- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Okraina: Teknolojia Ho Amin'ny Fifidianana Mangarahara

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

Nifidy solombavambahoaka ny Okrainiana tamin'ny 28 Oktobra teo. Noho ny fanagadran'ny filoha am-perinasa ankehitriny ireo mpanao politika mpanohitra [1], nahasarika tanteraka [2]ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny fizotry ny fifidianana.

Manoloana ny filazan'ny antokon'ny fitondrana amin'ny fampiasana ny fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra [3], nampanantena ny governemanta Okrainiana ankehitriny fa atao mangarahara, marina izany ary mpanara-maso iraisam-pirenena maherin'ny 3700 [4]no raisina hanara-maso ny fifidianana .

Nanapa-kevitra ny Minisiteran'ny Atitany ao Okraina fa hampiasa sarintany handraisan'ny besinimaro anjara ka hametraka sarintany mifototra amin'ny Ushahidi ahitana fandikan-dalàna momba ny lisitr'ireo mpifidy voasoratra anarana [5] [uk]. Araka ny filazan'ny manam-pahefana, ny tanjona amin'ity tetikasa ity dia ny “hanampiana ny fiarahamonina hanana fijery mahitsy sy hanara-maso ny fizotry ny fifidianana 2012 [6]” [uk].

Mba hisian'ny fifidianana mangarahara sy hanaraha-maso tsara ny fampanantenana avy amin'ny governemanta, nampiasa teknolojia vaovao ihany koa ny vondrona mpanara-maso ao an-toerana.

OPORA

Nampiasa sarintany ifandrimbonan'ny besinimaro ho loharanom-baovao [7] [en, uk] ahitana vaovao feno momba ireo distrikam-pifidianana 225 sy birao fandatsaham-bato 33.000 ny tambajotran'olom-pirenena OPORA [8] [en], anisan'ny hita ao koa ny fifandraisana amin'ny vaomiera ao an-toerana mpanara-maso ny fifidianana. Mpanara-maso matihanina 3800 no misahana ny fanaraha-maso, ary raha hita fa misy ny fandikan-dalàna, mametraka izany ao amin'ny sarintany izy ireo, miaraka amin'ny sary sy ny lahatsary atao porofo. Mampiasa ny fandraisana anjaran'ny besinimaro ihany koa ny vondrona – azo atao ny mametraka vaovao momba ny fandikan-dalàna ny rehetra amin'ny alalan'ny finday na amin'ny alalan'ny fandraketana fenoina amin'ny aterineto [9] [uk, en]. Rehefa vita ny fanamarinana izany, avoaka ao amin'ny sarintany ireo vaovao. Mandritra ny androm-pifidianana, kasain'ny OPORA ny manangona antontanisa avy amin'ny fanisana vetivety [10] ny vato amin'ny alalan'ny fampiasana SMS sy ny teknolojia GSM ny OPORA, mba hanamarinana ny valim-pifidianana.

Maidan.org.ua

Fihaonan'olom-pirenena mpitrakoka antserasera Maidan.org.ua [11] [uk] namoaka ny “Maidan-monitoring [12]” [Fanaraha-maso Maidan] [en], izay mampiasa sarintany ifandrimbonan'ny besinimaro ho fakana vaovao sy manao topimaso amin'ny ankapobeny ireo fandikan-dalàna hita amin'ny sarintany [13] [en, uk] mifototra amin'ny fampiasana sarintany Ushahidi . Ny maha-hafa ny tetikasa Maidan amin'ny fandraisana an-tanana mampandray anjara ny besinimaro tsotra dia ny ezaka mafy manamarina ny antsipiriam-baovao tsirairay voaray mialoha ny hamoahana azy amin'ny aterineto. Tetikasa fanampiny an'ny Maidan.org.ua – ny “People’s CEC [14] [Vaomieram-bahoaka amin'ny fari-pifidianana Afovoany]” [uk] – miantso ireo mpikambana ao amin'ny vaomiera sy ireo mpifidy tsotra mba hanome ny sary nomerikan’ [elektronika] ny fitànana an-tsoratra ny isam-bato farany izay alefa ao amin'ny aterineto avy eo mba hisorohana ny hosoka amin'ny valim-pifidianana.

ElectUa.org

Tetikasa ifandrimbonan'ny besinimaro hafa tsy manana fironana politika amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana ny ElectUa [15] [uk, en; Fintim-baovao GV [16]] avy amin'ny Internews-Okraina, nampiasa sarintany ihany koa mba hanaraha-maso ireo fandikan-dalàna voatatitra, ary mampiasa “smart crowdsourcing,” [na hoe fandraisana anjaran'ny besinimaro na hoe mamela ny besinimaro handray anjara malalaka amin'ny filazana zavatra tena marina] ka manamarina ny tatitra tsirairay alohan'ny hamoahana azy amin'ny aterineto. Nihalehibe avy amin'ny fahombiazan'ny fandefasana vaovao tamin'ny alalan'ny Twitter nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2009 sy 2010 ity tetikasa ity izay nandray anjara mavitrika tamin'ny fampiroboroboana ny teknolojian'ny fampandraisana anjara ny besinimaro ho loharanom-baovao  [crowdsourcing] sy ny Twitter ao Okraina [17] [en]. Azo alefa amin'ny alalan'ny mailaka, SMS, finday ary ny habatseran’ [habaka internet] ny tetikasa, Facebook na Twitter ny vaovao alefa amin'ny ElectUA 2012..