Tontolo Arabo: Fotoana Mahasosotra Ny Salafista

Salafista, fantatra amin'ny volombavany lavabe, sy ny akanjony (thobe), ary manaraka fitsipika sarotiny amin'ny fomba Islamo, no kendren'ny vazivazy tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny tenifototra hoe #SalafiAwkwardMoments.

Taorian'ny fionganan'i Zine El Abidine Ben Ali tao Tonizia sy i Hosni Mubarak tao Ejipta ary ny famonoana an'i Muammar Al Gaddafi tao Libya, nisandrahaka niroborobo ny Salafista izay niasa tany ambanin'ny tany , ary nanjary re sy hitam-bahoaka matetika. Tao Ejipta aza dia nirotsaka hofidiana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Ejypsiana i Hazem Abu Ismail, mpitarika ny Salafista – nandritra ny fotoana fohy na dia izany aza- alohan'ny nanesorana azy tsy hifaninana, rehefa fantatra fa teratany Amerikana ny reniny. Tao Libya sy Tonizia, nanafika ny Ambasady Amerikana izy ireo taorian'ny famoahana ilay horonantsary manasoketa ny Islamo sy ny Mpaminany Muhammed.

Raha nanontany ny fomba fifandraisana amin'izy ireo ny tandrefana, andeha hojerena ao amin'ny Twitter ny vazivazy avy amin'ny mpiserasera mikasika ny fomba fahitany azy ireo.

Maromaro ireo vazivazy momba ny fahafantarana ny Salafista. Hoy izy nisioka:

@ThatSalafi: Raha mahita ianao fa vehivavy ny lehibenao vaovao #SalafiAwkwardMoments

A rally for Salafist former Egyptian presidential elections candidate Hazim Abu Ismail in Cairo's Tahrir Square

Famoriam-bahoaka nataon'i Hazem Abu Ismail, Salafista, kandidà tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Ejypsiana teo aloha,  tao amin'ny kianjan'i Tahrir, ao Ejypta tamin'ny 6 Aprily 2012. Sary avy amin'i Jonathan Rashad, nozaraina tao amin'ny flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

@ThatSalafi: Raha ny akanjonao no lavabe indrindra ao amin'ny vondrona #SalafiAwkwardMoments

@ThatSalafi: Raha manontany anao ny fomba fanalana volombava ny zanakao lahy #SalafiAwkwardMoments

@ThatSalafi: Avy nijery Jiosy ôrthôdoksa manana volombava lehibe noho ny ahy #SalafiAwkwardMoments

Aly Galal nanesoeso hoe:

@alycature: Raha tsy afaka mihinana lasopy ianao raha tsy mitsobaka ao anaty lasopy ny volombavanao. #SalafiAwkwardMoments

Ary hoy SuperWoman, Ejypsiana nanampy:

@Super_Egypt: Raha miteny anao ny Salafiya ka milaza fa tsy mba -Salafista- mihitsy ianao amiko -ary mijery sy miteny anao mba hisafidy ny ho maritiora #SalafiAwkwardMoments

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.