Minisitra Zambiana Tratra Nijery Ny ‘WikiLeaks Zambiana’

Azo sary tamin'ny kamera teo am-pijerena tranonkala Zambian Watchdog ny Minisitra lefitry ny vola Zambiana Miles Sampa sy ny Minisitra misahana ny lehibe (sefo) Nkandu Luo nandritra ny fivorian'ny mpanolotsainan'ny tanànan'i Lusaka, ny 2 Oktobra 2012.Io famoahana ho an'ny vahoaka amin'ny aterineto io, fantatra amin'ny fandaharana fanadihadiana , dia norahonan'ny  lehiben'ny sampana fandraisana tataon-ketran’ ny orinasa  akatona tamin'ity volana ity.

Mpiasam-panjakana ambony maro ao amin'ny governemanta, an'isan'izany ny Filioha Michael Sata, ny Minisitry ny Fitsaràna Wynter Kabimba, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Goeffrey Bwalya Mwamba ary ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Given Lubinda no nangataka am-pahibemaso ny hanafoanana an'io.

Mitatitra io sehon-javatra io Kabwe ka nanoratra :

Tsy milefitra amin'ny aterineto ny governemanta PF, nefa ny mpikambana ao aminy dia mpanaraka ny tranonkala milaza ny vaovao politika Zambiana.

Tamin'ny Alakamisy, ny Minisitry ny vola Miles Sampa – zanaky ny iray tampo amin'ny Filoha Sata – sy ny Minisitra misahana ireo lehibe (sefo) Nkandu Luo dia azo sary nandritra ny fivorian'ny mpanolo-tsainan'ny tanànan'i Lusaka nijery ny Zambian Watchdog nefa ny ny adihevitra mandeha.

Tamin'ny Alatsinainy nandritra ny fivoriana fenon'ny mpanolo-tsaina izay natrehan'ny Filoha-lefitra Guy Scott izay depioten'i Lusaka afovoany, Jean Kapata depioten'i Mandevu,Miles Sampa depioten'i Matero, Given Lubinda depioten'i Kabwata ary Edgar Lungu depioten'i Chawama.

Rehefa avy nijery ilay lahatsary, dia toy izao ny fihevitr'ireo mpiserasera amin'ny aterineto Zambiana [* Tsy misy rohy maharitra ho an'ny fanadihadian'ny tsirairay ny tranonkala ] :

Nisy tsy nitonona anarana niteny :

Raha ohatra ka tsy dia ilanao ny antony sy ny fisian'ny watchdog. Atomboky ny maro amintsika amin'ny watchdog mialoha ny andehanany any amin'ny birao mamaky gazety mba hjery ny sariitatr'i chocklet fotsiny. Afaka mividy ny daily mail aho [ gazetin'ny governemanta] noho ireo filazana ao aminy. Saingy tsy adinoko ny manamarina any amin'ny watchdog na dia hijery ny vaovao farany fotsiny aza. Na dia andeha hatory aza, dia voajeriko ny vaovao farany.  Tohizo ihany ZWD [Zambian Watchdog].

Dika sary avy amin'ny lahatsary maneho ny Zambian Watchdog  eo amin'ny latabatry ny minisitra lefitra Miles Sampa nandritra ny fivorian'ny mpanolo-tsaina.

Nanontany Socrates :

Mahavariana… Raha toa ka afaka mamaky teny tahaka izany imasom-bahoaka izy ireo, inona no ataony ao amin'ny birao ?

Nanohana ireo minisitra Rick Bobby :

Làlana izorana izany ry Miles. Hajaiko ny olona izay mandany ny androny amin'ny fahafantarana izay lazain'ny tsikera. Ary harovako ny zon'ireo tsikera ireo mbola hiteny ihany izay lazain'izy ireo.

Nisy mpamaky iray tsy nahita ny maharatsy azy  saingy nihevitra fa ny fotoana nanaovany azy no tsy nety :

Ny làlana fototra mahalala iza ianareo manohitra tsy olana amin-dreo zany, saingy ny fotoana nanaovany ilay surf no tsy nety.

Ny mpiserasera amin'ny aterineto sasany dia miantso io famoahana ho an'ny daholobe io ho ” ny varavaran'ny fanantenana” :

Avelao ireo minisitra mampalahelo roa ireo hamaky ny ZWD – Ny varavaran'ny fanantenana…

Tian'i Mambamba Musaama lny “hadalana” ao amin'ny Zambian Watchdog iny:

Mampiankin-doha tsotra izao io tranonkala io, mitarika ny adala sy ny hendry izay mitovy làlam-piainana. Nanome antsika rivo-baovao tamin'ireo singam-bava manorisorin'ny governemanta-ZNBC, POST, Times .& Daily. Tonga mba haato ny tambazotra sosialy, ankasitraho io zava-doza io, tsy ilaina ny fandrahonana syfanakatonana ireo tranonkala [habaka] ireo satria afaka maneho ny hevitrareo foana ianareo, azonareo atao na dia ny miteny ratsy aza, ny tiako lazaina dia aiza no ahafahanareo manao izany ankoatra ny ZWD? Viva ZWD, Tiako ny hadalana…….

Dika sary avy amin'ny lahatsary mampiseho ny Minisitra Nkandu Luo sy ny Minisitra lefitra Miles Sampa mandritra ny fivoriana.

Zed Notenenin'i Patriot ireo minisitra mba tsy hamono ny hafatra :

 Sampa & Luo hajaina, hatramin'ny namakianareo  ny watchdog dia manoro hevitra anareo aho mba handresy lahatra ireo namanareo izay manohitra io famoahana io mba hihemotra. Raha tokony hamono ireo hafatra dia ampiasao ny  ZWD hanampy anareo amin'ny fandaminana ny fomba hanatanterahana ny hetahetan'ny Zambiana.

Tsy nahita izay lafy ratsiny amin'ny famakian'ireo minisitra izany James :

Inona no maha-ratsy an'izany. Amin'ny maha-mpitarika dia tokony hamaky ireo taratasy rehetra ianao mba ahafantarana izay miseho na tianao izany na tsia.

Mpamaky iray izay milaza fa mankafy io tranonkala io nanoratra fa mampahalala vaovao azy maharitra io tranonkala io :

Ny Zambian watchdog no tsara indrindra.Io irery no hany tranonkala milaza amiko mivantana ny vaovao isan'andro ary na aiza na aiza misy ahy. Na dia amin'ny 1ora maraina aza rehefa mitsangana mamamy aho ; dia mijery watchdog satria mamoaka ny vaovao farany foana izy. Tena mpankafy ny Watchdog aho.

Manadihady amin'ny YouTube, ny mpisera lightonphiri ka nanontany tena :

ha ha ha… mahazatra! Ny tiako ho lazaina iza no tsy mamaky zambianwatchdog?

Notaterin'ny Zambian Watchdog fa tamin'ny volana May tamin'ity taona ity dia lasibatry ny Fandavana hiasa (DDoS) avy amin'ny governemanta ny tranonkalany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.