-dranomaso tafiditra an-tranofianarana

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Mafana

Ny vohikalam-baovao Madonline no mitatitra [1] [fr] fa tafiditra an-tranofianarana ny iray tamin'ireo baomba mandatsa-dranomaso natsipin'ireo miaramila hanaparitahana ireto mpianatr'Ankatso izay mitokona [2] [fr] nohon'ny fitakiana ny vatsim-pianarana izay mbola tsy narotsaka foana. Mbola izany antony izany koa no itokonan'ireo mpianatry ny Anjerimanontolon'i Toamasina [3] ankehitriny.