27 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 27 Oktobra 2012

Chile: #LosQueSobran Fanentanana Manosika Ny Tanora Handeha Any Amin'ny Biraom-Pifidianana

  27 Oktobra 2012

Misy vondro-pikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Shiliana iray miara-dia handrisika ny tanora Shiliana hifidy mandritra ny Fifidianana Kaominaly izay hotontosaina amin'ny Alahady 28 Oktobra 2012. Manao izao hetsika izao ireto fikambanana ireto ahitana ny – Ciudadano Inteligente, Un Techo para Chile, Educación 2020 [es], Chao Pescao [es], ary Iguales [es] – satria sambany...

Meksika: Reny Amerikana Tafovoany Ampikarohana Ireo Mpifindra-monina Tsy Hita Ny Nalehany

  27 Oktobra 2012

Araka ny tarehimarika avy amin'ny Mesoamerican Migrant Movement [es], nandritra ny enin-taona farany teo, manodidina ny 70.000 eo ho eo ireo mpifindra monina [es] nanjavona tao Meksika. Nandritra ny taona maro, nivezivezy manerana an'i Meksika ireo renim-pianakaviana Amerikana Tafovoany manana mpifindra-monina very na nisy naka an-keriny mba hitady ny zanany izay tsy hita popoka raha...

Madagasikara: Vokatry ny fikarohana mikasika ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany

  27 Oktobra 2012

Ny praograma ASM-PACE izay sady mifantoka amin'ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany [ASM na Artisanal and Small-scale Mining] no mifantoka koa amin'ny faritra natokana hiarovana ireo zavaboahary sy ny tontolo-iainana osa [PACE na Protected Areas and critical ecosystems] no nanapariaka ny vokatry ny fikarohana amin'izay fomba mety hataon'i Madagasikara...