- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Israely: Nikambana ny Antoko Ankavanana Mba Hanome Bibirman

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook sy Twiiter ny Israeliana manoloana ny fanambarana fa hanao biletam-pifidianana mitovy ireo antoko roa ankavanana lehibe mavesa-danja amin'ny fifidianana hoavy amin'ny Janoary 2013. Mikasa handrombaka ny governemanta manaraka ao Israely ny antoko, Likud, tarihin'ny Praiminisitra Binyamin (Bibi) Netanyahu, sy ny Antoko Yisrael Beyetenu tarihin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Avigdor Lieberman, mampiseho ihany koa ny famotopotorana fa hanjakazaka indray ny antoko ankavanana amin'ny Knesset. Ankavanana kokoa ny antokon'i Yisrael Beyetenu noho ny Likud, ary anatin'izany ny antso ho amin'ny fifanakalozana sisintany [1] eo amin'i Israely sy ny fanjakana hoavin'i Palestiniana, ka voatery miàla amin'ny maha olom-pirenena israeliana azy ny olom-pirenena Arabo ao Israely mba hizaka ny zom-pirenena Palestiniana.

Yoni Barak nanamboatra ity sarin'ny firaisaina ity  [2]:

Yoni Barak's image of the union [2]

Bibirman: ny firaisana araka ny hevitry Yoni Barak, nozaraina tao amin'ny Facebook

 

Nisioka toy izao i Meretz avy ao amin'ny antoko liberaly sosialy-demokraty:

ראש הממשלה נעתר לביברמניות והסכים להביא את ביברמן לישראל.

@MeretzParty [3]: Namaly ny antson'ireo adalan'i Bieber ny Praiminisitra ka nitondra an'i Bibirman ho an'i Israely

Maro ireo naneho hevitra tamim-pivazivaziana mikasika ny vaovao.

Raha miresaka momba ny tsy fitiavan'ny iraisam-pirenena an'i Lieberman, noho ny foto-keviny farany ankavanana indrindra, mpanakanto momba ny meme [zavatra fohifohy mampihomehy], Amir Schiby nanamboatra ity [4] manaraka ity:

[4]

Miomàna amin'ny sazy hoavy

Mpanakanto Meme sy mpanao hatsikana amin'ny aterineto Avgad Yav'or namorona ity sary ity [5] izay nalaina tamin'ilay horonantsarim-pivavahana Thelma sy Louise:

[5]

Lieberman: “Andeha amin'izany ve isika?”. Netanyahu: “Andao”

Mpanakanto meme ankavia, Amir Schiby nanamboatra ity sary ity [6] ihany koa, nijery ny zava-misy fa antoko afovoany tanteraka i Yisrael Beytenu, izay i Lieberman izy ihany no mandray ny fanapahan-kevitra lehibe. Tsy manatontosa fifidianana savaranonando ny antoko ary i Lieberman ihany koa no miandrakitra ny lisitr'ireo izay ho kandidà amin'ny fifidianana .

[6]

Netanyahu: “… misy fifidianana savaranonando ve amin'ny 25 Novambra”
Lieberman: “Savaranonando? Inona izany?”

Matetika ampitahain'ny Israeliana an'i Putin i Lieberman, mpifindra-monina avy ao Moldova, noho ny fijeriny somary tsy dia demokraty, izay mitovy tanteraka amin'ireo mpitondra manjakatokana Rosiana. Amir Schiby namorona ity sary ity [7]

[7]

Lieberman sy Putin

Amin'ny vazivaziny tafahoatra efa mahazatra, mpikatroka anarshista [tsy mila fahefam-panjakana] Israeliana, Talkaholic nisioka hoe:

הפיצוץ העז שנשמע הרגע מעזה: יריות שמחה לרגל החתונה המרגשת של ביבי וליברמן.

@Talkaholic [8]: Nahare fipoahana mafy avy ao Gaza: feom-basy ho fankalazana ny fanambadiana mampientam-po an'i Bibi sy Lieberman